Mythomane!

1. xxx ( 18/09/2006 23:36)
Mba saika hanontany anareo namana re ry zareo e! Inona no tokony hatao amin'ireny olona mythomane ireny? Ilay tia mitantara valamaty izany e!
Tsy izany mantsy fa tao anatin'ny olana goavana aho no sendra olona nanolo-tena hanampy ahy ary milaza fa izy dia olona ambony mahalala zavatra, manana pouvoir hanavotra ahy amin'ny olako, manambola be hanampiana ahy amin'ny fahasahiranako, sns.
Nandà ihany aho tamin'ny voalohany satria tsy fantatro tsara io olona io, kanefa dia noreseny lahatra tamin'ny telephone, ny mail sy nitenenany ny mombamomba azy rehetra ary dia nino ny fahatsorampony ihany ny farany.
Nandeha teny anefa ny fotoana ary indrisy fa toa tsy misy n'inon'inona mitranga akory fa toa mampanantena sy mangataka fotoana foana no ataony ary mamorona tantara (mythe) isankarazany izy hi-justifier-ny ny tsy fahafahany sns.

Kanefa rehefa tena nataoko ny enquete dia tsy misy marina ny information rehetra nolazainy tamiko na iray aza fa dia tantara valamaty avokoa ary nanenina mafy mihintsy aho tsy nanao izay tokony nataoko tamin'ny fotoan'androny fa nitoky tamin'ny hazo boboka. tsy fidiny re fa dia nahay nandresy lahatra tokoa ilay hazo boboka dia tafaroboka dia nihinambovoka ity ny iafarako, ka mba mila vonjy re, inona no tokony hataoko fa hatramin'izao mbola manohy ihany izy, mbola manjono any anaty mail hoe "efa any aminy any hono ilay vaha-olana" sa juste io fandrika hisitomana ahy indray satria tsy mety mifanoratra aminy intsony aho? Mba valio re fa dia very hevitra! :snif::-$




novalian'i andry08 ny 21/09/2006 15:22
2. majesty ( 19/09/2006 08:27)
:?::?::?::roll::roll::roll:
"Hoy i WILLIAM MILLER indray andro hoe,na dia ho avy rahampitso aza ny Tompo (Izany hoe ho tonga rahampitso ny fara andro)dia mbola hamboly paoma foana aho"

Aza dia manao ariary zato am-pandriana loatra fa aleo atao foana izay ahitana fomba ahombiazana :D
3. HESHA ( 19/09/2006 10:13)
aza mifanoratra aminy fotsiny de vita e. Ianao kou ve efa misy manahirana anao de mbola hiasa saina am zay atao azy eo fa vonoy ny message ny fa aza vakiana hatram farany akory.
Vahaolana hafa sy realiste tadiavina mba tsy hanampy trotraka ny fahavoazana.
Mirary soa !!!!!!
4. vale ( 19/09/2006 12:33)
xxx> ndryyyyyyy:(,rehefa hitanao fa tsy mitàna ny teny ataony ny ol 1 an, dia aza matoky be azy ntsony satry tsy nataotao fona ny fitenenana hoe"ny mamo rehefa manao promesse dia promessen'olona tsy conscient zay" ka rehefa manao an'zany na de indray mpande aza ny olona 1 dia tsy mandrika hitokisana, ataovy afo mandoro ny lamba zay fa ny sisa no tandremo dia mahereza fa marina fa hoe sarotra ny manantena tsy misy ary tena manimba programa marina io, na ny fo koa aza voa ndray2 @ io fa ataovy hanatra @ sisa, zay sisa no azo atao dia ny mampahery, courage:(:-*:-*
5. nanourand ( 19/09/2006 13:54)
fiheverako an'zany mythomane zany anie névériko fa panamôly gaigy lah e! tôskitomane, pire aux mane,... hay ve ka zany izy ity e!

yeah man!:evil:
6. diamondra27 ( 19/09/2006 15:36)
xxx:

efa nanontanianao ve aloha ny antony tsy nahafahany nanome ilay zavatra nampanantenainy.
Indraindray manao zavatra tsy mora.
Indraindray fikasàna ihany ny an'olombelona fa ny didy an'Andriamanitra.

