IVF (In Vitro Fertilization)

1. soanja ( 08/07/2006 15:53)
Inona no fihevitr'Andriamanitra momba an'io azafady? Resabe mantsy io aty aminay satria nisy Mpampianatra Katolika nanao an'io mantsy taty aminay dia niteraka telo ka nony fantatry ny mpampiasa (ecole Catholique)dia voaroaka tamin'ny asany satria tsy mifanaraka amin'ny finoana hono ny zavatra nataony.
novalian'i prime ny 12/07/2006 09:17
2. ravakamalala ( 08/07/2006 19:03)
mmmmmm!!sarotra ity resaka iray ity!! momba ilay katolika aloha dia tokony fantariny fa anatin ny lalan ny fivavahana katolika ny fandrarana ny fiterahana "in vitro", na dia momba aza ny 1 am izy mivady, dia izay no efa fandaharan Andriamanitra ny fiainany, tsy tokony hanohitra ny sitrapon Andriamanitra izy, fa tokony manangana ohatra raha te hanan-janaka.

Raha ny fijeriko azy manokana indray dia hoe : Andriamanitra nanome fahefana antsika hanjaka amin izao tontolo izao (ny natiora), koa tsy mahazo fahalalahana ve izany isika hampiasa ny saina nomena antsika hanjaka amin ny ovule sy ny spermtzd, ohatra eto ny fikarakarana ny fiterahana in vitro?

NY tena fanontaniana mipetraka dia hoe inn no tena sitrapon Andriamanitra? Ahoana ny ahafantarantsika an izany? :?:
3. ja ( 08/07/2006 19:11)
humm tsara kosa aloha ilay fanontaniana e!
ny olona @ ity resaka oe sitrapon'A/tra ity manko dia izao:samy manana ny "interprétation" ny baiboly daholo ny olona dia indray2 raisintsika @ izay mampety antsika ny voalazan'ny baiboly!
raha amiko manokana aloha dia marina ny hevitry ravakamalala oe"nanome fahefana sns sns...."
raha ny hevitro aloha dia tsy dia hitako loatra hoe inona no tsy maha araka ny sitrapon'A/tra @ izany e!
4. Achia ( 08/07/2006 19:59)
@ izao fotoana zao ne dia maro mihitsy ny mampiasa ny lalàn'olombelona ao @ ffiangonana iray e tsy ny katolika ihany a fa maro eny fana dia atao aza hoe ireny secte ireny dia misy ny fandikana vilana ze lalàna voasoratra hany ka lasa lalàn'olmbelona raha raisina ohatra zao ny hoe fanambadiana de ny katolika zao tsy mamela ny mopera tsy hanambady nefa ny soratra masina tsy nandrara tanteraka fa raha mahazaka izany ol oray na ilay mopera ohatra dia zavatra tsara toy izany koa ny fiangonana iray oe rha tsy mandray fanahy masina ny ol iray de tsy mahazo miakatra alitara ka io raha tsy ilay tena marina no raisin'ny fiangonana de tsy hisy zava-banina io
5. dadabe ( 09/07/2006 01:51)
fa hono hoaa inona aloha ny dikan'ilay hoe

"IVF (In Vitro Fertilization) "

azafady fa tena tsy kopy zah e
6. soanja ( 09/07/2006 03:11)
dadabe:

fa hono hoaa inona aloha ny dikan'ilay hoe

"IVF (In Vitro Fertilization) "

