Rolland Ratsiraka: Toamasina aloha jerena

1. hery ( 31/08/2006 07:42)
Resaka nandeha...

Boana Mafilou:

Henoko fa hoe hirotsaka ho filoham-pirenena i Rolland Ratsiraka. Angamba mitondra ilay anarana "Mahagaga", ka mety hanam-bitana tampoka. Kanefa hoy aho hoe, maninona raha tsy Toamasina aloha no atao izay mahamety azy? Marina fa i Ravalomanana dia Maire tao Antananarivo no lany filoham-pirenena, saingy azo ampitahaina ve ny fivoatran'Antananarivo tao anatin'ny fotoana fohy naha-Maire azy sy ny fitotongan'i Toamatsina tao anatin'ny fotoana lava naha-Maire an'i Rolland Ratsiraka? Ny fako eto Toamasina nandritra ny herinandro maromaro nivangongo fa tsy vitany intsony ny nikarakara azy ka voatery ny Region no nandray antànana. Ny urbanisation tsy misy tokotaniny. Raha izaho dia nasehoko teto aloha ny fahaizako mitantana. Vetivety aho dia hahazo ny fon'ny olona amin'izay. Izany hoe aleo tsy milatsaka mihitsy aloha amin'ity dia manana dimy taona hikarakarana an'i Toamasina sy hakàna ny fon'ny olona.
novalian'i genevieve ny 04/10/2006 17:57
2. Fiffi ( 31/08/2006 08:22)
hery:
Vetivety aho dia hahazo ny fon'ny olona amin'izay. Izany hoe aleo tsy milatsaka mihitsy aloha amin'ity dia manana dimy taona hikarakarana an'i Toamasina sy hakàna ny fon'ny olona.
tena marina mihintsy aloha io an! Aleo mihintsy aloha izy tsy hilatsaka raha te-ahazo ny fon'ny olona mba hampisehoany ny zavatra tsara raha mahavita !
Raha te-haka ny fon'ny olona ve izy , de mba ahoana ireny fitsoahana taty ivelany ireny fony nahafatesan'ny olona maro be t@ haretina dengue sy CHIKUNGUNYA ireny ?


3. ravatorano ( 31/08/2006 11:54)
asa iaareo raha nahita an Ingahy Rolland ratsiraka io tamin ny fandaharana iray tao amin ny TVPlus teto madagasikara izay i Onitiana Realy no manetana ao.
Nilaza mantsy Ingahirainy fa ny mahatonga ireo fako miavosa b ao Toamasina dia noho ireo"fingana maro b ka tsy ahafahan dry zareo miasa"
Ka raha lasa filoha pirenena zany zalah io mety tsy hahavita zavatra miitsy satria hihamaro indray ny mpamingana na ivelany na anatiny d aoana zany
ntsssss
asa aloha fa izy d niteny miitsy fa manana erijika ny ho lany e !
4. Fiffi ( 31/08/2006 12:01)
fa rehefa tsy lany zany , eny na de ben'ny tanana aza de tsy hanao na inona na inona fa havela hihavosa ao ny fako ?
5. prime ( 31/08/2006 14:05)
Hitako iny, ny fingana mahazo azy anie hono ry fiffi, rehefa voaangona hono ny fako dia misy andian'olona manaparitaka sy mametraka fako indray @ alina e...
6. jajaf401 ( 31/08/2006 15:35)
Zaho aloha efa nisafidy an'azy eh, mba aleo izy in-1 fa efa reraka @ Ra8 ehhhhhhhh!
Samy niainga t@ ben'ny tanana reo fa aleo hifandimbiasana ny seza !!!!!!
Samy tsy halehany foana mba aleo miovaova!!!!
7. vale ( 31/08/2006 16:03)
hummmmmmmmm, tsy hitako ry jajaf401 zay miova @zany, lay anarana raika ry mbola eo koa! dia sanatria ve dia hoe : ho faty an-kazotokana isika malagasy e?!!hummmm
8. Fiffi ( 31/08/2006 16:24)
sady tsy ho hadino mandrakizay ny zavatra nataony ! mandrakizay ! eny na de ny anarana mitovy fotsiny aza de efa ....
9. vale ( 31/08/2006 17:37)
izany indrindra ange hoa e,mmmhhhhhhhh
10. hery ( 31/08/2006 17:41)
Ny ahy aloha tsy dia ilay anarana loatra no jerena. Mety tena maniry hiova anarana mafy mihitsy izy :-)

Fa raha marina io zavatra mitranga io sy io nolazain'i ravatorano izay manamafy azy io dia hoy aho hoe tsy aleo marina ve aloha Toamasina no karakaraina? Raha izao aza mantsy dia atahorana ny tsy hanavaozana ny maha maire-n'i Toamasina azy.
11. Fiffi ( 31/08/2006 18:06)
le izy ange ry Hery raha vao voatonona na henon'ny sofina fotsiny le anarana de efa mampandositra eh! na de hoe tsy heritreretina intsony aza ny zavatra niseho , marina raha mba possible hoe tsy miverina avy hatrany ny zava-niseho sy ny fijaliana rehetra ?
12. prime ( 01/09/2006 11:32)
Mila manaporofo amin'ny Toamasina izy fa milay dia mety tafa ihany...
13. fijo ( 01/09/2006 22:06)
marina ry hery fa ilay anarana tsy tokony hitsarana azy.saingy ny olona efa leo anana ka izay maintso dia mampivalana e.
rehefa nojerena koa ilay izy hoe naka hevitra avy aty aloha,dia vao miha manamafy io hevitra mikasika ny anarana io
14. prime ( 04/09/2006 11:36)
:lol::lol:
15. fijo ( 05/09/2006 22:40)
ka tonton no tompon'ny drala ko
16. prime ( 07/09/2006 13:31)
sarotra tokoa an... aza manao ratsy ihany fa ianao sy ny taranakao indray vita avokoa...
17. fijo ( 07/09/2006 22:14)
prime,izay mihintsy.ny loza atao amin'ny firenena anie ka mivaly hatrany amin'ny zafihafy e.efa hita taty ivelany izany.jereo ny tantaran'ny taranaky ny printsy italianina.toa roa taona izao ilay zafikeliny,vao nahazo alalana mba nankany italie.ita koa io tany russie,any azia mbola toa izay,ka aleo ihany mitandrina rehefa mahazo seza.
18. rabaradaka ( 09/09/2006 08:21)
Hilatsaka tokoa ve Ratsiraka Rolad ? Mba manaraha vaovao fa mety tsy hanao ilay zalahy io. Mba manaova analyse politique tsara ho'aho nareo fa mandreraka be ndraindray ny mamaky ny hevitrareo Tena marina e !
19. Fiffi ( 09/09/2006 08:38)
rabaradaka:
Mba manaova analyse politique tsara ho'aho nareo fa mandreraka be ndraindray ny mamaky ny hevitrareo Tena marina e !
Ka inona no hamakianao azy raha mandreraka anao ??


20. prime ( 12/09/2006 15:54)
:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.179