Ny Jihad (Islam)

1. soanja ( 30/06/2006 00:50)
Ny Jihad : Mission ary ny Ady

Ny Silamo sasany dia mihevitra fa andry faha-6 amin'ny finoana Islam ny ezaka hatao amin'ny anaran'i Allah. Efa nazavaiko moa fa ny Jihad dia ao anaty sy aty ivelany ka ny ao anaty dia ny ady amin'ny fakam-panahy sy ny fahotana sns fa ny ety ivelany koa dia ny fampiharana sy ady hioharana amin'ny anaran'i Allah. Betsaka no niantso an'io ho "Ady Masina" saingy tsy mety amin'i Silamo ny manomboka ady fa tsy masina izany fa rehefa misy kosa ny ady tsy azo hodivirana dia azo tsy maintsy atao.
Ny ady atao amin'ny fihitaran'i dar-Islam (toeran'ny Islam ) amin'ny dar al-harb (toeran'ny ady) no antsoina hoe Jihad.
Hoy I Muhammad hoe " Miadiva amin'ny anaran'i Allah na noho i Allah " Quran 2:244 " Miadiva, vonoy ireo tsy mpino ny Allah amin'ny toerana mety ahitanao azy ireo." Quran 9:5 " Raha mahita tsy mpino Islam ianao dia tapaho ny tendany" Quran 15:10 sy betsaka be tsy voatanisako eto. " iadivo ireo izay tsy mpino amin'ny alalan'i Allah fa tsy ny noho ny andro farany" Quran 9:29

Ny Hadith ny Islam dia manaiky ny herisetra amin'ny tsy mpino (infidels) sy ireo izay miala ny finoana na mivadika finoana raha teraka tao amin'i Islam izy na ka nifidy finoana hafa. Ireo izay (colonized by) nanjanahan'ny Islam dia tsy maintsy manaiky na hanaraka ny finoana Islam na handoa tax. Nisy tradition nilaza fa: "N'iza n'iza nanova ny finoany tsy ho Silamo intsony dia vonoy izy." Hadith 9:45
Ny Hadith no milaza ny valisoa azonao rehefa manao Jihad ianao. Ny iray ohatra dia ny fahazahoana valisoa raha manafay tsy Silamo iray ianao na hoe Martiora. Abu Katad no mitantara fa ny Apostolin'i Allah no nilaza fa: "N'iza n'iza manana porofo na manana vavolombelona fa nahafaty tsy mpino iray dia ny sandrin'io no ho azy sy izay fanany rehetra..." Hadith 9:213 Ary fanaovana martiora dia fahazahoana tsy misy sakana ny paradisa sy ny voninahitra ho an'ny fianakaviany.

Na ny Quarn na ny Hadith dia samy nilaza herisetra momba ny Jihad ary nisy koa aza Jihad amin'izy samy Silamo toy ny tamin'ny adin'i Iran sy Iraq. Samy nilaza ny mpitondra an'ireo olona ireo fa samy ho martiora ary hahazo ny paradisa izay maty eo noho ny ady amin'ny tsy fanarahana ny lalan'i Islam izay hitan'ny andaniny sy ny ankilany avy. Ireo dia samy mino ny Islam ary samy firenena Islamika.
novalian'i booboo ny 03/07/2006 12:25
2. ann ( 30/06/2006 07:35)
misy lalana ny mikasika io ry sonja fa tsy hoe rehefa mila hanao enao de manao ,ny mikasika zy dia mila fahanzoandalana avy @ prophet fa @ zao androtsika izao dia mila mahazo alalana avy a@ ireo mpitarika[leader].
3. soanja ( 30/06/2006 12:02)
Marina izany saingy tsy mampiova ny zavatra voasoratra ny maha Jihad azy ka na leader ary anie olombelona e. Tsy ny resaka (Fatwah) no tianao resahina eto? Ahoana izany ny fandraisan'i Ann ny resaka Iran sy Iraq , iza no manana ny rariny eo? Iza izany no miady ho an'i Allah . Ianao ve tsy mahatsapa fa masiaka ihany ilay lalana zany hoe mety tsy ho sarotra ho an'ny olona iray tsy ampy fandinihina ny hanaonao foana ary indrindra raha raha ratsy fanahy ilay leader.
4. xxx ( 30/06/2006 13:00)
refa manonofy virja be de be any 2 "paradisa" ry zalahy de manao jihady =)) =)) =)) =))
5. marozevo ( 30/06/2006 21:31)
Soanja > izaho efa nanaiky ny hamaky tary amin'ny fanontaniana napetrakao tary... Dia tanako ny teniko... voavakiko daholo izay loha hevitra soratanao eto, fa indraindray aho tsy manoratra...
Tohizo.
6. soanja ( 30/06/2006 22:12)
Raha manana fanontaniana momba an'io i Marovezo dia valiako. Ny fanontaniana koa anie mitondra amin'ny hevitra tsara indraindray satria raha tsy izay leo ny olona fa lasa dridrany ny ahy.
7. jentilisa ( 01/07/2006 06:13)
Mba ahafantaran-javatra kosa ilay izy e! tsara ka!
8. marozevo ( 01/07/2006 21:01)
Soanja > be dia be ny mety ho fanontaniana... fa nahoana raha somary ovana kely ny fomba fiasa. Ny tiako hambara ? Raisina ohatra ny loha hevitra iray amin'ireo voalazanao eo ambony ireo, dia iny aloha no hiadiana hevitra. Ohatra.. io fahafahana mamono ny "infidels" io, sy ny hoe fahafahana mamono olona raha mifindra tsy ho Siòamo intsony izy.

