A B D n \' ny SERASERA

1. tafita ( 14/09/2006 15:30)
Misy ny A B D n\'ny Teny malagasy
Misy ny A B D n\'ny Toaka
Misy ny A B D n\'ny Pretra
Misy ny A B D n\'ny .........
Koa maninona raha mba asiana A B D n\'ny Serasera
Hoy aho manao teny miera
Tohizo ary eeeeeee

A / -Ambony dia ambony ary misondrotra ihany
Ampiasaina isan\'andro isan\'ora amin\'izany
Ato no ahitana ireo namana maro
Anaty Furum , izay toa mifangaroharo

B / Babo daholo na lahy na vavy
Bosesika hatrany, tsy mba misy adiady
Baikon\'i Hery hanaraka ny fenitra tsara
Be dia be izao ny namana eto Madagaascar

D / Didim-pitiavana no itondrana azy ao
D\'ilay fanajana , toa Didy vaovao
Didian\'i HERY izay misary adala
Dia esoriny mora aza izy ireny mba hiala

E / Entanin\'izany furum izany
Eto no hita ireo mifananihany
Eo no miresaka ireo tena mpinamana
Efa nifankazatra , mifanome tanana

F / Fomba maro dia maro no mety ho hita
Fa enao mety gaga , raha monina any am-pita
Fa tsy ny namana ihany , no hitanao ao
Fa misy dia misy koa ireo mpilaza vaovao

G / Gaga ny maro nahita ny fivoarana
Gina sy nanginy ireo havanam-panarana
G.....

H /

I / Izany hoy aho ka fivoaran\'ny saina
Ianao raha faly dia nahita ho lazaina
Izy dia mora ary fantatrao mantsy
Izy dia tsotra fa amin\'ny teny Malagasay

K / Kely sy bitika teo ampiatombohana
Kanefa dia nitatra, toa nahazo ny vovonana
Ka niely nanakatra ny firenena maro
...........

L /

M / Mivondrona kosa ireo rehetra misera
Miavaka tsara toy ny mifandom-bera
Mankato ny lalàna mba hifanaja hatrany
.........

N / Noforon\'i HERY ho fandaniana ny lera
Nomeny ny anarana hoe SERASERA
Nambabo ny namana maro any am-pita
Nitady ny namana , afa-po sy nahita

O / Omem-boninahitra ianareo mpikarakara
Oadray hoy aho ary toa mihatsara
Ony manjelatra tarafin\'ny volana
O i y e e e izany izy , toa tsy misy ny olona

Hotohizana .....na ho fenoinareo , na hahitsinareo.....

novalian'i miantra ny 20/09/2006 12:07
2. diamondra27 ( 15/09/2006 08:39)
tafita: =D=D=D
za mankasitraka fa tsy mahay manao ABD miala tsiny
3. Angie ( 15/09/2006 10:25)
Tena milay less tafita an.

tena ho avokantsika boky io fa ataovy milay h@ farany e. Miandry ny tohiny zahay
^:^
Ciao elah
4. tafita ( 15/09/2006 10:55)
P / Pazzapa na Njakatiana na ireo mpihira vaovao
P


R / Raran'ny lalàna ny sary mamoafady
Raha sendra tsy nampiozina enao dia azafady
Raha mametraka sary io no tiko hambara
Reo sary tsy maontina , sao dia tsy tsara

S / Sanatrian'izany tsy hoe midoka ny mpandrindra
Santionany mantsy ilay teny tsara rindra
Sambany mantsy amin'ity taona ity
Serasera izao no hamoaka A B D

T / Tonga daholo ny namana rehetra
Tahaka ny olona tsy mba misy fepetra
Tokana mantsy , io tsy mialon-jafy
Te handefa hafatra enao dia eto no malaky



5. Fiffi ( 15/09/2006 22:12)
=D=D=D=D=D=D mahay ianao an!:)
6. Vaika ( 15/09/2006 22:32)
Mahafinaritra be leitsy ry tafita a !
Tena manan-talenta ny ankama !
=D=D=D
7. Fiffi ( 16/09/2006 09:30)
f'ita hoa eh! =D=D=D=D=D=D
8. tafita ( 18/09/2006 08:07)
V / Vao manokatra ianao dia ireo fa mitranga
Voahaingon'i Hery amin'ny soratra manga
Vazivazy , tononkira , kilalao maro be
Voaavaka kosa ao ny resak'olon-dehibe

Z / 'Zany hoy aho ka mba hafa kely
Zovy rey olona no tsy mba hijery
Zavatra tsotra iombonan'ny maro
.............

Hotohizan'i ninih, ary ampian' Fiffi, dia ahitsin'i Angie hi hi hi hi h....
9. mimich ( 19/09/2006 07:01)
tafita< misaotra ee, tafita ny hafatra=D=D=D=D
10. miantra ( 20/09/2006 12:07)
Misaotra e! Mahavita azy daholo !!!!
=D=D=D:):)dia ampy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0622