Ny fitenenan-dratsy olona ve no mety hahalany ho filoha anao

1. kolokanto ( 02/11/2006 22:49)
Pasitera Jules Randrianjoary
Harodana ny mandan'i Satana
« Raha ny fandrodanana ny mandan'i Jeriko no nalaza nandritra ny taona 91 fony nanongana ny Amiraly Ratsiraka ny mpanohitra teto Madagasikara, fa ny mandan'i Satana kosa no tsy maintsy fongorina hoy ny kandida Pasitera Jules Randrianjoary.».....
Madagascar Tribune du 2 novembre 2006
Dia mieritreritra ve ny "candidat" manaratsy sy manambany olona toy izao ( mihevitra ny tenany ho ambony nohon'ny ambony ka sahy mitsara ny hafa) hoe izany no mety hitiavan'ny vahoaka azy?
Maninona raha izay fitaovana am-pelatananao no harangaranga mba haharesy lahatra ny olona fa mendrika ho filoha ianao???



novalian'i fijo ny 08/11/2006 23:20
2. fijo ( 02/11/2006 22:50)
mampalahelo,fa fanao ao mada izy io,nefa tsy itako mihintsy izay ilana azy,sy izay tena vokany
3. Lejim ( 03/11/2006 01:53)
"Raha ny fandrodanana ny mandan'i Jeriko no nalaza nandritra ny taona 91 fony nanongana ny Amiraly Ratsiraka ny mpanohitra teto Madagasikara, fa ny mandan'i Satana kosa no tsy maintsy fongorina hoy ny kandida Pasitera Jules Randrianjoary.»
Mandritra ny 40 andro no hiantsoany ny vahoaka malagasy mba hivavaka isan'andro amin'ny 6 ora maraina ka atao mandritra ny 7 minitra. Ny satana manandevo toy ny fahantrana ny ady an-trano, ny tsy fisian'ny fifandeferana eo amin'ny samy Malagasy dia azo antsoina avokoa ho herin'ny satana ka io no tsy maintsy fongorina raha miara-mitrotro am-bavaka ny isika rehetra."
Madagascar tribune

Tsy olona no tondroiny eo fa olana: "ny fahantrana, ny ady an-trano, ary ny tsy fifandeferana amin'ny samy malagasy."

Tsy manondro olona mihitsy izy eo, ary raha manondro angamba dia tsy olona iray ihany fa malagasy maro, mpitondra, vahoaka, mpanohitra, ect.

Izay aloha ny fahalalako azy e!

Fa aza tapatapahina otran'io ny zavatra zarainao fa omeo ambongadiny mihitsy. lol
4. LazaDaddy ( 03/11/2006 02:30)
raha arak'io io voalazan'i Lejim io tokoa dia tsy olona no resahina fa i Satana :lol:

- i Satana dia ratsy
- ny vokatry ny asan'i Satana dia ratsy
- ny tetik'i Satana dia ratsy

Asa iza indray no andeha handraoka devoly eraky ny minisitera eny Antaninarenina sy ao Ambotsirohitra amin'ity fifidianana ity? hahaha!

5. LazaDaddy ( 03/11/2006 05:23)
marihiko fa tsy politika araka ny hevitr'i Jules Randrianjoary no andresena an'i Satana fa fandraisana an'i Jesosy Kristy!
Ny politika dia tsy inona fa fitaovana eo am-pelatanan'i Satana ihany :lol:
6. jentilisa ( 03/11/2006 07:07)
Tahaka ny mahafitaovana eo ampelatanan'ny olona ihany koa ny politika. Raha hanaovana zavatra ratsy izy no eo ampelatanan'i Satana!
7. kolokanto ( 03/11/2006 09:17)
Ho an'i lejim: ka iza moa no satana resahana mahatonga ny fahantrana eo araka ny hevitr'io teny io???

lejim:Tsy olona no tondroiny eo fa olana: "ny fahantrana, ny ady an-trano, ary ny tsy fifandeferana amin'ny samy malagasy." Fa angaha moa i satana tsy olombelona fa raha ny filazanao azy dia toa lasa zavatra ilay satana.

Hoy ianao: Tsy manondro olona mihitsy izy eo, ary raha manondro angamba dia tsy olona iray ihany fa malagasy maro, mpitondra, vahoaka, mpanohitra, ect.

Raha araka io voalazanao io dia mety mitonona izy izany sa tsia???? Na Jesoa aza teo anatrehan'ny mpanota be indrindra mbola tsy niteny hoe satana ianao. Amiko tsy Andriamanitra izy ka afaka hilaza hoe satana ny mpitondra ny mpanohitra hafa sy ny vahoaka....
Aza dia mihinana ambolony fotsiny fa fakafakao sy diniho tsara io lahatsoratra io!!! :idea:
Ary raha resaka fanankianana sy fanaratsiana ny hafa indray dia efa toa zary fanaon'ny ankabeazan'ny "candidat" mpilatsaka ho fidiana eto Madagasikara ny fanaratsiana ny mpifanohitra aminy.
Hitondra azy ireo ho aiza anefa izany?????
Mety hahalany azy ve izany?:?:
8. tenagasy ( 03/11/2006 09:20)
Mankamamy!

