14 sisa no tavela !
1. Fiffi
(
19/10/2006 07:02)
Omaly no namoaka ny vokatry ny sivana momba ireo kandida 18 ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, ka 14 no sisa tavela tamin'ireo be finiavana ny ho filoham-pirenena. Ny telo dia ny jeneraly Andrianafidisoa sy ingahy Rajaonah, mpitarika ny Otrikafo, ary ingahy Bema Andriamandroso. Antony : noho ny tsy nahafenoany ilay vola 125 Tapitrisa iraimbilanja ho antoka amin'ny mialohan'ny latsa-bato. Ny momba ny kandida Rajaonarivelo Pierrot kosa dia manana ny zo feno amin'ny filatsahany ny tenany, araky ny nambaran'ny filohan'ny HCC Rajaonarivony Jean Michel, saingy ny momba ny fanamarinan-tsonia teny anivon'ny kaominina no tsy tomombana ka izao nanilihana azy tsy ho isan'ny mpandray anjara izao.
Tsy idirana lalina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, ary tsy dia nahataitra ny maro iny sivana iny raha nahita ny fingana amin'ny fomba rehetra natao tamin’ity lehilahy ity.
Fomba ahoana tokoa no ahafahany manao antsakany sy andavany ny taratasiny raha tsy avela halalaka ny tenany ? Ny HCC izao no nanambara fa manana ny zo hahafahany milatsaka ity olona tavela any ivelany ity, ary mazava ho azy fa nisy izany ny sakantsakana natao taminy matoa tavela tahaka izao izy. Ireto ireo kandida voahosotra fa ara-dalàna ny momba azy ka afaka hifaninana amin'ny datin'ny 3 desambra izao.
Naivo kely Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 16/11/2006 10:43
2. Fiffi
(
19/10/2006 07:10)
1-Marc Ravalomanana
2-Jean Lahiniriko
3-Norbert Lala Ratsirahonana
4-Roland Ratsiraka
5- Herizo Razafimahaleo
6-Pety Rakotoniaina
7-Jules Randrianjohary
8-Daniel Rajakoba
9-Ny Hasina Andriamanjato
10- Philippe Tsiranana
11-Monja Roindefo
12-Ferdinand Razakarimanana
13-Manandafy Rakotonirina
14-Elia Ravelomanantsoa
6. mandrindra
(
20/10/2006 09:52)
avelao ho any izay ho avin'i pierrot fa toa hoe lehilahy mehibe hono i lery, raha tsy diso aho. ny ho avin'ny fifidianana aloha izao no tsara arahina