TOHANO AHO RAHA SITRAKAREO NY HEVITRO

1. jampela ( 06/11/2006 11:19)
Nieritreritra aho hoe:maninona moa raha mba mihaona mivantana isika Mpankafy ny 123Madagascar rehetra eto Madagascar e!
Ohatra hoe atao endrika fitsangatsanganana ilay izy.
dia toy izao ohatra no fandaharam-potoana:
1-asiatsika fotoana hanaovana présentation dia hitantsika ao ry Fiffi,Diamondra27,Jampela,Andry06,...sns dia asaintsika koa i Zoky Hery e?
2-Dia ataotsika endrika débat zao serasera forum izao:ny fitiavana ,antson'ny fo sns...
3-Asiantsika lalao koa dia ireo mpanoratra be dia be momba ny lalao ireo no mpitarika
4-dia asiatsika fotoana hivavahana koa:ho fitondrantsika ambavaka ny rehetra!
5-Dia mihirahira koa isika!hitako fa be mpankafy mozika mantsy ato!izany e?
6-Dia ny Radio vazo gasy no miandraikitra ny sonorisation.
7-Dia ataontsika mamorona tao zavatra vita @ gazety ireo mpanoratra HOY NY GAZETY fa ireo zao mety manana gazety be dia be ohatra hoe akanjo,boaty efamira,...
8-Mino koa aho fa misy Mpitsabo amintsika dia asiana ftoana ho amzany ko!Ohatra eo momba ny SIDA,GRIPE...sns.
9-dia asiantika fanatanjahantena koa:dia mba mifaninana eo tsika e!
10-Dia ny momba ny sakafo indray an:ireo mpahay sakafo no ataontsika mikarakara sady mampianatra ny tsy mahay fa ny rehetra no manao cotisation.
11-dia asiana resabehivavy sy lehilahy koa dia atao @ endrika mampihomehy e!
12-Dia asiana momba ny fanabeazana koa:mifampizara traikefa :ohatra hoe:ahoana no fomba mahomby hahafahana fanadinana,...sns
Izay aloha no noeritreretiko fa zaho mino fa ianao mamaky io mbola manana hevitra hanampy sy hanatsarana azy.Dia misaotra anao!
novalian'i Fiffi ny 07/11/2006 17:15
2. Fiffi ( 06/11/2006 12:20)
fa inona aloha ity 123Madagascar ? ka ny olana koh de zah aloha tsy any Dago ry jampela an !
Ary tsy hitanao angaha fa nisy excursion vao aingana be ange tany Dago niaraka t@ namana sera2 eh ! http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m454453f119591
Raha ny ambiny indray aloha de efa hahitana ny dinika rehetra lazainao ireo eto koh ! sa ve hoe hatao dinika mivantana zany ?
3. sasa ( 06/11/2006 13:32)
jampela efa misy fihaonana matetika ny namana aty dago, ary mbola betsaka mihoatra lavitra noho ireo aza ny zavatra efa vitan'ny namana tamin'ny fihaonana, ny toerana misy ny namana tsirairay avy mantsy d manerana izao tontolo izao, ka ho sarotra ny hanambatra azy hoe ho tonga eo daholo, fa izay mifanakaiky aloha no mifanantona, toy izany koa izao ny namana serasera tany ivelan'ny dago koa efa nisy fihaonana. Fa mba mandehana any amin'io lien lazain'i Fiffi io d ho hitanao daholo ny fihaonana rehetra efa natao.
4. dailynews ( 06/11/2006 15:17)
mandehana ao amin ny fety sy fihaonana dia mety mahita zavatra mombamomba an io ndry, fa misaotra anefa ny amin ny fizarana hevitra e.
5. Fiffi ( 06/11/2006 15:33)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m450d051078b8d de jereo fa io ny programa rehetra ny fihaonana any Dago !
6. jampela ( 07/11/2006 14:50)
Misaotra ny mpamaky fa efa arako tsara fa efa nisy ilay fihaonana fa te hahalala ny réaction-nareo efa mahalala aho hoe :mba misy hamaly ampahatsorana ve aho raha tsy nahalala satria nisy olona nitaraina hoe:nanontany zavatra efa nitranga tato @ namana serasera izy dia tonga dia toy izao hono no novalin'ny namana sasany azy hoe:"aza manontanintany foana e!" Koa mba te hanamarina izany fotsiny aho!Misaotra ô!!!
7. Fiffi ( 07/11/2006 17:15)
mahagaga indray zany !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2491