Iza sisa ireo firenena 9 resin'i MADAGASIKARA !...

1. sareraka ( 20/11/2006 22:12)
Raha ny classement eo @ firenena faran'izay fadiranovana eto ambany masoandro dia firenena sivy (9)sisa no resin'i MADAGASIKARA dia gisitra !

-SIERRA-LEONNE
-BANGLADESH
-BURKINA -FASSO
-REPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
-AFGHANISTAN
-HAITI
-MALI
-RDC na ZAIRE taloha
-NIGER

Raha dinihina dia saika firenena rotidrotiky ny ady an-trano sy ny tsolotra ireo firenena 9 hany resin'i GASIKARA ireo.

KA MOA VE TSY MAMPIVARAHONTSANA, noho izany ny fitsetsefan'ingahy RAVALOMANANA ny mahantra sy efa osa izay efa 75% be izao. Ny tsy fandoavana hetra ny fampisondrotana ny vidim-piainana ny fanaovana akàma akàma... fa dia mitovy @ basy sy tafondro sy fiadiana maro izay mandrotidrotika ny TOE-KARENAN 'ny firenena malagasy!


Avy manaiky be fahatany 100 taona dia minomino fotsiny ihany : 2 taona ,3 taona ..5 taona ..
hiaka sy baikom-pitolomana noforomporonin'ny mpanao polifika dia nahavoafitaka antsika
Miareta kely fotsiny ihany
Raha izao no mitohy dia tonga mpanjàka indray ny FILOHA sa moa amperora....

MEDITATION!

izany ny vaovao manerana ny tany version 2006!

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E!
novalian'i jentilisa ny 21/11/2006 14:49
2. bazylou ( 20/11/2006 22:43)
ao ka re marina!!
3. hery ( 20/11/2006 23:39)
Adinon'i Sareraka... firenena misy Fanonganam-panjakana koa ireo. Sao dia izany no tanjon'ny sasany?

Raha resaka fitaka... dia nareo no nanaiky nofitahina tao. Soa ihany fa misy 3 désambra dia fidio izay tsy mamitaka e.
4. ninonati ( 21/11/2006 00:23)
efa fa3 avant dern ve no lasa naharesy 9 ts'efa ....nareo kosa nga malahelo vazah teo vazah mainty daholo no nifehy ka izao vao maka forme ny tena gasy vao hoe.... le tena hevitry ny hoe meditation atao de hi-raisonne tsara nareo:°):-D:D
5. Lejim ( 21/11/2006 01:18)
tssss, ratsy be izany! Fa raha mbola ampiana ady an-trano indray manaraka koa dia isika no gisitra faran'ny lisitra eo! Aty zah menatra be rehefa tafaresaka firenena tena fadiranovana satria ao anatiny foana Madagasikara! Nefa tsy ny henatro na ny tahotro no zava-dehibe fa ilay Madagasikara sy ny Malagasy sahirana sy mijaly be!
Ka aza asiana ady an-trano intsony ry namana a!
6. MTN ( 21/11/2006 02:08)
Hitan'i Sareraka fa ilaina ilay ady amin'ny kolikoly? :-P
7. Zoniaina ( 21/11/2006 08:32)
hay ve efa 3 avant dern isika teo e, dia izao efa misondrotra hummm tsara ka :roll:
8. akama2006 ( 21/11/2006 10:05)
zoniaina> nisondrotra ve!:-D:-D:-D:-D:-D:-D
9. xxx ( 21/11/2006 14:05)
k'hita fa nisondrotra koh!
10. jentilisa ( 21/11/2006 14:49)
nisondrotra laharana! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082