mbola tsara avy new york!

1. leah ( 03/10/2006 03:44)
akory aby! leah no anarako ary zaho american. izao mipetraka aty etas unis, fa taloha zaho nipetraka tany madagasikara. Tany m/car, nampiasa niarak'aminy peace corps (am ville mananara nord), ary mba tsy manadino ny teny gasy, mitady vehivavy ary lehilahy fa te hivolana miarakaminaho. efa nadinoko maro be teny gasy, ary zaho tsy mahay teny merina, fa azoko tsara betsimisaraka. raha ianao te hanoratraminaho, soratanga azafady!

misaotra betsaka ianareo, ary manantena fa vetivety hisy email maro ho anaty ny boite email!

veloma,
leah
novalian'i Fiffi ny 15/12/2006 17:02
2. papala ( 03/10/2006 06:03)
tsara be za e! akory leah ! saika hanoratra aminao za fa tsy hitako ny adiresy e!
aiza ny mety ahitana ny adiresinao e !
3. little ( 03/10/2006 06:36)
Eh, ko tsara eky zany Leah fa tsy manadino tany Madagasikara eky e! ke, alohan'ny hanoratana mariny mila adiresy ankitiny e! ziao ity aloha egfa tsara fa mbola maro tadidinao amin'ny teny gasy e! hitanao teny gasy aby raha reo fa tsy misy teny merina sy teny betsimisaraka zany! de mazotoa manoratara sy miresaka amin'ny malagasy aza e! efa hitanao site itoy zao ka de aza misalasala eky e!
4. hery ( 03/10/2006 07:17)
Hanoratra ho an'i Leah? http://serasera.org/namana/index.php?rub=namana/hafatra&asa=post&user=leah tsy mila adiresy email :-)
5. arson ( 03/10/2006 07:28)
tonga soa leah!misotra anao niditra eto @ serasera.de mazotoa miforum e!
6. Fiffi ( 03/10/2006 10:57)
tongasoa leah
tongasoa indray koa i arson ! :)
7. Simpona ( 03/10/2006 12:33)
Mbola tsara leah, Misaotra anao tsy nanadino an'i dago, Mba zarao eto ny fahatsiarovana tsra indrindra ho anao teto dago raha mba mety. :wink::wink:
8. dailynews ( 03/10/2006 14:05)
k'aza manadigna teny gasy zeny drako e. raha efa olo be anao niala ta madagasikara zeny, tsy possible teny gasy drako adigna e... tsaiky mbola hely niala tany fo manadigna zeny otra babandro ndreky mamandro tsy mivolana teny gasy amindro...fa matoky zaho fa ano mahay tsara kale...
tonga soa eto ano zeny leah....tsara eto e.
9. soanja ( 03/10/2006 14:57)
Mbarakaly Leah!
Samby avy antanana aby moa ka de soa.
Ino aby raha azo ambara a New York ao? Tamana ao moa anao io sa mbola meky himpody a Mada agny?
Manorata aminahy fa zah tia miresaky be sady te hahafantatra bebe kokoa anao. Samisara aby agny. Soanja.
10. fijo ( 03/10/2006 21:58)
leah ,eto anao dia afaka manoratra aminay jiaby.tsy manino zeny tianao ,ne manoratra teny tsimihety na ino,fa hainay fô io.ke manantena zay fa handalo matetiky anao e.
11. arson ( 04/10/2006 07:01)
salut fiffi! sotra anao nahatsiaro e!
leah:zeny leah hitanao daholo angamba raha volaninolo jiaby io an!
de mazoto fô re miforum faza malaina e!
12. fiderana ( 05/10/2006 13:24)
karakory leah!
ny vaovao aminandre, tsaiky maro atô vognonô hifanoratra aminao, dia mazotoa ary leah.kara izeigne moa leah no fivolagnana mananara-nord iziô.
13. fiderana ( 05/10/2006 13:27)
raha mba sitrakao leah mba fenognao profil-nao, fa izy ka fenoignô le tsara ê!.
14. Fiffi ( 06/10/2006 08:00)
ié !:)
15. zafimanj ( 26/11/2006 18:58)
Akory nare agny NY agny. Gerald agnarako. Gasy aho ary manohy fianarana vety2 aty NC, Chapel Hill. Mahafinaritra ahy ny miresaka @ peace corps satria olo managna fandava-tegna zare regny. Afaka miresaka maromaro tsika. Miala tigny koa tsy mahe teny Betsimisaraka.

Gerald
leah:

akory aby! leah no anarako ary zaho american. izao mipetraka aty etas unis, fa taloha zaho nipetraka tany madagasikara. Tany m/car, nampiasa niarak'aminy peace corps (am ville mananara nord), ary mba tsy manadino ny teny gasy, mitady vehivavy ary lehilahy fa te hivolana miarakaminaho. efa nadinoko maro be teny gasy, ary zaho tsy mahay teny merina, fa azoko tsara betsimisaraka. raha ianao te hanoratraminaho, soratanga azafady!

misaotra betsaka ianareo, ary manantena fa vetivety hisy email maro ho anaty ny boite email!

veloma,
leah



16. rse ( 15/12/2006 06:34)
Tsara be fa mitsafae!
Miarahaba anareo .Odile ny anarako ary tena gasy aho fa kosa mba mahafinaritra ahy ny toe-tsaina amerikana ka mino aho fa afaka hifanakalo hevitra isika roa vavy.Indrindra raha teny gasy no ampiasaina.
17. Fiffi ( 15/12/2006 17:02)

mba fenoy ry zareo ny mombamomba anreo an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2554