sao misy mahalala ny manjo ahy

1. nenipita ( 30/10/2006 13:09)
manao ahona ianareo, manana probleme toy izao aho.
Efa ho tapa-bolana eo ho eo izay dia tara 6 jours teo ny règle-ko. Noheverinay mivady fa bevoka ny tenako nefa avy eo dia voan'ny tazo indray aho ary avy eo dia gaga izahay fa tonga indray ilay règle noheverina fa bevoka teo ary dia tsy mbola tsy nijanona mihitsy hatramin'izao nefa efa ho 18 jours izay no nandehanany. Efa nanantona dr izahay de nolazainy fa mety bevoka hono fa mety afaka noho ilay tazo nahazo ahy. Ka tena matahotra mihitsy aho . Mba mila fanampiana aminareo izay mety mahafantatra ny tokony hataoko na ny toerana tokony halehako. Misaotra betsaka ny amin'ny torohevitra atolotrareo e.
Manantena valiny avy aminareo .
NB : Efa nisy tratran'io mahazo ahy io ve nareo?
novalian'i watafon ny 04/11/2006 16:26
2. booboo ( 30/10/2006 13:37)
Ndana miverina manatona gynéco (haingana mba hampitony ny saina)
3. nikopol ( 30/10/2006 13:58)
sao nihetsipo be loatra ianao teo aloha teo ? le olona fantako zay voan'ohatr'io fa nisy fahoriana tao amin'ny fianakams, fa tsy naninn aloha izy rehefa avy nijery dokotera e
4. Vaika ( 30/10/2006 17:04)
nenipitia : maika be enao manantona gynéco !
Efa nanantona dr izahay de nolazainy fa mety bevoka hono fa mety afaka noho ilay tazo nahazo ahy

Mahagaga ihany zany valin-tenin-dra-doko izany 8O8O8O
"Mety...mety..." f'angaha dia novinavinainy fotsiny ilay zavatra fa tsy narahany fikarohana lalin-dalina ?
Ahoana no nahafantarany fa bevohoka ? Ahoana koa no nahafantarany fa afa-jaza ? Ary sao dia mbola misy tavela no mahatonga ny règles tsy mety ritra (na hijanona ihany aza dia sao dia mivadika zavatra hafa)
Manantona gynéco fa mila jerena akaiky daholo zany dieny mbola tsy tara loatra.
Efa mba tena précis ihany ny fitsabona ankehitriny ka tsy vitan'ny maka hafanana sy tension fotsiny dia samy miala. Aleo tonga dia ny spécialiste no jerena fa mila atao ny analyses samihafa sy ny échographie sns... Tandremo ny fahasalamana fa sao hanenenana !
5. Simpona ( 30/10/2006 17:21)
8O8O ô ry nenipita a, sao dia efa be loatra ny rà very ?? mamonje mpitsabo malaky sao sanatria misy zavatra tavela ao ka ho simba ao. Dia ialao ireny mpitsabo misalasala ireny fa mila diagnostic matotra izany.
Mirary fahasalamana e
6. kiali ( 30/10/2006 18:55)
sô de ba tsy regle tsony zany fa misy maratra ao anatiny ao de mandeh rà fona fa gyneco mintsy aleh
7. watafon ( 31/10/2006 06:27)
nenipita: raha regulier ny cycle nao d possible ho bevohoka ianao,sarotra ihany ny tonga d hiteny oe afa-jaza kou ianao avy eo , ny tazo marina fa tena mahatonga io fahafahan-jaza io fa ny test de grossesse sy ny analyses isan-karazany no ahafahana milaza izany !
Misy marary alou v nefa izy mbola mande zao sa ?
ny tena mety dia manantona gynéco ianao : misy namana azoko atoro anao raha tianao ! alefako any @ hafatra any ; d zay ary fa mirary soa e!
8. papounette ( 31/10/2006 07:22)
Amiko alo de tsy misy fisalasalana hoe afa-jaza njy raha ny taonanjy no jerena sy ny fandehananjavatra vitsy2 tantarainjy io.
De aza miandry ela mitsy akia fa tonga de manatona Gynéco natoron'i Watafon io fa raha zany efa 18 jours ny saignement njy de efa azo classéna hoe urgent ny hamahana ny pbnjy io.
Zay akia de bon courage.
:-*:-*:-*@ namana rehetra
9. Vaika ( 31/10/2006 10:07)
nenipita : Marina mihintsy ny lazain'i wata fa any amin'ny test de grossesse no atomboka. Prise de sang no fiable kokoa noho ilay test jetable ireny (Clearblue...), noho izany manantona gynéco no tena tsara.
Ny tena maha-important ilay manao test de grossesse (prise de sang !!!!) mantsy dia sao dia tsy afaka akory ilay "oeuf" fa mbola ao ihany ka izay no mitarika ilay "règles" tsy mitsahatra. Misy olona fantatro nanao grossesse extra-utérine ! (ny hamisavisana ny ratsy hono hiavian'ny soa) Izany hoe : ao amin'ny trompe de fallope ilay "oeuf" fa tsy ao amin'ny utérus (échographie) dia tara fotoana (bevohoka ?!) vao nandeha indray ny règles ary tsy nitsahatra. Hay tsy règles no mandeha fa ilay "oeuf" nikiky vaisseaux dia hémorragie kely foana tsy mijanona (dia azo vinavinaina ny tohiny raha vaisseaux ngezangeza no tratra). Ka ialana amin'ny zany no tokony handehanana haingana any amin'ny spécialiste, izy ihany no mahafantatra izay tokony atao.
Mirary fahasalamana indrindra.
10. Vaika ( 31/10/2006 10:17)
Fanampiny kely :
Sao dia mampatahotra loatra ilay tantara fa ny tohiny dia niteraka soa aman-tsara zazakely mahafatifaty roa ilay ramatoa nolazaiko io (atorianan'ilay grossesse extra-utérine) noho ny fanaraha-mason'ny gynéco-ny :D:D:D
11. nenipita ( 31/10/2006 10:19)
manao ahona daholo ianareo , misaotra betsaka tamin'ireo valinteninareo ireo tena andeha hamonjy gyneco marina za fa any marina no tena mlety ahazoana traitement momba azy io. Ilay izy tsy misy marary ahy mihintsy na dia kely aza fa le rà mandeha fona no tena mapatahotra ahy.
Misotra anreo e
12. watafon ( 31/10/2006 11:27)
nenipita: efa nalefako any le izy e! d aza mangataka andro fa antsoy izy e! d mirary osa
papounette: fa taiza foana ndry no zay vao hitako ndray ? :):-*:-*
13. papounette ( 31/10/2006 14:18)
:DMba hitondra fanazavana kely fotsn momba an'le resaka Grossesse extra-utérine:ny fisehony sy ny ahafantarana an'azy hoe manao an'zany ny vhv anakiray.:wink:
GEU:tsy ao anaty Uterus no mipetraka le atody fa matetika tavela any @ trompe(90% des cas) de mitombo ao nefa toerana tsy natokana ho azy.Farany de fissuré na vaky mitsy le trompe ka mahatonga an'le vhv manao hémorragie kely na tena cataclysmique ka mety hiafara @fahafatesana.:snif::snif::snif:
Ny fisehony:
-Manana retard des règles ,matetika efa any @05è semaine d'amenorrhée any.:(
-marary be ny ila kibon'le vhv ary mety hatr@ bas ventre rehetra,tampoka ny fisehony.:{:snif:
-hatsatra be,fanina ary mora torana noho ny tsy fahampiany rà mikorina fa very ao anaty kibo daholo.:{:{
-misy rà somary manopy mainty(couleur sépia)no mivôka
any @ mahavhv mety ho kely ny fivôkany ary mety ho betsaka.Arakarakin'ny fissure ihany.
Ny tokony ho atao:
1- ampatorina izy de ampakarina amboni2 ny tongony.
2-Entina any @ hôpital faran'zay haingana
Satria ny GEU de urgence chirurgical.
3-Tsy omena sakafo na rano aza.
Mialatsiny fa somary lava le resaka ô!
:-*:-*:-*daholo
14. watafon ( 01/11/2006 08:00)
=D=D misaotra anao Dr fa tena mazava mihitsy ny fanzavanao k ! ary ilaina mihitsy satria betsaka ny vehivavy tsy mahafantatra ny fisehon'izy io !
15. papounette ( 01/11/2006 08:48)
watafon:-*:-*de ampio ny tsy ampy akia
nenipita:nanao aôna le izy?mba omeo vaovao akia?
:-*:-*ho an'ny namana rehetra
16. Vaika ( 01/11/2006 10:24)
tena cataclysmique ka mety hiafara @fahafatesana.

