I Madagasikara

1. soanja ( 06/09/2006 04:02)
Lasa eritreritra hoa zah hoe mety ho possible ve raha asiana takelaka momba ny fizahan-tany Madagasikara eto ry Hery, fantatro fa efa be ny asanao ary fantatro koa fa lafo be ny rehetra ary misaotra anao eram-po erantsaina izahay, fa mba fangatahina fotsiny sao mba tanteraka. Tsy izany mantsy fa mety ho fun raha samy mitantara ny tanindrazany na izay toerana nalehany tao Madagasikara ka misy azo zaraina tsara amin'ny rehetra, satria mbola be ny tsy nahita izay any ambadiky ny bongo any ohatra nefa mba te hahafantatra. Ahoana ny hevitrareo? Tafiditra ao anatin'io ny kolontsaina'ilay faritra sy izay mety momba azy manokana.
novalian'i soanja ny 06/09/2006 19:45
2. hery ( 06/09/2006 07:16)
Soaja> Anaty fandaharampotoana tokoa io :-). Ny fomba hanatanterahana azy no mila jerena tsara mba tena hisy ilana azy tokoa ny données mivoaka avy eo.
Efa misy koa mantsy ny projet izay andraisan'ny serasera anjara mivantana dia ny http://mg.wikipedia.org ka nisalasala aho teo aloha hoe sao dia tokony ho ao no hipetraka ilay izy. Kanefa hita hoe rehefa ny tena no manao ny structure-n'ny base de données dia mora ny mikirakira azy hiasa amin'ny zavatra maro.
Dia misaotra fa inoana izany fa handroso io tetikasa io rehefa mitsangana eo.
3. ratonga ( 06/09/2006 15:31)
tena hevitra mety mihintsy izany an'i soanja izany
4. cutie ( 06/09/2006 15:37)
za koa mahita we hevitra mety io @zay mba mety ho voatety Mada ray manontolo:P
5. hery ( 06/09/2006 15:58)
Sady ny namana tsirairay ato samy manana ny tanana nihaviany. Mety hifankahita tampoka koa ny mpiray tanàna taloha :-)
6. soanja ( 06/09/2006 19:45)
Misaotra an'i Hery. :-*:-*:-*:-*
Dia mamporisika antsika rehetra handray anjara rehefa tanteraka izany indray andro any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0827