Mbola finoanoam-poana ihany hono

1. soanja ( 02/10/2006 21:09)
Mba nijery ilay tanana nahazatra any Dago tao amin'ny Google Earth hoa izahay. De rehefa tena manondro hoe sao de aty le izy? aiza ny tranon'ian sy ian de manondro le ecran eo aho. Tsy tratra fa nisy nanamboatra ny rantsana fanondroko fa minomino foana hono. Gaga be zah hoe fa ahoana? kay ny fanondroko mivonkona fa tsy sahy manondro ireo toerana akaiky fasana ireo aho na dia eo amin'ny ecran aza. Milaza ny rehetra fa somary voa ihany ny saiko amin'ny finoanoam-poana. Nefa milaza aho fa tsy voa fa izay no nitaizana ahy tsy hanondronondro foana.
Aiza no misy ny marina? Gasy anie aho ka gasy.
2. diamondra27 ( 02/10/2006 22:18)
hummm, tonga any ngah le google earth?
Ary miparitaka vetivety izy izany an!
3. diamondra27 ( 02/10/2006 22:20)
soanja: andramo jerena aloha ny misy anao ao @ ipetrahanao ao. Rehefa hainao tsara ny mampiasa azy de mankanesa @izay any dago( le manondro io fa tsy manao dépmacement an!:lol:), de na dia akaiky fasana aza dia hita foana akia a!

tandremo sao de mandrevy eo an!
4. ravatorano ( 03/10/2006 05:23)
io samy amin ny fitaizany kah
fa zao koa aza adinonao zé resak olona any aza heverina loatra rehefa tsy mety aminao e:roll::roll:
5. caprio ( 03/10/2006 11:10)
ary tena mafy loha be mihintsy nareo zany fa efa imbetsaka za no niteny we aza variana @izany finoanoampoana zany intsony wa fa efa lany andro zany fa ny olona aza efa tonga teny @volana de isika gasy variana @finoanoam-poana,fa na izaho koa anie aza taloha tsy sahy manondro fasana fa @izao za na ireny fasan,i panjaka taloha ireny aza efa sahiko ny manondro azy ary efa imbetsaka za no nanondro fasana fa mbola tsy maninona za zao refa tsy matoky enao de hiriko ny hifankahita @nao de eo himasonao za no manondro fasana na mamono ireny lolo lazain-tsika fa lolom-paty ireny de mino aho fa horesilahatra hiany hianao any aoriana
6. booboo ( 03/10/2006 11:22)
Ambadiky ny finoanoam-poana matetika misy hevitra, fahendrena, fahalalana tiana ampitaina foana, araka ny hevitro a. Satria ny Malagasy tia miolankolana zay dia tsy tenenina mahitsy ny raha. Dia mety miha-very dia niova tsikelikely, araka ny fotoana, teny ny tena tiana ampitaina....

Mety any @ resaka fanajana ny olo efa lasana angamba no antony, tsy fantatro...
7. hery ( 03/10/2006 11:45)
Misy faritra maro ao Madagasikara, tsy azo atao ny manondro olona @ fanondro sy amin'ny molotra. Fanajana olona izany. Ka inoako fa mifandray amin'io koa ny resaka fanondroana fasana.

Fa ny tena zava-dehibe dia hoe, na dia tsy mino (na tsy minomino foana) intsony aza ianao... dia aza manao izay manafintohina ny olona izay mino izany. Tsy hisy vokatsoa ho anao mihitsy ny manondro fasana eo anivon'ny fokonolona iray manontolo izay mbola manana izany fady izany.

Izaho rehefa mandeha any ambanivohitra dia voaarako daholo ny fady rehetra... na dia tsy manana fady na dia 1 aza aho. Fanajana ny finoan'ny hafa koa izany.
8. soanja ( 03/10/2006 12:14)
Hery sy booboo> Izay indrindra manko. Ny fanajana ny hafa no nahatonga ahy toy izany fa tsy hoe akory minomino foana fa ny olona indray no milaza amiko an'io. Satria efa any Mada ianao ka mankany ambanivolo any dia izay daholo no atao. Dia mahavariana ahy ny olona sasany milaza fa fandanianandro sy finoanoam-poana izany satria ny fanaovako an'izay akory tsy hoe handaniako ron-doha fa miodina tsara ihany ny fiainako. Koa dia misaotra anao manamafy ny fomba fisainako.

Caprio> Le hoe ho any amin'ny volana aloha mety tsy ho tratrako fa ny ankoatr'izay ezahiko. Ary aza vonoana izany ny lolo-paty fa sarobidy amiko ireny. Malahelo be zah raha mamono biby eo imasoko ianao. Raha toa moa ianao ka te hihaoana amiko indray andro any.
9. ninih ( 03/10/2006 13:39)
izao kosa aloha e, misy ny fomba fa misy ny finoanoam-poana tokoa! ka tsy azo afangaro izany!
10. soanja ( 03/10/2006 14:40)
Misy tokoa ny tena finoanoampoana ary io iray io de mety tafiditra amizay satria tsy hinoako koa, saingy zah indray manaraka ny fomban'ny hafa rehefa any amin'ny tanin'ny hafa raha tsy hoe angaha haningotra aina ilay fanaovana ny fomba na mety hamparary sns. Le fahazarana koa anefa tsy miala amin'olombelona dia lasazatra be an'ilay mivonkon-tanana aho na dia tsy nihevitra mino aho eo ampanaovana izany ka raha fasana no tondroiko.
Miankina amin'ny olona tsi11 tokoa io ary inona no zavadehibe aminy sy ny valeur arahiny.
11. tywa68 ( 22/10/2006 18:46)
marina ny tenin'i Hery ! fanajàna daholo zany ary aleo arahina na dia tsy mazava aza indray² !:wink:
12. Mandefitra ( 26/10/2006 14:51)
Misy antony ao fa tsy fantatry ntsika, na tsy nolazain ny Ntaolo,ka aleo hajaina ny fombantany.Oh,fady tongolo le toerana,mety manana allergie @ tongolo le teo aloha.Oh tsy azo ilomanosana fa misy lolo le rano,nefa ny tena marina rano mody ny ao,ka ra mijabaka ao ianao na henjana @ filomanosana aza tsy ho avotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1735