azafady fa tena tsy kopy zah e


Azafady fa hadinoko ny nanazava.
Ny IVF dia fomba fazahoana zaza natokana matetika ho an'ny vehivavy tsy miteraka. Zany hoe tsy afaka mankao amin'ny Uterus-ny ny atodiny (ovule) rehefa masaka na tsy mety mahamasaka mihitsy izy. Ny anton'io matetika dia na misy sakana ao amin'ny lalan-jaza rehefa miala avy any amin'ny ovaire ilay atody. Ka ny fanafodiny raha te hiteraka io vehivavy io dia asiana fanafody izy ka atao aloha izay hanan'ilay vehivavy atody be dia be hamasahana, dia avy eo alaina sokirina ao anaty ovaire-ny ka matetika betsaka mihoatra ny mihoatra ny 12 indraindray. Rehafa vita iny dia alaina indray ny Sperm-ny vadiny dia atambatra hanjary zazakely aty ivelany (bebe eprouvette). Matetika tokoa anefa dia efa lasa zazakely ary velona daholo ireo atody ireo kanefa roa na telo na efatra ihany no averina ampidirina any amin'ilay ramatoa. Ny sasany izany na ampirimina atao ho -frozen mandra-piverenan'ilay ramatoa hitondra azy indray na maty ariana. Ary ny roa na telo nampidirina any iny , ny iray amin'iny ihany no mety ho velona satria malemy ny sasany dia afaka ho azy, ary misy koa anefa ny teraka daholo dia izay no mahatonga ireny miteraka 3 na 4 na betsaka ireny satria nanao bebes eprouvettes.

Ny ankoatran'io mitovitovy fa tsy sahala amin'io dia ny Artificial Insemination. Izay ny sperm ny lehilahy fotsiny no vidiana any amin'ny banque de sperm dia fa any anatin'ny vehivavy daholo ny zavatra rehetra no mitranga. Amin'io matetika dia ny lehilahy no tsy miteraka.


7. fasaly ( 09/07/2006 06:57)
ilaina kosa io ho an'izay mila azy e!
zà zao tena mila an'io kanou!
efa fivoarana be izany ary frequent be mitry any zamérik efa be mpanao fa lafo kalou e! fa tsy hitako zay maharatsy anzany sy hidiran'ny resaka finoana amlay izy mariné ! tena fanina zà:roll::{:{:{:{
8. dadabe ( 09/07/2006 10:47)
Mpandefa : fasaly [ Valio ] 09-07-2006 11:57:49
Lohateny : Re : IVF (In Vitro Fertilization)
ilaina kosa io ho an'izay mila azy e!
zà zao tena mila an'io kanou!
efa fivoarana be izany ary frequent be mitry any zamérik efa be mpanao fa lafo kalou e! fa tsy hitako zay maharatsy anzany sy hidiran'ny resaka finoana amlay izy mariné ! tena fanina zà

inona no ilanao izany ??:roll::roll: sao dia tokony hiar......amiko aza ndry de amizay... :-$

oupsss hay moa fivavahana sy finona kay moa eto :@
9. fasaly ( 09/07/2006 12:06)
dadabe: ka eo njinja tsika zao:wink: zà tsy te hibotsina mandritra ny 9 mois de raha mety dia mba mi interessé ahy io:wink:
10. soanja ( 09/07/2006 12:43)
fasaly:

dadabe: ka eo njinja tsika zao:wink: zà tsy te hibotsina mandritra ny 9 mois de raha mety dia mba mi interessé ahy io:wink:


Tsy mety amin'ny Fasaly izany io satria io dia mibontsina 9 volana tanteraka ny reniny toy ny zaza rehetra ihany fa ny nanamboarana azy fotsiny no mahasamihafa azy.
Ary zaza mivoaka avy ao dia mitovy tsy misy tomika toy ny zaza nateraka rehetra ka raha tsy ny reniny no niteny hoe nanao an'izao aho nazahoako an'io dia tsy misy ahalalana azy mihitsy.
11. fasaly ( 09/07/2006 13:54)
soanja! non! zà vao nahita emmission vao hainga mitry any zamérik ihany, lay ramatoa sady manana vehivavy hitondra vohoka no manana sipa ray manome atody ka azoko hatao, fa au lieu maka vehivavy manome atody zà afaka manome atody try mety veuh zany:roll::°):°):°)
12. dadabe ( 09/07/2006 14:34)
efa hoe avy aty amiko de vita ny resaka:^)
13. soanja ( 09/07/2006 15:28)
fasaly:

soanja! non! zà vao nahita emmission vao hainga mitry any zamérik ihany, lay ramatoa sady manana vehivavy hitondra vohoka no manana sipa ray manome atody ka azoko hatao, fa au lieu maka vehivavy manome atody zà afaka manome atody try mety veuh zany:roll::°):°):°)


