« Handriaka ny rà »

1. Fiffi ( 27/10/2006 07:30)

Tsy misy olona izay tsy mihoron-koditra raha vao hiditra amin'ny sehatry ny fifidianana indray ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara, satria leon'ny korontana lava amoizana ain'olona tokoa angaha ka mitsangam-bolo alohan'ny fotoana.
Hisy rà mandriaka eto raha tsy miroso amin'ny rafitra teteza-mita isika, na ihany koa ny fampihavanam-pirenena. Naroso ny tetika maty paika, toy ny fidirana amin'ny biletà tokana hanalefahana ny hala-bato, saingy tsy nasian'ny teo anivon'ny fitondrana resaka izany, satria mbola anisan'ny lalàm-pifidianana tsara indrindra aty Afrika io lova navelan'i Dadatoa Ratsiraka io.
Na maro aza no nisavika ny fanambarana nataon'ireo ray aman-dreny am-panahy momba io lalàm-pifidianana io, dia ny rora foana no lany, fa dia io miporotsaka io aloha hatreto ny volan'ny kandida isan-karazany amin'ny fanotana ny biletà maro be mba ho arotsaky ny vahoaka mpifidy ho an'ny tena amin'ny datin'ny 3 desambra izao.
Nosakanana ingahy Pierrot Rajaonarivelo, fa manohintohina ny filaminam-bahoaka angaha, ka na dia napetraka aza ny didy fampisamborana dia ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina no vaha olana napetraka ary dia vetsovetso sisa ny an'ireo manina ny tanindrazana hoe: mbola hafa i Gasikara.
Inona no hidiran'ny lohateny hoe « handriaka ny rà » amin'izany ? Misy tokoa satria ny tsy fifanakalozan-kevitra rehetra niseho hatramin'izay no hitambolona ao an-tsain'ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, ka hikotrehana valifaty. Io valifaty io no nosoavalian'ingahy Pasitera Mailhol ka nanambaran'ny fanahy masina indray taminy hono fa hisy rà mandriaka eto raha tsy mivavaka isika. Gaga ny rehetra nandre izany fa mety ho fanahy masina manao politika ve no nirotsaka tamin'ity ambara fa mpaminany mahita fahagagana ity ? Sanatria tsy manivaiva, fa aoka kosa havahana ny analizy politika sy ny filatsahan'ny fanahy masina haminany anao e. Mahay andalan-teny ao amin'ny Soratra masina ny mpitandrina tahaka itony, saingy aza afangaro ny tena izy sy ny vetsovetso, sao lahy ka hifototra amin'ny tena ny tody. Averina fa tsy mamingavinga ny tahaka izao, fa ny teny zato kabary arivo hono ahitana ny marina iray any afara, ka sao ny filazana fa ny famakafakana ny trangan-java-misy no hitaomana ny rehetra hivavaka, fa tsy ambara ho ny fahitana ny zava-miafina atsy ho atsy no ventesina hampangotsoka ny maro ?
Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 25/11/2006 07:56
2. lemenakely ( 27/10/2006 07:36)
Fiffi:

koa raha ny rà mandriaka ve no vaha olana tsy tokony efa tena lasa lavitra ny firenena afrikanina maro:TCHAD, SOUDAN, SOMALIE ,COTE D IVOIRE ,NIGER.....firenena izay rotidrotiky ny ady ary latsaka ao anatin'ny fahantràna tokoa @ izao fotoana izao!
3. sylvain ( 27/10/2006 10:57)
marina ny anao lemenakely a!ary io d tsy misy afa tsy ny mpanao politika no mpanapotika ny firenena,eto koa aloha d tokony ahitsy lé fiteny hoe:fampihavanam-pirenena tsy misy firenena miady eo ary tsy misy vahoaka miady fa ny mpanao politika no mifandramatra lava eo,ka fampihavanany mpanao politika no tsara hiantsoina azy.
4. raygasy ( 27/10/2006 12:29)
Zany an!
Mahazandana sy mety horera raha izany e!
Mampalahelo isika e!!
5. Fiffi ( 27/10/2006 12:38)
raygasy: tsy hisy an'zany kosa fa lery no efa tsy mahita lazaina intsony de izy no mahorohoro ny saim-bahoaka fotsiny !
6. prime ( 30/10/2006 12:31)
Sarotra tokoa ny rà mandriaka fa misy vidiny an... fa ilain'ny mpanao politika izany satria ny ràn'olona latsaka dia karazana sorona @ tany sy Andriamanitra mihitsy...
7. xxx ( 30/10/2006 18:23)
ka ilay mpanao politika koa aie tokony hivavaka e ! na ilay mpanohatra na ilay mpitondra e ! tsimaintsy misy fifandroritaba foana eo , nefa moa nany any ampiangonana aza misy fisarahana ko :-D:-D
8. Fiffi ( 30/10/2006 18:46)
nga ireo mpanao potitika tsy mivavaka ?
9. prime ( 31/10/2006 12:44)
:lol:
il y a "mivavaka" et "mivavaka"...:)
10. Fiffi ( 31/10/2006 18:55)
de inona akia no maha-samy hafa azy ?
11. fijo ( 31/10/2006 21:52)
ilain'ny mpanao politika tokoa ny rà latsaka,saingy mampalahelo,fa ny azy tsy mba halatsany.
12. Fiffi ( 01/11/2006 06:10)
de maninona nefa no hanao an'zany ? de inona le tombontsoa azo avy eo ?
13. prime ( 03/11/2006 07:46)
Masina ny ràn'olona ary Andriamanitra tsy mahazaka izany raha alatsaka amin'ny tany ka izay no ilàn'ny sasany azy satria voaozona ilay mandatsaka ka mety tsara amindry zareo izany handrombahana fahefàna...
fiffi> ny mahasamy hafa azy v? ilay iray mivavaka manandran-tena, ny iray mivavaka manetry tena... izay aloha ny hitako...
14. Fiffi ( 03/11/2006 10:22)
mivavaka manandran-tena, ? :roll:ahoana zany ?
15. unjila ( 04/11/2006 23:10)
de hitaintaina indray zany ny olona ,ho lafo ny hanikohanina ,hitebiteby koa ireo valovotaka antanin'olona ,asa rahoviana isika vao mahay mfanaraka
16. prime ( 06/11/2006 08:28)
fiffi> efa fantatr'indry ihany izany...
17. Fiffi ( 08/11/2006 15:00)
unjila: mino aho fa tsy hisy an'zany an! efa ampy ny vahoaka zay zavatra rehetra nitranga taloha ireny ary nangalany lesona ka ho feno fahendrena @ manaraka!
18. prime ( 14/11/2006 08:39)
Fa mila mitandrina ihany an... t@ fisokafan'ny fampielezan-kevitra t@ alahady izao dia nisy fiara may sy olona vitsy2 naratra teto antananarivo...
19. Fiffi ( 16/11/2006 10:43)
enganie ka ho feno fahendrena ny olona satria efa be loatra zay maty sns...zay !
20. mpanota ( 25/11/2006 07:43)
Iza moa no handatsa-drà sy haratra fa ny samy malagasy ihany
Tokony hoe .Ary ny zavatra toy ireny matetika misy mpandrisika sy mpandrombo fona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1354