Maninona moa raha milaza izy fa any aminy ny vahaolana ary lazainy @ mail izany; de asaivo alefany mail fotsiny izany scanner-na, de manaraka alefa poste raha tena izy marina.

Tsy fantatra aloha na quel genre d'aide le izy fa io izany no vahaolana fantako fa mety raha resaka azo atao communication ilay olana.
Raha resaka déplacement na zavatra hafa indray dia mila solution hafa ny @izany.
7. diamondra27 ( 19/09/2006 15:45)
Tohiny:

raha tsy te-hifandray aminy intsony ianao dia tokony hazava sy ampahafantarinao mazava aminy ny décision-nao.
Dia tokony tsy hisy arakaraka intsony eo aminareo. Fa raha tsy mazava aminy ilay izy dia ohatran'ny mbola manome fanantenana ihany izany dia izay no mahatonga le quiproquo.

Manaova toy ny mpivady tsy mananjanaka: tsy nifanaraka nefa tsy te-hifandray intsony de samy mifanaja, tsy manome faux espoir ny iray , satria mety mbola tia ilay iray de manatena foana hoe: mety mbola hiverina amiko iny. De atao claire tsara le resaka
8. miantra ( 20/09/2006 08:11)
Rehefa voa indray mandeha ianao dia mba mailo amin'izay , asaivo alefany mail na amin'ny fomba hafa ny porofo fa efa any aminy tokoa ilay vahaolana araka io tenenin'i Diamondra io.
Hazavao aminy ny antony tsy ahazoanao matoky azy tanteraka intsony.

Dia araka izay no hahitanao na hanohy hifanerasera aminy ianao na tsia.

Hoy ny fahendrena malagasy :"Ra-malina aza mifehy hazo tokana"

Mahereza!
9. prime ( 20/09/2006 11:36)
Tsory ny marina fa tsy mety intsony ny itohizan'ny fifandraisana d mety...
10. xxx ( 20/09/2006 17:08)
Ny mahatonga ny mythomanie matetika dia nofinofy tsy tanteraka, choc emotionnel na professionnel. Ohatra hoe olona naniry ho lasa polisy dia tsy lasa. Mba hisatisfaire ny tenany izy dia "mandainga" etsy sy eroa hoe izaho détective. Rehefa mivadika mythomanie ilay izy, dia resy lahatra hatramin'ny tenany fa détective izy, ka sarotra ny hialany amin'izay. Noho izany jereo, raha azonao atao, raha tena mythomane izy :( na tranon-dainga fotsiny mihitsy :evil:

Raha tranon-dainga fotsiny izy, izany hoe mpamitaka olona mba hahazahoany izay tadiaviny, ohatra vola, sexe, enfant, ... dia teneno azy ny nataony. Ataovy tsapany fa tsy mety izany. Dia vonjeo ny tenanao fa aza mihaino izay teneniny intsony, na mety ho marina aza.

Raha mythomane kosa izy dia tsara koa rehefa tapa-kevitra i xxx ny hanapaka, farafaharatsiny ao anatin'ny fotoana voafetra, ny fifandraisana aminy. Tsy dia ilaina tenenina aminy izay antony satria il ou elle ne s'en rendra pas compte. Efa heveriny fa izay mihitsy ny fiainany, izany hoe ilay identité hafa fa tsy ilay izy réel. Ataovy izay mety hanavotanao ny tenanao dia ny mbola tsy nicouler tanteraka ny bateaunao. Raha te hanampy azy i xxx dia omeo conseil izy handeha any amin'ny psy na psy asaina mandray an-tanana ny olany.

Dans les deux cas, aza omena tsiny be loatra ny tenanao satria ny menteur professionnel sy ny mythomane dia samy mahay mandresy lahatra be daholo :-*
11. prime ( 21/09/2006 15:01)
Hummm...
12. andry08 ( 21/09/2006 15:22)
Sady mino izay lazainy nefa lainga noforoniny no betsaka! Misy "but" foana ary indraindray dia mino tokoa ny olona nefa vao noforoniny daholo. Sady ki-sé_tout no mamorona e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3352