500 Millions de $

1. tenagasy ( 21/10/2006 22:57)
Mankamamy ô!!! Na ny pour na ny contre! Enga anie mba tsy ho momba ny firaisan'ireo ka dia mba hiteraka sy hahitana soa tokoa ny fiarahana.
Voaresaka foana moa ilay afera 500M°$.
Asa izay ho fahamarinany aloha fa raha aty @ toerana misy anay: atao hoe tany mahantra, anefa raha mandeha eny andalambe ianao dia ireny fiara raitra indrindra sy niovoaka farany ireny avokoa no mifanjevo etsy sy eroa, manelanelana izany ombieny ny barika harafesina mikodia izay indrisy fa mpitatitra ireo vahoaka madinika tsetsefin'ny .... .
Ka hiverenana @ loha-teny: malaza araka ny re etsy sy eroa aty fa maro tokoa ny ....... fictif aty. Mandroso vinavinan'asa (tsy misy akory) ny sasany, angatahana fanampiana, mahazo, azo ny vola be, rehefa tonga ny mpanaramaso: manofa trano, manofa milina, manakarama mpiasa vonjy maika, ny boky rehetra amin'io efa nomanina, dia faly ny mpanaramaso fa dia mihodina tsara ny raharaha. Vao lasa izy ireo dia samy miala zanako.
Ka amiko io afera 500M°$ io dia torak'izany koa. Tsy nisy vola nafindra na "no-débloquer-n'ny banky" izany akory fa ny contrat sy ny taratasy fotsiny no noforonina (projet, réalisation, ...) tsy misy volan'ny banky nihetsika izany akory, fa rehefa voalamina tsara ny taratasy: ny fanjakana malagasy mamerina ny vola nindramina (kilaingalainga) toy ny mahazatra h@ izay dia io amin'izay no tatazana mangina sy tavanina ary igalabonana sy iainana efa firy taona, tsy miasa tsy manahalaka.
Fintiny: -Tsy nisy vola 500M°$ nihetsika izany - noforonina ny contrat kilaingalainga - rehefa izany mamerina ny vola toy ny nindramina rehetra ny fanjakana - dia io ilay tavandraina. Ary raha izany aza dia mbola nihoatra an'io ny vola azony satria mbola ao koa ny zanabola!
AHOANA NY HEVITRAREO?
Mirary soa!

novalian'i tenagasy ny 25/10/2006 22:49
2. tenagasy ( 21/10/2006 23:27)
Mankamamy!
Ny mety tsy itovizany @ fanaon'ny aty dia izao:
ny aty tena ilay vola fanampiana angatahina no raisina avy hatrany, fa ity 500M$ ity indray dia ilay vola averin'ny fanjakana no ifanarahana ka ahorona sy avily any am-paosy.
Sa ahoana hoy ianareo mpahalala momba izany resaka izany?
Mirary soa!
3. tenagasy ( 23/10/2006 00:42)
Mankamamy hatrany na izany aza!
Raha ny fahitako azy araka izao dia tsy mampiraika ny namana loatra ny lohahevitra narosoko. Asa na ny hevitra na izaho mihitsy no tsy mahasarika! Mba ampio aho hivoarako e!
Na izany na tsy izany, ny zavatra iray azoko antoka dia ity: henatra bevava ho antsika malagasy eo anivon'izao tontolo izao ity raharaha iray ity, satria dia misy olona "ambony" malagasy mahavita zava-mamoafady iraisampirenena mahamenatra loatra toy izao, na marina ny fisian'io na tsy marina. Na Piraiminisitra Lefitry ny Malagasy teo aloha, na ny Fitondrana amperin'asa.
Amiko dia tsy ho afaka henatra isika raha tsy hita ny tena marina amin'izy ity, ka manefa ny sazy sahaza azy na ny mpangalatra na ny mpanendrikendrika.
Mirary soa.
4. fijo ( 25/10/2006 22:17)
efa nisy ady hevitra momba io ka,aza gaga,fa misy manaraka foana ny hevitra rehetra eto na tsy mamaly aza ny sasany
5. tenagasy ( 25/10/2006 22:49)
Mankasitraka indrindra fijo a!
Mirary soa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0534