Fankalazana ny fetim-pirenena.

1. Fiffi ( 27/06/2006 05:53)

Fankalazana ny fetim-pirenena - Enina no maty, 283 namonjy hopitaly.

Nahatratra enina ny olona namoy ny ainy ary 283 no naratra na narary tonga namonjy hopitaly nandritra iny fanamarihana ny fetin'ny 26 jona iny, araka ny tarehi-marika voaray teo anivon'ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Izany hoe raha oharina tamin'ny taon-dasa dia marobe ny loza nitranga.
Tsy dia nahagaga moa izany satria telo andro be izao tamin'ity, satria nifanindry tamin'ny faran'ny herinandro, no indray tsy niasàna nankalazana ny fetim-pirenena. Vonoan'olona, matin'ny lozam-pifamoivoizana, nisotro toaka ; saika ireo no nahavoa an'ireo olona enina namoy ny ainy.
Ny tena nahatsiravina tamin'ireo dia ilay tovovavy sahabo 25 taona natsinkafon'ny rano teny Anosizato andrefana, omaly maraina. Niboridana tanteraka ilay razana ary feno dian-kapoka sy mangana ny vatany. Tsy fantatra izay tena nahazo azy fa ny fizahana ataon'ny mpitsabo no ahafantarana izany.
Misongadina hatrany ny lozam-pifamoivoizana amin'ny andro fety toy izao. Olona 79 mantsy teto an-drenivohitra no indray niharan'izany ka ny roa tamin'ireo no namoy ny ainy : iray tamin'ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny Antsofinondry ary iray hafa teny Sabotsy Namehana. Nandosiran'ny fiara nandoana azy moa ity farany ity ka ny fokonolona no nandray andraikitra nitondra ny razana teny amin'ny hopitaly.
Tsy ilaozan'ny olona namono tena ihany koa ny andro fety toy izao. Betsaka ihany koa izy tamin'ity fetin'ny 26 jona ity satria nahatratra valo ny isany : telo tamin'ny asabotsy, efatra tamin'ny alahady ary iray omaly.
Tovolahy vao 17 taona ny iray tamin'ireo namono tena. Saika fihinanana fanafody, poizina famonoana bibikely avokoa no nateliny namonoana ny tenany. Amin' ny ankapobeny dia olana ara-piainana, indrindra fa eo amin'ny lafiny fitiavana, no mahatonga ireny olona ireny hanao an'izao fanapahan-kevitra izao.
Voalazan'ireo mpitsabo anefa fa dia voavonjy avokoa izy ireo taorian'ny fitsaboana nomena azy ary tsy misy ahiana ny fahasalamany.

Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar


novalian'i Fiffi ny 27/06/2006 12:52
2. dadabe ( 27/06/2006 07:19)
tsy mbbola ekisipera @ famonotena izany ry zalahy ko , :roll:
3. Fiffi ( 27/06/2006 07:49)
mampalahelo :(:(
4. Passy ( 27/06/2006 09:42)
tsr sady na nfinatra iny fety iny satria lava ihny koa no tena nampfly ny b sy ny maro ihany indrndra fa ny tny @kianja be ny mhammasina iny ka dia ny tnko moa dia tsotra ihny diaengaha anie ka hsy ohtra nirny tena mety mahafinaritokoa raha misy otranireny @farany taona eeeeeeeee eny daholo mifaly avanja miaraka@mpanankanto
5. Fiffi ( 27/06/2006 12:52)
hummm! tena hevitra tsy ratsy zany ry Passy an! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0883