atody sy atina courgette

1. isrine ( 01/08/2006 11:36)
Andramo anie fa tsara.
Rehefa manao courgette sesefana de aza ariana ny atina-courgette, fa fiahazana tsara.
Raha courgette 1 Kg no nalana atiny dia ireto no afangaro aminy.
- atody 5
- farine 5 sotro
- oignon lehibe 1( tetehina madinika)
- atina courgette, tetehina ho madinidinika izay hita fa lehibe.
- sira
- persil voatetika, eran'ny sotro.
Rehefa hanendy azy vao afangaro ireo fa manjary mitsiranoka be raha toa ka omanina mialoha ela be.
Endasina toy ny manendy mofosakay ireny.
novalian'i tyanah ny 14/09/2006 13:54
2. isrine ( 01/08/2006 11:37)
Nisy hadino, na asiana poivre na sakay kely de mety ihany koa.
3. dadin ( 01/08/2006 11:49)
Fa hono ry Isrine, inona no asesika ilay courgette raha toa ka avy nalana ny atiny?
4. andry08 ( 01/08/2006 11:58)
asio toto-kena+atody+creme fraiche+persil+tongolo
5. Fiffi ( 01/08/2006 12:16)
dadin:
Fa hono ry Isrine, inona no asesika ilay courgette raha toa ka avy nalana ny atiny?
de rehefa halana ny nofiny de manao farce totokena+pain de mie+atody+sira+poivre+persil
hafangaro daholo de hatao ao antiny de handrahoana anaty four :miam::miam::miam:


6. xxx ( 01/08/2006 15:02)

noana be tampoka za le :oops::oops::oops::oops::oops:
7. tyanah ( 14/09/2006 13:54)
O ry reto a! mba avereno eto ange le fanamboarana macaron au coco fa tena mba tiako be le izy e ! de ahona ko kay ny fanaovana gatô mille feuille sy ny croissant ho an'izay mahay ? misaotra ô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0812