INONA TOKOA NO ZAVA-NISY TAO TOAMASINA?....

1. sareraka ( 08/10/2006 20:24)
Raha ny vaovao tena mari-pototra dia saika hipetraka tao TOAMASINA tokoa ny fiara-manidina nitondra an'ingahy PIERROT RAJAONARIVELO avy tany LA REUNION .Kanefa dia miaramila no niandry ka tsy afaka nipetraka mihintsy ilay fiaramanidina .Nandrava ny olona t@ gaz lacrymogéne ihany koa ny miaramila avy eo ary marihina fa tsy nisy fifandomana fa dia lasa niparitaka ny olona.Ny hoe hakatona mandritra ny 3 volana ny seranam-piaramanidina ao TOAMASINA dia tsy mbola nisy fanambaràna ôfisialy.

Marihina fa herinandro sisa no miandry an'ingahy PIERROT raha hametraka ny candidature ao @ HCC izy .
Ho hitantsika miandàlana eo ihany moa ny tohiny!

Fa dia toa hafàna ihany ny raharaha raha izao no mitohy

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E!
novalian'i Fiffi ny 10/10/2006 21:10
2. Fiffi ( 08/10/2006 20:48)
sareraka:
Fa dia toa hafàna ihany ny raharaha raha izao no mitohy

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY E!
raha ny momba an'io aloha de possible hoe tsy marina raha mba nanisy fahendrena kely i pierrot satria fantany tsara ny zavatra hahazo azy raha hiverina any izy!


3. hery ( 08/10/2006 22:29)
Raha mikatona ny aeroport any Toamasina... maninona no tsy ao Antananarivo i Pierrot Rajaonarivelo no miditra?

Tsy hitako mihitsy izay mampatahotra azy. Hirotsaka ho filohan'i Madagasikara iray manontolo anie no hahatongavany any e... tsy ho filohan'i Toamasina fotsiny.

Mahagaga ihany.
4. colar ( 08/10/2006 22:31)
za njay alo d mampirisika azy we ndana e,hita tsara am zay fa mbola dahalo ny gasy fa ra vo candidat atahorana d gadraina,tsssssss, tena mbola poltika ambany fisainana b ny antsika e,zay manelingelina retra d migadra zay,MANGINA NY VAVA, ra hendry ravalo d tokony hampiseho we tsy mataotra nizaniza fa mamimbaoka, tsy matoky tena tsony angamba izy ra zao ka,ra ny zava bitany alo de ok e,fa ra ny poltikany a,tena mbola hita we ambany b,misy manolo tsaina azy fopla mintsy ao,misy mapirisika b ao we gadrao any daol zay b tabataba sy mety ho hanimba ny sezanao prezida a,aza mataotra enao fa zay eto e,hahahahahhah,d iny toko rapresident, fa za alo hanohana azy ihany na d tsy tiko aza ny politikany e,tena marina fa tokony atao ny fampihavanampirenena,
5. lagoon ( 08/10/2006 22:49)
Ny marina dia izao,tsy hilatsaka i Pierrot fa hanimba ny asa vita tao anatin'izay 5 taona izay no tena tanjony.
Fantany fa tsy mana-kery izy satria efa nilatsaka i Rolland Ratsiraka ary ireo mpomba azy dia vitsy kely.
Ary raha tena tsy manavaka izy dia eto Iarivo no tonga fa tsy any Toamasina.
Maninona no manao fanakavahana toy izany?F'angaha mihevitra izy fa tsy manan-daja ny vahoaka mpifidy eto Iarivo?
ARY MANINONA KOA NO TSY NASAINA TONGA TANY TOAMASINA NY VADY AMAN-JANAKA??Sa efa nanomana adim-poko sy rotaka??
6. Robert ( 09/10/2006 03:44)
colar> Oviana no efa fantatra ny didi-mpitsarana izay manameloka an'i Pierrot? Mbola tsy fantatra akory ny dati-mpifidianana.
Raha manana olana @ fitsarana koa izany za de mba hilatsaka kandida @ izay tsy hi-gadra, avadiko resaka politika ny fisamborana ahy.
Ary mino ve nareo fa horaisin'ny HCC ny antota taratasin'io kandida io. Raha izany mantsy de vomanga ny fitsarana malagasy satria tsy misy dikany ireo didi-mpitsarana mivoaka ao. De aiza @ izay ilay atao hoe Firenana tan-dalana sy demokratika.
7. LazaDaddy ( 09/10/2006 04:10)
O rey olona a! Ahirato ny maso fa voaporofo indray izao fa maloto ny politika.