Nilaza zavatra nisy sy marina ny Papa Raimasina vao tsy ela izay fa tsy namorona. Saingy ny "contexte -situation" sy ny fomba nitenenany azy no saika nampipoaka ny loza vokatr'izany, ary nanery azy hamerina ny teniny. Na dia tsy nifona aza izy.

Fantatro, fantatrao, indrindra i Pasitera tsara ny momba io resaka satana io teto Madagasikara tao ho ao. Tsy afaka hilaza fa tsy mahalala ny portée-an'ny fampiasana io teny io izy. Ary amiko dia niniana mihitsy izao. Tsy afaka hiteny koa izy hoe teny tsy voadinika no nambarany. Olona mba hilatsaka ho filoha ihany.

Lafiny iray ihany koa: raha satana "au pluriel" araka ny lazainareo no ambarany, nahoana no nataony lehibe ny S? Mariky ny filazana anaran-tsamirery izany @ teny malagasy, izany hoe hanondroana zavatra tokana matetika.
Manarak'izany: ny fanaovana lehibe ny litera anombohana ny anarana dia fanaporofoana ny fanajana izay tondroina. Ka tsy haiko na ny mpanao gazety no manaja ny satana na izy Pasitera mihitsy.

Mirary soa!
9. Lejim ( 03/11/2006 13:22)
kolokanto:
Na Jesoa aza teo anatrehan'ny mpanota be indrindra mbola tsy niteny hoe satana ianao. Amiko tsy Andriamanitra izy ka afaka hilaza hoe satana ny mpitondra ny mpanohitra hafa sy ny vahoaka.


Na saika tsy hamaly aza aho dia valiako ihany.

Voalohany, ny lahatsoratra nentinao teto dia tapany, inona ny antony. Satria te hadikanao amin'ny tianao handikana azy ilay izy.
Faharoa, araka io voalaza io dia ireo asan'ny satana no manjaka, fa tsy asan'andriamanitra. Tsy misy fanononana olona eo. Ny antony nilazako hoe, raha manonona olona izy dia mety ho olona maro dia satria raha dinihina ireo asan'ny satana lazainy ireo, ny fahantrana, ny ady an-trano, ny tsy fifandeferana, dia olona maro no voalaza ao anatin'izany. Mahafehy karazan'olona maro izany, ary tsy maintsy arodana ilay izy (ilaya san'ny satana mahatonga, manjaka ny satana izany.)
Fahatelo, ilay hoe Jesosy tsy nitonona olona ho satana mihitsy ve?
Sur enao amin'izany?
Adinonao angaha izy nilaza tamin'i Piera hoe: "Miala amiko ry Satana."? Sao dia adinonao marina.

tenagasy:
Lafiny iray ihany koa: raha satana "au pluriel" araka ny lazainareo no ambarany, nahoana no nataony lehibe ny S? Mariky ny filazana anaran-tsamirery izany @ teny malagasy, izany hoe hanondroana zavatra tokana matetika.


tenagasy> manaiky angamba ianao raha ilazako hoe, tsy namaritra i Pasitera hoe pluriel na singulier izany satana teneniniko izany. Fa ny mpanao gazety no nana-Pluriel azy. Noho izany dia tsy mitombona io argument apetrakao io. Tsy maintsy miverina manontany an'i Pasitera indray izany isika hoe, pluriel sa singulier moa ilay "satana"? lol
10. kitjo ( 03/11/2006 13:38)
ko maninona no tsy noroahina h@ zay e!

tokony isan' andro ange zany e....sa?
11. tenagasy ( 03/11/2006 14:15)
Mankamamy!
Ka fampielezan-kevitra vao afaka mandroaka satana ka! Na koa rehefa Filoham-pirenena no mandroaka satana dia eficace kokoa!

Sady tsy tokony ho programam-piangonana ve izany fa tsy prôgramam-pirenena eh! Sa "mpinony" daholo ny vahoaka malagasy iray manontolo? Tadidio fa misy h@ silamo ny malagasy. Tsy fampielezam-pinoana ve no tena azo andraisana an'izao? Satria raha miezaka mandresy lahatra ny olona fa handresy ny satana araka ny finoanao ianao, moa tsy fandresen-dahatra tsotra izao ny olona hino sy hanaraka ny finoanao ve izany? (hoe tena mahavoa io finoana io?)

Ny propagandy dia ekeko fa azo hararaotina hitaomana olona hino izay inoanao. Saingy hors sujet kosa amiko ary fanivaivana ny finoana sasany sahady raha izany no endrika entina hambaboana mpifidy sy aseho ary atao programa hitondrana ny firenena.

Mpino aho ary mankato sy mankahery azy @ ady @ satana. Hahavita be @ izay manandrify azy anie izy. Izaho rahateo aza tsy mahavita ka tsy hitsikera azy @ izany. Saingy ny fahitako azy dia diso ANGLE izy (HI HI HI) amin'io lafiny iray io.

Mirary soa!
12. Lejim ( 03/11/2006 15:05)
Izay indray aloha marina e. Tafiditra resaka finoana ny resaka fitantanam-panjakana, ary mitsipaka an'izany koa ny tenako.
13. fijo ( 03/11/2006 23:13)
marina io voalzan'i lejim io,fa tsy olona no tondroiny eto,fa ny ratsy.
14. xxx ( 04/11/2006 07:23)
fa inona ilay ratsy tiany tenenina zany ry fijo ?
15. fijo ( 08/11/2006 23:20)
ny fahotana no tiany lazaina eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0146