Mofogasy
1. soanja
(
26/07/2006 13:01)
Zavatra ilaina:
- Dry Yeast (levure) na lalivay 2 sosokelin-dite.
- Kobam-bary 1 kapoaka (na Nestle io na 1 measuring cup)
- Lafirinina 1/5 kapoaka
- Siramamy 1/4 kapoaka
- Ronono na rano mafana 2 kapoaka
- Menaka fanendasana mofo
- Tavi-mofogasy (tsy mety raha tsy ilay avy any Mada mihitsy sady mila folahana anaovana mofogasy matetitetika vao tena mivoaka)
Ny alina atao anaty takoboka na goro na tsatokaty ny koba. Arotsaka ny rano na ronono dia haroana hifangaro tsara. Na somary hafanaina kely eo ambony fatana mba hiray tsara ny koba.
Saronona dia fonosina tsy hivoaka ny hafanana mba himpisavovona ny koba, adiny 4 ka hatramin'ny adiny 8 na atao anaty frigo.
Ny ampitso maraina, avoaka ny tavimofo. Asiana menaka kelikely isaky ny lavaka fa tsy atao be loatra. Arotsaka isaky ny tavy ny koba dia avadika rehefa mendimendy sady ahosotra menaka foana tsy ho may ny mofo.
Asiana ambiny ny koba hijanona ao anaty fitaovana nndomana azy dia tsara ataoa lalivay ho an'ny manaraka sady mamoaka koba tsara. Zany hoe averina ao anaty frigo dia ampiasaiana afangaro amin'ny koba manaraka indray.
Mazotoa homana ary. Raha tsy mety dia lazao eto ihany aho. Tsy mahay ramanonaka aho fa mbola mianatra hatramin'izao fa tsy mety tafavoaka.

novalian'i Achia ny 12/08/2006 16:11
3. Lilie
(
26/07/2006 14:35)
Misaotra betsaka fa hanandrana aho dia lazaiko anareo eto raha mivoaka.
***Ilay kobam-bary ve aloha vary totoina ato an-trano sa ilay efa voatoto @ sachet any @ mpivarotra ireny.Malemy be mantsy ilay voatoto masinina ka tsy fantatro na mety hanaovana azy? Misaotra mialaoha

4. soanja
(
26/07/2006 14:47)
Cutie> rehefa vilany na fasiana azy mangatsiatsika dia mety. Ny ahy moa vilany cocote kely avy any Ambatolampy ireny. Dia io no nataokana hanaovako ilay koba tsy andrahoako n'inona n'inona intsony.
Lilie> Ie ny tena tsara dia ny vary totoina toy ny any Mada saingy indrisy fa tsy hanampotoana an'izany aho dia ilay any amin'ny mpivarotra no vidiana. Ny anay aty moa izany dia any amin'ny mpivarotra mexicanina no misy azy. Harine de Arroz fa mino aho fa misy koa any ampin'ny mpivarotra sinoa. Mazotoa ary o.

7. laracroft
(
26/07/2006 19:44)
soanja: mmmhhh mety ho matsiro koakoa io re7 nao io an, asiana lafarine sy ronono io!:)
8. soanja
(
27/07/2006 08:39)
Laracroft> Andramo anie fa tsara.
Ny mampisalasala ahy kely fotsiny amin'io re7 nomeko io dia aty aminay koa misy fiantraikany ny altitude amin'ny fandrahoana ka asa na ahoana ny fivoakany rehefa amin'ny toerana manakaiky ranomasina sns.

9. LazaDaddy
(
31/07/2006 05:17)
soanja> misy zavatra tena ilaina rehefa manao mofo gasy tsy nolazainao: vato kely na fasika! hahaha!
10. kally
(
31/07/2006 05:34)
Ny koba vita ihany fa misaotra betsaka rankizy fa saingy mba AMPINDRAMO KELY VILANY MOFO O!:-D
11. vale
(
31/07/2006 15:51)
:-D
kally a, hitandry lay moules fanaovana madeleine ireny mety:-D:wink:, dia ataovy @ lafaoro:°)

12. vale
(
31/07/2006 16:22)
LazaDaddy:8O:-w:-w
soanja> misy zavatra tena ilaina rehefa manao mofo gasy tsy nolazainao: vato kely na fasika! hahaha!
13. kally
(
31/07/2006 16:46)
Indry ho'a mankanesa aty ry Vale hanao sakafo isika roa, indry manao mofo gasy, dia izaho manao an'ilay ramanonaka kilaidainga.:-D
15. LazaDaddy
(
31/07/2006 22:13)
vale> tsy misy tsirony le mofo gasy raha tsy somary misy an'ilay fasipasika kely iny ka! Iny no maha samihafa azy amin'ny mofo vazaha. hahaha
16. soanja
(
01/08/2006 04:45)
Tonga hatraty amin'i Sakafo mihitsy LazaDaddy an!:-*:-* Ny mofogasinay mofo vazah o satria tsy misy fasika. Atoa ao antsaina ilay izy ry LazaDaddy hoe fasehana be izy izany.:-*:-*
17. unjila
(
01/08/2006 15:52)
slt .ka raha te ihinana eo ny eo aho tsy mety ve sa tsy maintsy alona 1 andro:lol:
18. vale
(
01/08/2006 21:24)
LazaDaddy::lol:, aza dia manapa-tsinay eo ianao ry Lazadaddy an!hihihihi!:-D:-D:-D
vale> tsy misy tsirony le mofo gasy raha tsy somary misy an'ilay fasipasika kely iny ka! Iny no maha samihafa azy amin'ny mofo vazaha. hahaha
19. soanja
(
02/08/2006 00:40)
Unjila> Tena mila alona 4-8h eo ilay izy vao tena mivoaka ho mofogasy satria izy mivadika iny no manamasaka ny koba ny lalivay ka manome ilay tsiro somary marikivy kely. Andramo anie dia ho hitanao e.
20. LazaDaddy
(
06/08/2006 23:39)
Ary fatana inona no anendasanareo azy ry zareo? Toa goavana be ilay tavy mofo mantsy raha tsy atao @ "plaque chauffante" ngeza be ireny.