Hody ireo nitsoa-ponenana.
1. Fiffi
(
03/08/2006 07:07)
Injay ary ? Inona koa no tana ho lazaina amin'izany ? Fanontaniana be mpametraka ny mety hiverenan'ireo nitsoa-ponenana tany ivelany momba ny zava-doza nitranga tamin'ny 2002 ireny.
Dia inona no hidiran'ny lahatsoratra amin'izany ? Mbola fanontaniana ihany io saingy ny tsy fantatry ny maro, dia miomana ny hiverina an-tanin-drazana avokoa ireo nandositra tamin'ny fotoan'androny.
Ny Talata maraina lasa teo dia nisy ny fivoriana maika nataon'ireo tafiditra tao anatin'ny raharaha politika teto amin'ny firenena momba ny 2002; ka nanapahan-dry zareo hevitra fa hanao rodobe hiditra eto an-tanindrazana izy ireo.
Ministra roa, mpanao politika telo sy mpanan-kanto roa no nandray anjara tao anatin'ny ady hevitra ka handresy lahatra ny filoham-pirenena niaraka nandositra taminy izy ireo hamonjy ny tanindrazany.
Olana ny fangalana taratasy ao amin'ny masoivoho Malagasy momba io fodiana an-tanindrazana io, satria hifandray mivantana amin'ny fitondrana eto ry zareo, ary ho moramora ny hisambotra anay. Tsy olana io fa hanao rodobe eto izahay ka tsy olana fa hizaka ny vokany raha ho kilasiana ho fahavalom-pirenena.
I Rossy moa dia efa nanambara ny faniriany hiverina an-tanindrazana tao amin'ny onjam-peo tsy miankina iray volana vitsy lasa izay, saingy mbola tsy sahy nanao izany ny lehilahy. Koa midika inona ity fivoriana ny talata lasa teo niala 16 KM tao Paris ity ? Vonona hiditra ny tanindrazany ve ry zareo mpitsoa-ponenana ireto, sa natao ho fandrangitana ny mpitondra fotsiny ? Na ireo mpanao politika na ihany koa ny ministra tamin'ny fotoan'androny dia nandao ny fananany teto no masaka tao an-dohany, saingy ny tsapan-dry zareo dia maro tamin'ny mpitondra teo aloha anie no nahazo toerana ao anatin'izao fitondrana izao e ? Ireo tsy mba nitsoaka aza mbola mitana ny toerany raha tsy hiteny afa-tsy ny ao amin'ny loholona ?
IRatsiraka ve no mampanao izao fivoriana izao, sa misy olon-kafa te-handrangitra ny mpitondra ankehitriny, hampisamaritaka ny sain'ny vahoaka fa ho avy ireo nambara fa fahavalom-bahoaka ?
Hiteraka korontana ao anatin'ny sain'ny mpanara-maso ny toy zao, ka raha vao misambotra ny fanjakana, dia efa izay no vita raha mitamatama. Nisy tamin'ireo mpitsoa-ponenana any ivelany tafaresaka taminay omaly no nilaza fa tsy mahafantatra izao fihaonana ny talata izao, fa ny azo antoka dia vonona ny hiverina eto i Deba, satria hono ny mpitari-tafika tsy mitsoaka an'ady izany.
Dia ho hita eo ny tohiny.
03/08/06 - Naivo kely Madagascar Tribune
Ary i Ratsiraka koh hono ?
"RETOUR DE RATSIRAKA.Le Mfm et l’Arema esquissent actuellement la meilleure méthode pour aboutir au retour de l’ancien président. Leur objetif est une poignée de main entre Ravalomanana et Ratsiraka.
"
novalian'i Fiffi ny 04/08/2006 12:13
2. diamondra27
(
03/08/2006 07:38)
fiffi: aleo izy mba hody e!gasy ihany koa ange ry zareo e!efa mahatsapa ny nataony. Jesosy aza namela heloka mainka fa isika
3. Fiffi
(
03/08/2006 07:46)
diamondra: marina ny andry an! fa tsy aiko hoe inona marina no tena olana @ ireo fihodian'ireo olona ireo.
4. Zoniaina
(
03/08/2006 07:47)
hummm tandremo tsara fa 51% anie no nahalany an'ra8 e, de amizao mety efa niova , hummm ataovy ny analyse fa sao humm......
6. zefa
(
03/08/2006 08:33)
aleo izy hody de mamerina ny fananana norobainy raha nadroba izy na miala tsiny amin ny tany amamonina raha nanao ratsy t@ fiarahamonina sady mianiana fa tsy amerina izany intsony ary mba mitondra ny anjarabirikiny @ fampandrosoana ny tanindrazana na tsy mahazo seza aza de amin izay mamy ny miaina satria mifankatia sy mifandefitra ny malagasy
8. diamondra27
(
03/08/2006 08:41)
zoniaina: tsy misy atahorana izany fa raisina atanadroa daholo ze lany eo e!
zefa: zany nge ho'aho e!
fiffi: mety ho kiali ngambany, lol
zefa: zany nge ho'aho e!
fiffi: mety ho kiali ngambany, lol
11. boubounezy
(
03/08/2006 15:12)
marina mintsy fa aleo zareo mody @ tanindrazany fa zay ny tena slt tsara, dé avelao kou ny helony samy gasy.
13. Fiffi
(
04/08/2006 04:22)
Olana ny fangalana taratasy ao amin'ny masoivoho Malagasy momba io fodiana an-tanindrazana io, satria hifandray mivantana amin'ny fitondrana eto ry zareofa tsy azoko hoe : olona hody any an-tanindrazana ve de misy olana ?
14. diamondra27
(
04/08/2006 08:43)
fiffi: mety hoe: t@ zavatra nataony teo aloha ngamba de matahotra sao de mbola hanakorontana ihany koa rehefa miverina any
asa aloha e!
asa aloha e!
15. boubounezy
(
04/08/2006 08:59)
zay ndray alou no tsy aiko fa mety misy antony zay izy tompony iany no malala azay nefa samy afaka manana sy malala ny masoa azy ny tsirayray
16. Fiffi
(
04/08/2006 12:13)
Olana ny fangalana taratasy ao amin'ny masoivoho Malagasy momba io fodiana an-tanindrazana io, satria hifandray mivantana amin'ny fitondrana eto ry zareo, ary ho moramora ny hisambotra anay. Tsy olana io fa hanao rodobe eto izahay ka tsy olana fa hizaka ny vokany raha ho kilasiana ho fahavalom-pirenena.hay kay nisy an'io tao fa tsy voavakiko tsara le izy ! diamondra , boubounezy: tena possible mihintsy zany an!
