Pierrot sy ny Padesm

1. lagoon ( 03/10/2006 16:30)
110 taona omaly ny vanin'andro nahalavo an'i Gasikara ary naha lasa zanatany tsotsoka an'i Madagasikara.
Andro fahatsiaravona omaly,ary andro nahatsiaravona ny niambohoan'i Ranavalona 3.
Nefa io andro koa no andro nofidian'i Pierrot hanoratana taratasy any @ Chirac mba hanampy azy @ ho aviny.
Tsy fanajana sy fanompana ny razam-betsika malagasy izao zavatra nataon'i Pierrot izao.Eny mbola miraikitra ao @ ny maha-Padesm azy,ary tsy ho afaka @ io,ary tena mbola mihevitra mafy tokoa i Pierrot fa ny Frantsay no tompon'ity Gasikarantsika ity.
Sady mihevitra ny Malgasy ho Ivoirianina sa Rawandais na Soudanais ity Pierriot ka mandragitra adim-poko.
Olona misaina toy izao ve nama dia atao Filoham-pirenena??
Ny ahy aloa dia mazava ny safidiko e.
Izaho manokana aloa dia voaompa t@ iny taratasy iny e.
Tsy fanaovana tsinotsinona ny Malagasy na maty na velona iny taratasy iny.
Mba omeo ny hevitrareo.
novalian'i Zina ny 06/10/2006 16:33
2. Fiffi ( 03/10/2006 17:48)
jereo ao @ hoy ny gazety fa ao io lahatsoratra io ! Lery manko toa olona tsy misy azon-damosina de mitomany an'i la frantsa hanampy azy :evil:
3. Lejim ( 03/10/2006 20:17)
Izany eo ihany fa ny Politika any Dago izao mihitsy no tsy haiko fandraisana! Tsy hitako iza intsony no mendrika sy azo tohanana![size=8px]I am confused,[/size] tena marina e!
4. ainga ( 03/10/2006 21:08)
Manao ahoana daholo ô !

Izaho kosa ry lejim tsy hampitovy an-dRavalomanana amin-dry Zafy, na Rajaonarivelo !
Na inona tsiny omena an-dRavalo na inona hadisoana vitany dia tsy mitovy amin'ny HARATSIANTSAINA RAIKY TAPISAKA ao amin-dry Zafy na Rajaonarivelo izany.

Mazava izao fa tsy mahita afa-tsy ny fanavakavahana sy ny fiantsoana ADIMPOKO (cotiers/Merina !!!!!!)ireto olona roa farany ireto rehefa hitany fa tsy tafita izy.
Tsy mahagaga raha voateny eto ny resaka PADESM !:evil:
5. fijo ( 03/10/2006 21:26)
ny olan'i pierrotanie dia izao e?ny arema tsy momba azy"jereo fa vao nesorina tsy ho mpikambana intsony izy"tribune androany io.hany ka ny frantsay sisa no hantenainy,nefa ireo koa tsy sahy haninona eo
6. Stone ( 04/10/2006 00:43)
Ny ahy dia tsy dia hitako loatra ny zavatra vitan'i Pierrot afatsy ireny risoriso be tao @ douane ireny t@ fotoan'androny.
7. rabaradaka ( 04/10/2006 13:55)
Tsy fanadino ny tantara ary merci lagoon a. Fa izao koa tsarovy inona moa ny vadin'ingahy Pierrot, avy aiza ? Dia anjaranao ny mamaly ny tiako ambara hoe mifamototra ve ny malagasy sa inona
8. fijo ( 05/10/2006 21:40)
tsy arakay izany fa azavao e
9. lagoon ( 05/10/2006 22:01)
fijo:

tsy arakay izany fa azavao e



Tsy arakao anga ilay ttsy nalefan'i Pierrot tany @ Chirac fa mangataka ny hody izy.Mihevitra angamaba izy fa mbola zana-tany tsotsoka isika.
10. fijo ( 05/10/2006 22:37)
hay,arako iny ka.fa ny frantsay tsy sahy hiditra amin'izany.
11. papala ( 06/10/2006 10:48)
d hozy Ra8 omaly alakamisy hoe : avelao hody aty fa mitonotena ohatry ny lolofotsy !=D aleo ho avy aty fa nga ny frantsay mandidy an'i Mkara ?^:^
12. tenagasy ( 06/10/2006 11:23)
Arahaba samy vitan'ny elabe daholo eh! Dia mankamamy hatrany ny fiarahana ary mankasitraka manokana ireo namana mavitrika rehetra. Tsy dia afaka manketo matetika e! Aza
13. vakiniadiana ( 06/10/2006 11:49)
Tsy mahazaka olona intsony izany Pierrot izany e, resaka ohatr'izany ve no entina hilatsahana ho fidiana ? mihevitra an'i Madagasikara ho Rwanda na Côte d'Ivoire marina ngamba i nedala :evil:

NY tsy hainy anefa dia na any Atsinanana izay fiaviany aza efa tsy tian'ny olona izy. Aoka fotsiny isika samy malagasy mba tsy hanaiky ho korontanin'ny olona mbola mpiasan'ny frantsay rehetra izao.
14. Zina ( 06/10/2006 16:33)
vakiniadiana enga anie mba tsy ho hisy ny rotaka ...
Ratsy fanahy mihitsy lery ka...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0735