Papounette : aïeaïeaïe !
Raha tsy mihazakazaka any amin'ny gynéco amin'izao kosa dia tsy haiko intsony. Marina mihintsy io ary mety ho tonga tampoka fa tandremana tsara (question d'heures rehefa tena manomboka ilay hémorragie be). Fa izay aloha ny momba an'iny catastrophe iny fa somary hiverenako kely fa tsy voatery marary be amin'ny voalohany ka aleo mailo foana. Ilay cas noresahiko etsy ambony dia dès la 3è semaine d'aménorrhée. Soa ihany satria zaza voalohany sady efa zokin-jokina ihany (33 ans !) dia mailo ny gynéco.
Dia misaotra amin'ny fanazavana.
17. watafon ( 03/11/2006 11:32)
papounette:tsy misy madilana hotentenana intsony akia reo an !
vaika: mety efa nande tany kosa angamba izy k !
18. nenipita ( 03/11/2006 16:19)
salut nareo, miala tsiny raha zay ndray vo tonga. Nanao echo hoa aho de toy izao ny valiny :
( presence d'un sac gestationnel intra uterin de 11 mm de GES correspond à 5 SA"

Ary nataony conclusion ny hoe : " sac gestationnel intra uuterin : NON EVOLUTIF"

Fa ho anareo Dr , mitopvy ve ny vokatra mety hiseho amin'ny hoe : vevavy teraka de mbola nisy ahitra kely tavela tany sy ny hoe vevavy afa-jaza ohatra de mbola misy tavela kely koa any?
de ahona koa ny eritreritrareo ny @ io hoe NON EVOLUTIF io? Tsy mitombo ve zany le izy fa de eo fona ?
Misotra
19. booboo ( 03/11/2006 16:43)
:? ...
20. watafon ( 04/11/2006 16:26)
nenipita : efa novaliako any @ hafatra any :-*
ilay oe NON EVOLUTIF : izany milaza fa tsy mitombo ilay izy k izay no nampiverenany anao après une sem mba ahafahany mandray décision !
ny fisehony mitovitovy ihany fa @ retention placentaire izany oe le avy niteraka k misy ahitra tafajanona marary kokoa !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1479