fanangananjaza

1. madagasikara ( 05/07/2006 06:41)
Misy mahalala ve hoe maharitra hafiriana ny fikarakarana ny taratasy amin'ny fananganan-jaza.
Raha mpitovo ve ny tena dia mahazo manangana sa tsy maintsy hoe mpivady ara-dalana?
Ary aiza no toerana antonina voalohany raha hanangan-jaza, ohatra hoe ao Tana?
novalian'i sechat ny 13/07/2006 10:53
2. betty ( 05/07/2006 07:51)
madagasikara : io mety arakaraky ny toerana misy anao. Ny henoko farany dia bloqué ny fanangananjaza any Dago noho ny fanararaotan'ny centre sasany.
sinon, ny cas hitako dia eo @ 18 mois à 2 ans eo.
3. ravakamalala ( 05/07/2006 07:59)
ié bloqué satria nisy trafic d'enfants bdb tany dago. nisy asso 2 izao tratra, fa tena ataovy tsara ny fizahana rehetra alohan ny hidirana lalina sao idiran andro eo!
4. booboo ( 05/07/2006 08:08)
ié mbola bloqué fa vao omaly aho no nijery ny site-n'ny AIM aty Frantsa.
Raha tsy zay dia afaka manangana raha mpitovo fa mila plus de 28 ans ( ny aty frantsa io fa ny tany hafa tsy fantatro ).
Ny faharetany io nolazain'i Betty io koa no fahitako matetika @ témoignages @ forums isa-karazany.
5. madagasikara ( 05/07/2006 13:13)
Hay ve ka ohatr'izany ilay izy e, dia midika izany fa tsy afaka ny hikarakara izany ato ho ato, aleo zany miandry kelikely eo.
Booboo: inona ilay hoe AIM, azonao lazaina ahy ve?
6. dailynews ( 05/07/2006 13:34)
fa mety ohatrinona eo anefa ny lany rehetra rehefa vita ny tts rehetra ary azo tanteraka ilay zaza ?
7. booboo ( 05/07/2006 14:27)
madagasikara > Mission de l'Adoption International fa nafangaroko t@ raha hafa notadiaviko ilay izy fa azafady.
http://www.diplomatie.fr/mai
8. dailynews ( 05/07/2006 15:07)
ary raha mipetraka ao madagasikara ka te hananga-jaza? dia mbola sarotra be tahaka io ihany koa ve ?
9. booboo ( 05/07/2006 16:03)
tsy fantatro fa ny nenifaran'ny vadiko any izy no mipetraka dia tany ihany izy no nanangana ny zanany vavy fa tsy dia be paperasses ohatra ny aty ivelany klou e ! ny faharetany koa tsy aman-taona fa amam-bolana ( 2 volana tafaran'ny nahaterahan'ilay zaza dia efa nody niaraka taminy )...

Ny démarches admin. tsy fantatro :/
10. soanja ( 05/07/2006 18:27)
booboo:

tsy fantatro fa ny nenifaran'ny vadiko any izy no mipetraka dia tany ihany izy no nanangana ny zanany vavy fa tsy dia be paperasses ohatra ny aty ivelany klou e ! ny faharetany koa tsy aman-taona fa amam-bolana ( 2 volana tafaran'ny nahaterahan'ilay zaza dia efa nody niaraka taminy )...

Ny démarches admin. tsy fantatro :/


Booboo a mba azonao hadihadiana amin'ny Nenitoanao ve io azafady hoe raha any Mada ary samy gasy mora ve ny demarche? Aiza avy no aleha sns. Rah tsy mahadiso, misaotra mialoha.


11. sechat ( 13/07/2006 10:53)
Booboo> Mba anontanio marina hoe aky. Ny ahy koa mantsy mba tiako ery raha zaza atsangana ny fan-3. Mbola vao 1/2 aloha izao fa na dia izany aza tsara ho fantatra ihany hoe ahoana sy ahoana ny fandehany (aiza no mijery ny zaza, aiza no manao taratasy, ets...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2515