IZAO TONTOLO IZAO MARARY AVOKOA...

1. victime101 ( 19/10/2006 17:17)
Izao tontolo izao marary avokoa
saina vatana fanahy indrindra ny fo ô...
avia JESOSY malàla
faingana hanasitrana
fa tsy ahitàna fanafody ity areti-mandringana..

Hiran 'i tompokovavy ADELINE izay tiako tokoa izy io entina ahatonga saina antsika mianakavy atao soavaly hiakarana hitadiavana seza fotsiny ihany!
novalian'i bonazy ny 20/10/2006 13:05
2. bonazy ( 19/10/2006 17:53)
ataoko angamba fa tsy ny fiverenana any amin'ny 2006 taona any aoriana ny fanafody ry sakaiza ,fa ny fitadiavana sy fikatsahana vaha olana hiadiana tanteraka amin'ny fahantrana izay fototrin'ny fahoriana sy ny ratsy eto ambonin'ny tany amin'izao fotoana,fa tsy manonofy mana hilatsaka avy any an danitra sa ve mety ho diso ny fiheverako?
3. Fiffi ( 19/10/2006 18:03)
soahiany fa hira fotsiny io an! fa tsy marary zany izao tontolo izao an!
Raha marary zao tontolo izao de efa tsy nisy na inona na inona teto amonin'ity tany hiainantsika ity an!
4. fijo ( 19/10/2006 19:42)
aza manao victime lava izany ,fa olona resy tsy miady ny toa izany
5. Fiffi ( 19/10/2006 20:00)
f'ita hoa eh!
6. caprio ( 19/10/2006 22:09)
fiffi:tena marary tokoa izao tontolo fa saingy aretina mikiky tsy manaintaina fa mety aretina hitondra fijaliana ho an'ny fiaraha-monina ka hoatra fotsiny ireto:taiza no mbola nisy Ray nanolana ny zanany vavy,taiza no mbola nisy lehilahy sy lehilahy nohamasinina tany am-piangonana ka nivady,ary taiza no mbola nisy halatra sy vonoan'olona @andro atoandro be nanahary,ary taiza no mbola nisy aretina tsy mety sitrana(sida) raha tsy @izao androtsika izao,ireo rehetra ireo no atao we aretin'izao tontolo izao koa ahirato tsara ny maso ry fiffi fa sao dia manao ara-bakiteny fotsiny ka rehefa we aretina dia ilay olona marary iny foana akory fa ireo koa dia aretina
7. Fiffi ( 20/10/2006 06:25)
caprio: misy ny marary fa tsy zao tontolo zao eh!
8. caprio ( 20/10/2006 11:19)
fiffi:Eny ary fa ekeko fa tsy izao tontolo e,fa tandremo anefa fa areti-mifindra io rana-bavy an
9. bonazy ( 20/10/2006 13:05)
ny aretina tian\'i Adeline hiraina io dia ireo aretina naterakin\'ny fivoarana sy fandrosoana teo amin\'ny lafin\'ny fiainan\'ny olombelona sy ny fisainany vokatr\'izany na ny fiantraikan\'izany teo fifandraisan\'ny samy olombelona saingy ny mampalahelo dia ny lafiny ratsy no mahazo toerana amin\'ny fiaraha monina eran-tany sy ny fisainan\'ny olombelona, tsapany sy hitany rahefa tonga tao aminy ny antso ka lasa mpivavaka sy mpihira evanjelika tao amin\'ny FAAK izy fahavelony, ireo no aretina ilana fanasitranana hirainy,ankoatrin\'ny aretina vokatrin\'ny microbes avy amin\'ny loto,ka tsy misy anie r\'ilay tompon-kevitra ny zavatra tonga lafatra eto an-tany é!angamba na i Jesosy aza raha hiverina mety ho valalanina ihany ka tsy ho hitany izay hataony fa dia hitazam-potsiny,ka ny mety angamba dia aoka tsy aharo amin\'ny resaka politika ny finoana satria sasanangy samihafa,satria ilay politika izay matetika lainga sy resabe no betsaka toy ny ronono an tavy isan-karazany,fa ny finoana kosa dia zavatra masina ho an\'i=ny tsirairay izay mandray sy mankato ny voalaza ao anatin\'ny soratra masina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1222