raha araka ny hevitro manokana aloha, dia tsy eken'ny saiko ny hoe olona tsy mitovy hevitra na firehana na finoana amiko dia ho vonoiko. Mety ho ny hevitro na ny firehako na ny finoako no diso ko nahoana no hovonoiko ny hafa. sady tonga dia hoe vonoina fa tsy mba sazy hafa... Asa anefa.
9. ann ( 02/07/2006 10:22)
soanja , ny mikasika ny adin'irak sy iran dia zao no azoko amabarako anao ,inoako angamba fa efa fantampatatrao ihany na de manomboka mandalina aza ianao zao . ny atao hoe jihad dia fiarovana [zany raha adika @ teny gasy tsotra], rehfa miaro ny tenanao ianao mba tsy hovoanoan'ny fahavalo dia jihad avokoa izany .
ny jihad dia mizara roa : jihad lehibe ,ary jihad kely .
ny jihad lehibe dia fiarovana @ satana ,zany hoe io dia ady @ fakampanahin'ny satana , fa ny jihad kely kosa dia ireo izay miseho isan'andro .
ka ny amaliako ny teninao dia izao moa ve ekenao f i sadam houssin niaro sa nila naka?
de iza no niaro rah izany ?
raha voavalinao io fanotaniana io dia ataoko fa tsy mila fanazavana intsony izany .
ny mikasikan'ny hoe: pandefa : xxx [ Valio ] 30-06-2006 18:00:09
Lohateny : Re : Ny Jihad (Islam)
refa manonofy virja be de be any 2 "paradisa" ry zalahy de manao jihady , zao no azoko havaly an'io resaka io :
eny mariana izahay fa mila paradisa matoa manompo an'ATRa ,fa raha resaka jihad kosa dia fiarovana no tianay hatao @ io ,satria zany dia voadidy hoanay mpino silamo rehetra .
Ny mikasika ny hoe : famonoana olona tsy mitovy resaka aminao , dia zao : zany anie voasoratra ao @ baiboly avokoa [jereo ,MIKA: 5 3-4] ao Atra dia milaz fa ny fahavalo dia tokony ho aringana avokoa .
ka fomba ahoana no tsy hanarahanay ny resakan'ny tomponay?
na izy Atra aza milaz fa atokony haringana ny fahavalo.
zay aloha fa mianjy ny fanotaniana manaraka raha misy.
tsy misy resaka ady eto fa fitadiavana ny marina no ataontsika izao ka de misaotra anareo nndray anajara.
10. booboo ( 02/07/2006 10:54)
ann > ilay hoe " haringana " @ silamo ve hoe gliavana ara-bakiteny ? :{:{:{ tapahin-doha sy ny tariny ? tsy mananihany aho fa tena tsy azoko ilay izy. Satria manko ny namako silamo rehefa niresaka zahay dia hoe " religion de paix " hoy reo ny islam dia tsy mety, hono, reny mana-gli ain'olona reny
11. ann ( 02/07/2006 16:41)
booboo: ny tiako mba hafarina de zao aza afangaro ny mpino sy panaraka ,satria zavatra roa samihafa reo ,
ny panaraka dia manaraka ambokony ihany zany hoe naheno izy fa tokony vonona ireo fahavalo ,fa ny mpino kosa dia hafa ny fomba hijeriny zany hoe mahalalaa bebekokoa ny lalana ireo mpino.
ary hita izany any @ ireo tananan'ny arabo,misy @ ireo ange tsy mahalala nefa anisan'ny mpanaraka ny finoana ry zareo.
fanga efa nisy olona nihitanao notampahindreo ny lohany?
12. soanja ( 02/07/2006 23:19)
Misaotra an'i Ann namaly ny fanontaniako.
Raha ny fahitako azy izany dia misy mpitondra mandiso ny fomba fandraisana ny atao hoe Jihad ary ampiasainy amin'ny tsy tokony hampiasaina azy io didy nomen'i Allah io. Sa tsy izay?
13. ann ( 03/07/2006 06:06)
soanja: tsy ny mpitondra no manimba io ,fa ny mpanaraka .satria ny mpitondra dia misy lalana mifehy azy[oh: mila mahalala sns..]
fany mpanaraka no sty mahalala de manao2 foana.
soanja fa toa tsy novalianao mihintsy ny fanotaniako hoe: enao ve silamo sa tsia, de ny mpampianatranao sonnit sa chiat?
ary enao koa afaka mamaky teny arabo, ary afaka miteny[ misy site maro fantatro nefa ny akamaroany dia saika @ teny arabo sy iranien avokoa ,afaka manampy anao aho @ ezakanao ,tena mahafaly ahy ny mahita olona toa anao , na dia tsy mpino silamo az ianao nefa nandalina ny finoana io .tohizo ny ezaka fa tsara .
14. marozevo ( 03/07/2006 07:29)
I Soanja efa nilaza matetika fa tsy silamo izy....

Milaza i ann ao ambony ao hoe :
i sadam houssin niaro sa nila naka?

de iza no niaro rah izany ?

Raha heverina fa tena misy hifandraisany amin'ny finoana silamo ny phenomène Saddam Hussein, dia tsara ihany ny mampahatsiaro ireto :
1- Invasion du Koweit 1990. Tsy fiarovana (jihad araka ny filazan'i ann) no nataony fa fanafihana tsotra izao.
2- Famonoana ny kurdes be dia be : Fa inona no maha fahavalo ny kurdes ?
15. booboo ( 03/07/2006 12:25)
Ann > azoko tsara @ zay ny tianao tenenina fa misaotra :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0747