atraiza ny fetrany fitazizana vatana.

1. boubounezy ( 07/09/2006 08:12)
gaga iany ny tenako fa misy vhv tsy ty miteraka fa mataotra zareo tsy ho tiny vadiny refa bévoka fa @dé ny atao wé bévoka dé matavy. Indrindra fa reo star reo, itako nefa fa misy betsaka iany ny produits miracle, fanalana vergeture ohatra, ny régime protéiné, ny crème sns mba iverenany vatana @ otrany talou. dé mbola tsy mety miteraka iany ry zareo fa aleony manangana zaza na dé tsisy maharatsy ny manangana zaza aza.:o
novalian'i xxx ny 11/09/2006 12:05
2. vahatra22 ( 07/09/2006 08:56)
efa hadalana indray ny azy ry boubounezy a! nefa na haninona na haninona tsy maintsy ho antitra ihany!
3. boubounezy ( 07/09/2006 10:40)
za alou dé tena gaga be mintsy e! ary tena misy association manokana mintsy ho any zareo tsy té iteraka reny. na dé wé samy manana ny safidiny aza ny olombelona tena gaga mintsy aho
4. rasoul ( 07/09/2006 12:09)
matetika koa nge ny vhv ankehitriny jejo e,aiza ve ka vao teraka adiny roa defa hitanao mandehandeha sahady nefa tena misy fiatraikany eo @ toe batany iny rehefa faka fotoana vitsy.taloha matahotra sovoka, tsy miala ao ampandriana raha tsy herin'andro!
sa izany no atao hoe fandrosoana e

5. Simpona ( 07/09/2006 13:11)
Raha apetraka we hatraiza ny fetran'ny fitaizana vatana ngamba dia miankina amin'ny amehana (priorité) eo amin'ny tsirairay io, ary io no mibaiko ny safidiny.
Amin'ny kolotsain'ny sasany ngamba dia tsy dia heveriny loatra ny miteraka fa laeo mananganjaza.indrindra ireo olo-malaza vahiny tkou no tena mpanao an'io.
6. mimich ( 07/09/2006 13:54)
hafa ndray zany. Ny momba aza efa tsy fidiny.
7. Fiffi ( 07/09/2006 14:23)
tsy hainareo ve ity ?

Ny zavatra hatomboka rehetra
Dia hifarana hatreo amin'ny fetra
Efa fantatra , izay niandoha
Dia mbola hisy farany koa

Ny mateza dia tsy misy firy
Fa na misy aza , angamba dia ho kely
Ny hendrika sy ny bika soa
Dia samy ho simba avokoa

Na tanjaka , na hery
Dia mihena , ary koa mihavery
Satria , raha tonga amin'ny fetra
Dia hifarana toy ny rehetra

Na ireo hira , na ny feo manga
Tsy hisalasalana fa angamba
Rehefa lany ny tsiron'ny mamy
Dia ho hadino indray andro ho any

Embonembona sisa no hampi-tsetra
Hisolo hafa toy ny rehetra
Na ny rano mandeha eny henoy
Ireo voninkazo mamony

Ny vorona mikalokalo
Tsy hitoetra fa samy handalo
Handazo ny zava-drehetra
Rehefa tonga ny andro voafetra

Ilay fitiavana mamy aok'izany
Noheverina fa tsy ho lany
Tamin'ny andro ho volan-tantely
Dia hifarana tsikelikely

Satria andanjan'ny izay niandohany
Ka tsy maintsy hifarana hiany !!!!
8. miantra ( 08/09/2006 13:30)
Dia hampiako koa ny hiran'i Fiffi:

REf:fa sao ianao e sao ianao mihevitra
fa ho tanora mandrakizay?
Fa sao ianao e, fa sao ianao mihevitra
fa tsy ho lefy rahatrizay?

1.Vory vahoaka ianao no niserana
Mianjona kely manenjan-daferana
Dia mihevitra ery fa tsy fahita firy
Ny bikanao kanto ka maro mpaniry.......

2. Afaka folo na roapolo taona
.....
An'ny tsi-1-1 akia no mametra araka ny priorité sy ny safidiny.
Tsy mahagaga io fisainana tenenin 'i Boubounezy io raha ny hevitro ,satria raha actrice, hotesse d'accueil Sns... no resahina dia misy kosa ange miankina be amin'ny apparence ilay asa e!

Fa izany hoe na izany na tsy izany dia tsy maintsy miha-antitra daholo.
9. Fiffi ( 08/09/2006 17:18)
tena marina mihintsy io an!
10. madagasikara ( 10/09/2006 12:10)
Ka na hotesse na actrice ry reto dia hafa ihany ny naloaky ny kibo, azo atao ny mampitsahatra ny asa 1 taona mandritra an'iny vohoka sy ny fiterahana iny. Ary ny bika tsy miova zany rehefa avy miteraka fa miverina avy hatrany am ilay taloha ihany. Misy olona efa mahay mikolokolo ny kibo dia izay ihany no tena zava-dehibe. Afaka miverina am asa taloha ihany avy eo ary tsy misy ahalalana hoe niteraka izany eo am bika.
11. Fiffi ( 10/09/2006 13:35)
de rehefa tsy mety miteraka zany izy de fitiavan-tena fotsiny zany ! ny ankizy voahangana fotsiny no hijaly rehefa any aoriana any!
12. miantra ( 11/09/2006 11:29)
Madagasikara ah! mba atoroy izany fanalana kibo sy tsy mampiova bika izany akia fa tena ny anay tsy lasa mihintsy ah!
13. xxx ( 11/09/2006 12:05)
io indray dia samy manana ny vécu ny ny ahy izao satria aho zaza natsangana dia fantatro tsara fa tsy misy mahasamihafa ny nateraka sy ny natsangana raha ohatra ka safidy malalak'ilay ray aman dreny ilay izy. Ny hitako iray koa dia be ny olona manana no manangan jaza satria te hanome chance ho an ireo ankizy tsy manana na ara materialy io na ara pitiavana izy. Ny kolontsaina samy manana ny azy fa tsara angamba raha manaja ny safidin ny hafa e manontany hoe fa maninona tsy manakiana fa miezaka hahazo fotsiny :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0798