aona ny hevitrareo @ity dinika iray ity

1. xxx ( 03/07/2006 17:15)
misy mpivady roa zany mpivavaka nefa ny ray @zareo reo manao sipa, de nefa zareo isakiny alahady mandea mivavaka fona de mandray fona zany le raika mpanao sipa iny satria mataotra an-dravadiny kanefa raha vao tsy mandray de tonga de kobony vadiny oe nisy zavatra nataon'ity vadiko ity ngamba tany matoa izy tsy mandray,dia aona no mba hevitrareo @zany.
novalian'i cutie ny 05/07/2006 18:26
2. lapino ( 03/07/2006 17:40)
Raikitra izany ny fifosana e! :)
3. pissoa ( 03/07/2006 17:45)
Amiko, tsy ny tahotra ny vady (Oops, zah kay moa tsy mbola manana :roll: ) na ny Dada, sns no antony handraisana Komonio rehefa mamonjy Lamesa.

Na izany aza, dia tsy tokony hisy afaka hiteny koa fa ny tahotra ny vadiny izy no nahatonga azy nandray, ankoatra ny tenany ihany, na izay niresahany izany.
4. diamondra27 ( 04/07/2006 04:09)
amiko de kristiana anArana fotsiny izy fa tsy mijoro @ maha kristiana azy.

Sao de tokony hanarina kosa.De tokony hifona sy hibbebaka ary mivavaka mba tsy hidiran'ny fakampanahy

de tsy mety le oe: mandray nefa efa mahalala fa mijanganjanga ny tena, eloka bb eo anatrehan'Atra
5. sasa ( 04/07/2006 05:01)
hafahafa ity dinika ity, ary tsy olona 1 no manao an'io fa olona maro mintsy, nefa moa izy efa nampianarina fa heloka ny mandray nefa mijangajanga ka d asakasany izy samy irery izany koa
6. hery ( 04/07/2006 05:14)
Ary ilay mitsikera fiainan'olona sy tsy manampy olona nefa mbola mandray ihany rehefa alahady? :-) Ohatra hoe i xxx izay mahafantatra ny blem-n'izy mivady nefa tsy mitondra vahaolana fa lasa mitantara amin'ny namany hafa izay mbola tsy mahalala hoeo "Jereo rangahy iny manao sipa nefa mandray"... Dia avy eo koa i xxx mba mitsangana mandray :-)

Tsy mitovitovy ihany ve?
7. rapala ( 04/07/2006 06:03)
hery: tsy mitovy kosa é, ny iray mijangajanga ary ny 1 mifosa. Iza no tsy mifosa alou é... heloka be mihintsy ve izany? Mety ho heloka kely2 fotsiny angambany:)
8. hery ( 04/07/2006 07:23)
Rehefa heloka kely izany dia afaka mandray :-)
9. rapala ( 04/07/2006 07:42)
Izaho alou tsy mpandray ka tsy haiko ny momba izany:wink: fa raha heloka kely de mifona, fa ilay heloka be, efa goavan be de na mifona aza to tsy mety intsony:)
10. booboo ( 04/07/2006 08:17)
hihihihihi tsisy heloka kely sy be zany fa rehefa heloka dia tsy mety aby
11. rapala ( 04/07/2006 09:12)
aiza kosa ry booboo, mangalapinana ve de atao mitovy @ mangalatra tomobila?:)
12. booboo ( 04/07/2006 11:16)
ié :°)
13. rapala ( 04/07/2006 12:01)
ny 1 mosary ny 1 rehareha:):):)
14. cutie ( 04/07/2006 20:45)
:-D
toa efa nandeha ary ty dinika ty
15. prime ( 05/07/2006 08:06)
raharaha ity!!!:°)
cutie> nandeha aiza???:lol:
16. xxx ( 05/07/2006 09:27)
Aza mitsara mba tsy ho tsaraina e, tsy hoe pour aho akory a, fa ny mpandray rehetra ange tsy voatery hoe mendrika an'ilay fandraisana daholo e:?: Izany no hibebahana
17. prime ( 05/07/2006 11:32)
Mitsara, mifosa olona, ô lehiretsy a, moramora ihany e!!! manontany rad fiangonana no mety indrindra... Ilazao ny mpitandrina na ny pretra ao aminareo dia aleo izy hanao ny asany fa tsy anjarantsika ny sisa...:lol:
18. cutie ( 05/07/2006 18:26)
Mpandefa : prime [ Valio ] 05-07-2006 13:06:03
Lohateny : Re : aona ny hevitrareo @ity dinika iray ity
raharaha ity!!!
cutie> nandeha aiza???

ary @le forum "fomba malalaka tsy misy bedy moa izy zay "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4557