sarotra ny miteny na mananatra olona amizao

1. ravatorano ( 02/10/2006 06:16)
Gaga b ny nahita tovolahy nifamaly tamin ny olona lebebe iray omaly.Ny anton ilay fifamaliana izany lasa ady saritaka sy savorovoro b teo analakely dia izao : notenenin ilay razoky ilay zandrikely mba tsy hamaky tavoahangy soavaly teo teo amin ny lalana teo akaikin ny petite vitesse iny.Vao maika novakian dranamana koa ny tavoahangy faharoa sy fahatelo izany hoe nakahariny miitsy ilay teny izay fitenenana tsotra.Mbola narahin ilay razandry tena manaraby sy naneso moa izany hany ka dia raikitra aloha ny fifamaliana ary dia velona amin izay ny daroka.nafana b ny savorovoro ka tsy nilanto raha tsy tonga teo ny polisin ny FIP ary nbitondra an ilay razandry sy ny akamany tany amin ny central.
Teny kely fotsiny izany defa lasa ady.Tsy teo ihany fa na hatrany anaty taxi b azaka mahavoahitsaka olona tsy nahy enao na sendra midina ka misisaka hiala dia tsy maintsy misy mimenomenona sy mivazavaza miitsy aza.
Asa na efa mafy tokoa ny fiainana fa tena niova ilay soatoavina malagasy eo amin 'ny fahalalam pomba hany ka toa mihemotra hatrany ny fifandraisan ny mpiara monina eto amin 'ny tanana.
2. fiderana ( 02/10/2006 07:27)
Miarahaba anareo indray ary!
Ngamba efa fantatsika hoe aiza ho aiza no misy ilay toerana hoe petite vitesse, fa raha @ io toerana voalaza ny manan-tsika io dia tsy mahagaga anay miasa ety @ manodidina intsony ny tsy filaminana, satria dia toerana hifamezivezen'ny mpidoroka isan-karazany sy ireo mpivarotena, izay hita fa dia mihamaro tokoa,ka raha @ io toerana io na ny mitovitovy @ io ianao no mba mianatra ny miteny dia ho hitanao fa lasa ady saritaka no hitranga,ny fahendrena dia ny miantso ny mpitandro ny filaminana ihany, satria eo ankaiky eo ihany no misy azy, ary raha eo ianao no miteny dia heverin'ireny olona ireny ho manohitohina ny fiaraha-monina efa zary hiainan'ireo olna ireo, koa aleo ihany rinamana homena izay tandrify azy ny raharaha fa sarotra tokoa ny miteny olona @ izao raha eo @ io toerana io.
3. Fiffi ( 02/10/2006 08:14)
mampalahelo be le toetsaina an !
4. nanoukely ( 02/10/2006 10:21)
Mampalahelo le toe_tsaina tsy misy intsony ny fanajana olon_dehibe de ny fiainana tokoa ve no mahatonga izany sa tsy mahay mifandefitra tsony raha_olombelona ???? indrisy
5. diamondra27 ( 02/10/2006 10:54)
nanoukely: :lol:

zany an!:-*
6. ravatorano ( 02/10/2006 12:39)
ilayu toetsaiana maizao miitsy no tena miha grrave eh
zao enao raha sendra miteny olona lazainy fa miseho mlay fa enao no iza ? sns
manginy fotsiny ny teny maloto mandreraka wa:evil:
7. dailynews ( 02/10/2006 13:19)
raha ny fahitako azy ihany koa dia ilay razandry namaky tavoahangy dia tsy ilay razoky niteny azy ihany no olany fa izy efa manan olana anaty mihitsy ary zarany aza misy olona mandrehitra ny hatezerany tahaka izay higalabonany amin ny haterzerany amin ny fiainana.
tahaka ny lehilahy sasany ohatra izay efa sahirana amin ny fiainana avy any ivelany any dia vao misy zavatra kely ataondramatoa tonga dia iny no lasa ady be..
na ihany koa ireo ramatoa mpampianarta izay tezitra amin ny vady any antrano ohatra dia ny mpianatra izay sendra niresaka kely fotsiny no nahazo olana..
8. soanja ( 02/10/2006 13:37)
Raha ny fahitako azy dia ny fanabeazana any amintsika no misy mikotringa be mihitsy. Tena tsy feno. Ka raha tsy mailo sy mitsinjo ny ho avin'ny zanany ny Ray aman-dreny dia mahazo olompirenena toy ireo isika.
9. vale ( 02/10/2006 15:01)
mampalahelo...mhhhhhhh
momba ilay sendra mahavoahitsaka sns, indray dia tokony hifanao azafady(tsy haiko aloha fa toy izany ny fanaon'ny olona aty aminay na aiza na aiza io, any @ magasin na anaty bus na eny an-dalana,sns ka mba tiako zaraina fa hitako mahatsara ny fifandraisana eo à FM ilay izy:)):wink:
10. Fiffi ( 02/10/2006 20:34)
de mba tsy tonga saina ve ireny olona ireny eh ?
11. naritsimba ( 03/10/2006 10:43)
Marina io voalazan'i ravatorano io, ianao miteny indray no mahazo tsiny ka aleo mangina e!
12. fiderana ( 03/10/2006 10:47)
ngaha hita ê! d\'efa izay aloha no misy ao,ao daholo ny faharatsiana rehetra, hotrany mba leo ihany ny tenanay na dia tia be ilay mirevirevy aza, fa mba tsy ao @ io toerana io kosa aloha ê!, mirevirevy mihirahira kara io na cabaret an! sao mba mihitatra eo indray ny size.tsy mba misy izany mantsy ao, fa raha misy ao ngamba.......asa fotsiny, izay vao tena ho ampoka ny gaigy rehetra:lol::lol::lol::D!.
13. vale ( 03/10/2006 22:33)
naritsimba> manahirana marina, sady tsy vitany hoe mahazo tsiny ihany fa voadaroka ndry zareo koa! mmhhhhhh
14. fens ( 04/10/2006 04:27)
ravatorano: za hanarina fa za mahazaka sady tsy mahay miteny ratsy! lol:-@:-@:-@
15. Fiffi ( 04/10/2006 19:44)
tadidiko tsara ery taloha zany ! tsy mba sahy akory ny hanao zavatra tahak'zany an! zao indray de lasa ny manao adalana no be vava !tena mampalahelo be!
16. ninih ( 09/10/2006 15:01)
mampalahelo marina le izy fa saingy io izany le vokatry ny tsy fahaizana mandanjalanja e! sy mety tsy mahazaka le hanarina ko fa mihevtra ny tenany ho tapitrohatra! fa raha tsy hisy ny hiteny de heveriny fa mety ny hataony de hitariny any @ taranaka faramandimby any mintsy nefa ny ratsy no mora voaray kokoa noho ny tsara raha ny toetra no resahina an! fa aleo ihany omena ny hafatra sahaza azy izay manao² foana e!
17. zo.miarintsoa ( 11/02/2016 11:21)
Ny malagasy lo amin'izao dia ao anatin'ny atao hoe tsy fahaiza-miaina na ny didin'ny be sandry satria efa tsy laitra anarina tsony ny akamaron'ny ankizy amin'izao, ny Ray amandreny sairana amin'ny fitadiavam-bola de manao ny ditrany ny ankizy, de ny lehibe mampiasa ny sandriny, de mila ady aman'olona fotsiny, lasa tsy mahay mifandefitra tsony ny olom-belona amin'izao, satria mafy ny fiainana, zany lo ny fahitako azy fa aza ny anareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4329