izany ny demokrasian'ny olona!

1. jentilisa ( 08/07/2006 09:14)
Tsy ny resaka fifidianana any amin'ny firenena vaventy fitsiriritran'ny olona no holazaiko eto fa firenena tsotra ihany na dia hoe alohantsika aza ry zareo sy efa lasalasa kokoa. Moa ve sy mendrika fakantahaka ny tahaka izao?
http://jentilisa.blogspot.com/
ao amin'ny tahirinkevitry ny 2 jolay ihany moa no misy ny zavatra tiako lazaina ary nampitondraiko ny lohateny hoe ny demokrasia meksikana. Ho anao tia miresaka politika ary no tena iandrasako hevitra indrindra!
novalian'i fijo ny 15/08/2006 21:56
2. tsoupou ( 08/07/2006 11:33)
Ny antsika anie ry Jentilisa (tena zany mihitsy ve ianao ??? :D) ny saina mihitsy no mbola tsy ao e. Tsy mbola vonona amin'izany hoe FIOVAN-TSAINA na FIOVAN-TOETRA izany ny Malagasy eto Gasikara.
Tsy tantin'ny saintsika mihitsy izany hoe miala amin'ny mahazatra izany. Ohatra fotsiny hoe zatra nisaoty tamboho ny olona iray dé na dia asianao varavarambe volamena aza eo, aleony ihany misaoty ilay tamboho.
Ny fomba hanovana ny toe-tsain'ny olona mihitsy no mila ho dinihina mba hahatsara zavatra.
Fa raha izaho manokana aloha dia mi-encouragé anao hanohy ny fitarihana toy izao.
Mazotoa mi-serasera ary.
3. marozevo ( 08/07/2006 12:07)
Za kosa tsy mba d'accord amin'io paragrafy faharoan'i tsoupou io. Tena misaina ny Malagasy, ary tsy mandà hiroso izy raha tena hitany tokoa fa mahomby ilay zava-baovao aroso eo anoloany. Izy kosa aloha tsy tia manaonao foana, na mitsapatsapa eh..
4. prime ( 12/07/2006 09:24)
Amiko tena hafa mihitsy demôkrasia malagasy... ary azo tsorina aza hoe tsy misy ifandraisany loatra @ foto-kevitra demôkratika nametrahan'ny tandrefana azy... Mahaliana tokoa io demôkrasia meksikanina io saingy ny zava-misy aty amintsika tena mifanalavitra amin'io, ara-kolon-tsaina, araka ny lalàna velona misy, araka ny rafi-pitondràna mijoro, araka ny foto-kevitra hamaritana ny hoe "vahoaka", araka ny vanim-potoana...:wink:
5. arson ( 12/07/2006 13:04)
:miam::miam::miam:
6. fijo ( 12/07/2006 19:38)
za koa dia mahita,ary efa nolazaiko matetika,fa isika tia fiovana,saingy,tsy te hanao ilay fiovana.
"hialao ny tsolotra e",nefa vao miditra birao,dia :"mba hafaingano moa ry papa le aferako,fa jereko enao avy eo an"
7. arson ( 14/07/2006 11:05)
n'aiza2 alehanao tsy maintsy misy fona ny tsolotra e!na de any @ firenena mandroso be aza.fa izao ihany isika 1 1 no afaka mandrindra izany mba ho takotakona,mba tsy hitenenako ho fona tanteraka.
sady zao koa e ny gasy de boka mitaninandro fotsiny,raha vo misy ny fiovana kely de ny fanaratsina no lohalaharana fa tsy mba ny fizotran'ilay izy aloha no jerena de zay vo miteny.hany ka na tokony handroso sy hiova ary ny fiainana de eto ihany no eto.
8. Lalah ( 14/07/2006 22:23)
Marina ny anao ry jentilisa, fa zao raha te ho tafavoaka haingana aloha dia misy zavatra farak izay pitiny tokony ho sorohana ohatra:
- fifanaratsiana entre samy gasy, ao anatiny ny fanaovana teny ankolaka, fandrangitana, eso-teny, izay anisan ny mitory fahambaniantsaina, n aiza na aiza io
- Fieboeboana, te ho zavatra indraindraina foana
be de be fa aleo aloha hianatra de rariva ndray
:P:P:P:P:P:P:P:P:P:P
9. fijo ( 15/07/2006 19:46)
samia mandiny tena dia milamina io e
10. prime ( 17/07/2006 13:39)
hamafisiko, misy ny "demokrasia" sy "demokrasia"...:°)
11. fijo ( 15/08/2006 21:56)
izay indrindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0568