Ady sipa niafara tamin’ny tsatok’antsy.

1. Fiffi ( 13/11/2006 09:23)

Mbola tsy fantatra na ho faty na ho velona izy mirahalahy ireto, fa mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Resaka ady sipa no nahatonga ny fifamonoana ary niafara tamin’izao fidirana hopitaly izao.

ANKADIFOTSY. Ny iray voavely kibay teo amin’ny loha, ny faharoa voafira antsy. Mpirahalahy no nifamely sahala izany.
Ady sipa niafara tamin’ny tsatok’antsy
Zanak’olo-mirahalahy monina eny Antohomadinika eny izy roalahy ireto ary samy iarahan’ilay sipa avokoa. Niara-nirevy teny Behoririka ny zoma alina teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Rehefa nanomboka niakatra ny herin’ny alikaola dia nandeha ihany koa ny resaka ary samy nifampitantara ny sipany teo, ary teo vao nifankahalala fa hay sipa iray ihany no itambaran’izy mirahalahy. Raikitra amin’izay ny fifamaliana ka niafara tamin’ny ady, nifamono sy nifanenjika ary tonga hatarany Ankadifotsy. Nandeha ny tora-bato sy ny vely vata-kazo, tsy nahatanty ny iray ka namoaka antsy ary avy dia notrobarany teo amin’ny tratrany ilay rahalahiny. Tsy vitan’izay fa raha iny efa lavo iny dia mbola narahiny tsindrona in-dray mandeha teo amin’ny sorony. Divi-janahary kely fotsiny no tsy nahavoa an-dranamana ity teo amin’ny fony. Ireo namana niara-nirevy teo ihany moa no nanasaraka azy mirahalahy sy nitondra azy ireo teny amin’ny hopitaly. Samy voa mafy tokoa izy mirahalahy satria ny iray voatsindron’antsy in-droa, ary ny iray voavely vatan-kazo teo amin’ny lohany. Rehefa nampahafantarina io zava-nitranga io ilay vehivavy dia tsy nahasahy nipoitra mihintsy. Samy nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana avokoa ny roa tonta.
Aina R Midi Madagascar
novalian'i Fiffi ny 15/11/2006 19:52
2. Hubert ( 13/11/2006 09:49)
loza retsy izany fiffi an'iza ary no faute @'zany.
fa diso ihany aloha iretsy mpirahalahy no niady ka nifamono e, na de mafy aza ny toerana misy ny tsi1.1
3. vale ( 13/11/2006 11:20)
:? loza kou izany, ilay vhv no tena faute, na tsy nahalala aza izy oe mpiraha lahy de tokony tsy hiaraka @ olona 2 izany! iretsy izy 2 lahy niady nifamono mihintsy koa moa de tena adal! sipa izay tsinontsinona ery akory, tsy vitan'izany fa efa natambany tao au lieu de hiray hina hiteny ny tsy mety hataon'ilay sipa izy 2 indray no miady, hihihihi:^)
4. Fiffi ( 13/11/2006 13:44)
na izany aza ! tsy azoko hoe fa naninona izy mirahalahy no nifamono tahak'zao ?:(
5. Hubert ( 13/11/2006 14:59)
jamban'ny fitiavana io e!
tsy ny saina no nibaiko fa ny fo rano mafana:snif:
6. sipagasy ( 13/11/2006 16:59)
mampalahelo nefa lokin'ny hehy koa aho hoe; izay vehivavy maro be eran-tany ve ka iadivana hihihih
7. Fiffi ( 13/11/2006 17:08)
sady mpirahalahy.....:(
8. prime ( 14/11/2006 10:20)
Nefa izy mitsam izao raha nahay nifanaraka vita tanteraka izany sipa izany an...
9. Fiffi ( 14/11/2006 19:55)
fa mba sahisahy koh le sipa an ! zany ve de tsy ho fantany hoe mpirahalahy ry zareo ?
10. fijo ( 15/11/2006 18:48)
vale,marina ny an'i sipagasy.tsy le sipa mihintsy no diso,fa ry zalahy no vendrana.
maninona izao raha novana ny fihetsika ka izao no natao.hay iray ihany ny antsika mitsam;ndao ary hiarahana manao .dia samy miaraka aminy eo amin'izay tsapany hoe kay toa izapo le miray amin'ny roalahy.
samy mahazo tsirony eo no vita ny resaka
11. belaza ( 15/11/2006 19:30)
marina mihitsy zany ra fijo a, na samy mody fanina eny fotsiny e de mifandimbindimby eo, hanalana azy e sa?
12. Fiffi ( 15/11/2006 19:52)
raha namerina namaky an'io tantara io aloha zah de ohatran'hoe tsy nahafantatra izy mirahalahy hoe sipa 1 hiany no niharahany de zay no nahatonga azy hiady ? sa tsy zany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0837