Hay izay vao azoko. Hampanao mere porteuse izany Fasaly. Ary ianao no egg donor raha izay. Mety tsara tokoa io ary azo atao tsara ka. Tena mbola in vitro tokoa io fa marina ny teninao lafo dia lafo ary vitsy aty mety manao an'io aty raha vehivavy fa ny hiteraka mihitsy no tiany anie e. Mba mivoaka aminy ilay zaza. Fa ny mividy atody no ataony. Volabe koa mantsy io ka be ny ankizivavy aty manao an'io ho anton'asa (mpanome atody) fa dia miparitaka eran'io ny zanany ka misy manana efa ho 60 nefa dia tsy misy azy ny zanany na ny iray aza. Ny Latino no mpanome atody ary ny African Americans no tena be mpitondra vohoka.


14. fasaly ( 09/07/2006 15:43)
soanja ka ny ahy ny atody mbola tsara beu kou hividy atody veuh hihihihi! fiainana dooly zany an!:wink:
15. soanja ( 09/07/2006 15:49)
fasaly:

soanja ka ny ahy ny atody mbola tsara beu kou hividy atody veuh hihihihi! fiainana dooly zany an!:wink:


Tena betsaka tokoa ny mividy atody raha te hanatsara taranaka. Nisy an'izay ramatoa izay niresaka tamiko indray andro izay hoe ahoana hono fa hividy atody amiko izy satria tiany hisy razana gasy ny zanany satria mba hafa noho ny rehetra fa tsy de hoe Latino foana. Ny fotsy efa mankaleo azy hono.
Ny ahy ny zanako tsy amidiko hoy aho. :wink::wink:


16. dadabe ( 09/07/2006 16:37)
hummm resaka tsy miteraka =momba ve izany le resahinareo sa......:roll: manomboka tsy azoko !! sao dia tokony atao any @ resa behivavy izany aloha e?:roll:
17. fasaly ( 10/07/2006 12:27)
:-D:-D:-D:-D ka zay injinja ! tsy resaka finoana ity farahafaratsiny any amin'ny fiarahamonina sa......!!!:roll::roll:
18. soanja ( 10/07/2006 13:29)
Tsia tena misy hidiran'ny Finoana tanteraka tokoa ity satria nahoana hoy ianareo:
Eto araky ny finoana sasany dia te hitovy amin'Andriamanitra ny olombelona ka afaka manamboatra Aina iray (conceiving) ary manapaka na hovelomina ny aina iray na tsia. Tafiditra ao anatin'ity ny cloning sy ny fiezahana manatsara ny DNA ka mampiasa ny sela ho fitaovana hisorohany ny aretina mialoha rehefa manamboatra ilay zazakely.
Eto koa dia ireo atody be dia be efa natambatra amin'ny sperm ireo dia efa zaza daholo. Matetika 4 raha beindrindra no ilaina nefa 22 no isa azo ary samy efa zaza daholo ireo (embryos) nefa dia hariana na hovonoina. Any no mahatonga an'ity resaka ity ho finoana sy fivavahana. Tsy manaiky an'io hoy aho ny katolika ka izay no mahafinoana sy fivavahana azy eto.
Fa raha fiaraha monina na vehivavy dia tsy hitako ny olana satria afaka manao izay tiany atao ny olona ary malalaka amin'izay tiany ahazahoany ny zanany.
19. prime ( 12/07/2006 09:17)
:miam:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0814