- ny olona ampanantenain-dramose fa samborina sy ampandoavina onitra ary ampanefaina ny sazy izay meloka, kinanjo toa tsy izay no niseho! Sao kosa ary dia tsy meloka izy iny? Sa samy mpiray tsikombakomba ka manahirana ny mifampisambotra?

- raha tsy hosaziana ihany maninona raha omena famotsoran-keloka?

- tsy manana "liberte de circulation" indray izany ny gasy mpivezivezy TNR-TMM fa nakaton'ny tompony ny seranana...
8. ACACIA ( 09/10/2006 06:32)
Raha nahavita heloka tokoa izy dia aoka ny lalana no hampiharina fa ny zavadehibe dia aoka isika mianakavy tsy hifamono
9. kitjo ( 09/10/2006 07:17)
colar> ise ve manaraka vaovao sa dia mitsaingoka fts?

manaraka izay, tsy eto amintsika ihany no misy raha toy izao, raha aty SIngapour manokana tsy misy afatsy olona iray ny avy @oposition ary tsy mahazo miteny, fa rehefa miteny manakiana fitondrana eto dia migadra na alefa sesitany dia ataon fanjakana saisie ny fananany...izay no tsy mampisy mpanohitra eo mihitsy..

fa rehefa any amintsika dia hita foana ny hanakianana azy...diso foana ny gasy ary lazaina fa ambany daholo raha ataony!

lalana io dia tokony arahina na ra8 aza mandikaa azy!
10. zandrypte ( 09/10/2006 07:37)
kandida atahorana ny kandida PIERROT RAJAONARIVELO tsy azony fitondrana lavina izany.raha tsy ataorany izy maninona no tsy navela iditra eto aminy tany sy fanjakana izy dia samborina fotsiny dia vita izay miaro azy azo samborina miaraka aminy tstra be anie izany amiko ny fitondrana mihitsy no mitady korontana stria mi semé trouble aminy vahoaka mba anaovana ilay hoe "quart de tour de vita " izany hoe vo milatsaka fotsiny ravalo de lany anao tout les moyen mba ahalany azy voalohany ekartena ny kandida favori ra mafy izy manaraha procedures
11. kitjo ( 09/10/2006 07:58)
quart de tour? hahahha

zany hoe teny @ HCC nanatitra candidature tnga d declare hoe lany?
mety milay raha izany satria oh zao efa investiture sahady...tsy nisy izao korontana rehetra izao...mahazo manao krismasy sambatra sy milamina ny Gasy

tsy aleo ve izany zandry?
12. jentilisa ( 09/10/2006 08:40)
efa tsara petraka ny zava-drehetra!
13. vakiniadiana ( 09/10/2006 09:44)
Avelao izy ho avy raha sahy e
14. fijo ( 09/10/2006 09:57)
ka hialana io korontana io,no nisakanana ny seranana naika hipetrahany.ka aleo isika milamina e
15. caprio ( 09/10/2006 11:18)
fijo:miteny enao we raha vao manankiana fitondrana dia migadra,zany ve dia tsara @nao?eritsereto tsara fa raha ny fitondrana eto mada no tsy misy mpanankiana dia izay no vita i mada, ary ny vahoaka malagasy tsy azo tapenam-bava fa izay miseho manao fopla eo dia izay no vita ny aminy fa hafa ny taloha,fa @izao tsy azon,i mpitondra anaovana be loha izany intsony fa tsy misy mafy no ilay iraika lahy taloha anie fa rehefa tena mihetsika ny atidoham-bahoaka tsy misy mazaka zany
16. caprio ( 09/10/2006 11:21)
fijo,mialan-tsiny fa tsy i fijo no tiako resahina fa kitjo
17. prime ( 09/10/2006 12:36)
Fomba fiady ny arema io atao maresaka b io nefa tsy misy n'in n'in akory... manipulation io fa mbola hofitahiny isika raha variana miresaka ny momba azy eo...
18. harry5 ( 09/10/2006 13:30)
la verité c que l avion n as pas decoller de l aeroport de gillot ,car l aeroport de tamatave est fermé donc il n as pas pu monté dans l avion meme pas et la il a deja quité l il de la reunion le dimance dans le vol d air mauritius de 19h30 la ou il est actuellement et pense de venir a tana le 12 jeudi prochain, a suivre .....
NB LES RENIONAIS N AS PAS ACCEPTER CETTE HOMMES DE SERVIR LEUR PAYS COMME BASE ARRIERE ET IL A AUSSITOT SE RENDRE A MAURICE
19. prime ( 09/10/2006 13:51)
:wink:
20. Stone ( 09/10/2006 16:58)
Atahora hoy ny sasany, ny tena marina dia hatahorana hamalana na hanondrana na hanao conneries, ka aleo tsy avela hiditra!
Za tsy adalain'la ry Pierrot hoy i Ra8.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085