Inona no tokony atao?

1. soanja ( 26/06/2006 22:30)
Hono hoy aho azafady mba ampio kley aho amin'ity hevitra ity:

Misy an'izay mpivady izay hoy aho namanay any Dago. Ilay ramatoa moa izany no tena akaiky anay mivady fa ilay rangahy eo ho eo ihany. Indray andro dia nisy vazh vavy namanay nalefanay tany Dago dia nivantana tany amin-dry zareo satria ry zareo mampanofa trano. Nony elaela tany ilay vazah araka ny volazn-dramatoa dia toa tara taminy ilay rangahy vadiny. Ilay vazh koa moa nanoratra taty aminay momba an'io hoe tsy hitany izay ataony an'ity rangahy ity fa tena mikoty tsy menatra mihitsy. Dia nanontany hoe inona ny fomban'ny gasy resaka fanambadiana sns...
Taty afara nony nadalo tany izahay dia nitaraina be ilay ramatoa fa tena ampijalian'ny vadiny amin'ny resaka vehivavy ka anisan'izay ilay ramatoa vazah izay inoany fa tsy miaraka aminy akory fa sangy mahatara be ny vadiny.
Izahay moa izany tsy nahita hotenenina fa dia ilay ramatoa namanay no nitadiavana toerana hafa hipetrahany. Dia nifindra avy eo lasa taty US.
Taty aoriana dia nampiaraka angamba ramatoa fa nanoratra lavabe taminay ilay rangahy amin'ny mahampinamana hono sady nanoratany daholo ny namany rehetra sy nanman'ilay ramatoa noho ny hadalany fa hoe tratrany tao amin'ny computer daholo hono ny taratasy nifanaovan'ilay ramatoa sy ilay sipany ary tena mahamenatra be ilay taratsy satria na izahay aza mba nandefasany santionany. Nangataka fanampiana taminay moa izy hoe inona no tokony hataony fa tena tsy rariny ity zava-mitranga ity hoy izy (ilay lehilahy io manontany io)
Inona izany no tokony havalinay azy sao mba mahita havaly nareo fa mila fanampiana izahay satria volaohany aloha dia ilay ramatoa rehefa nitantara ny manjo azy tamin'ny vadiny dia tokony tsy supposer hoe fantatray sy ilay rangahy nikoty an'ilay sipa vazah. Kanefa io no tena tiako dradradraina aminy hoe "Nanao ianao tsy nahalala koa izao vao mimenomenona..." Nefa ny vadiko niteny hoe tsy tokony hiresaka an'izay fa vao maika miady mivady ireto ka isaraka eo nefa ny zaza efa roa be izao.
Mba ampio re fa miandry valiny ilay rangahy hoe inona hono ny torohevitra omenay. Hatram'izao dia mbola tsy manana hatolotra izahay nefa lery te hisaraka nefa ramatoa tsy mahasaraka.
novalian'i prime ny 30/06/2006 12:59
2. Fiffi ( 27/06/2006 04:22)
Tsy aiko hoe fa nahoana izy no aty @ nareo no maka torohevitra ? T@ izy nanao ny hadalany , nga naka torohevitra tany @ nareo izy ?
Raha zah aloha no eo @ toeranareo mivady de tsy miditra loatra @ fiainany zah , sady @ zay le ramatoa no tena akaiky anareo fa tsy izy.
3. kally ( 27/06/2006 06:05)
Asaivo miresaka izy mivady fa tsy misy afa-tsy izy roa ihany no mahavaha ny olany. Tokatranon'olona izany aloha tsy tokony hidiran'iza na iza mihitsy na mpinamana sy mifankaiky tahaky ny inona aza ianareo.
4. booboo ( 27/06/2006 06:55)
Asaivo miresaka zareo e ! hihihih mba manao conseiller conjugal kely nareo roa.

Matoa zareo tany aminareo no nifandimby niantoraka dia namana mahatoky zany nareo amin-dreo:D....na dia tsy akaiky loatra anareo aza ilay rangahy
5. prime ( 27/06/2006 09:32)
kally:
Asaivo miresaka izy mivady fa tsy misy afa-tsy izy roa ihany no mahavaha ny olany. Tokatranon'olona izany aloha tsy tokony hidiran'iza na iza mihitsy na mpinamana sy mifankaiky tahaky ny inona aza ianareo.
dia ny mivavaka koa no vahaolana anisan'ny mahomby indrindra, raha ny hevitro aloha...
6. hery ( 27/06/2006 09:41)
Ireo nolazain'ny namana ireo no tena hevitra mahomby. Azonareo resahina i rangahy hiresaka amin'ny vadiny.

Mino aho anefa fa efa nifampiresaka ry zareo fa ilay ramatoa mety mba manao mafy loha (sy mamaly faty)...

Dia azonareo resahina koa ramatoa satria izy efa mba ni-confier zavatra taminareo ihany taloha.

Marina fa tsy dia tsara ny miditra amin'ny tokantranon'olona, saingy ny zavatra tena tsy mety dia ny miteny hoe "Izao atao..." fa ny mihaino kosa dia azo atao tsara. Mety ianareo no mba fitaovana hany sisa ahafahan'izy ireo mihavana indray.
7. miantra ( 27/06/2006 13:35)
Izy roa ihany no tompon'ny vahaolana raha ny hevitro aloha e!

Mba samy mandinin-tena sy miezaka manao introspéction dia manao cartes sur table.

Sady io koa ange ry reto miankina amin'ny hoe mbola te hitohy hiaraka ve ry zareo sa tsia e! Sinon lany maina fotsiny ny namana raha efa naka fanapahankevitra ny iray amin'izy ireo.

Ny fandraisan'anjara azon'ny namana atao dia ny mitondra amim-bavaka.

8. Herimiafina ( 27/06/2006 13:53)
soanja:

Hono hoy aho azafady mba ampio kley aho amin'ity hevitra ity:

Misy an'izay mpivady izay hoy aho namanay any Dago. Ilay ramatoa moa izany no tena akaiky anay mivady fa ilay rangahy eo ho eo ihany. Indray andro dia nisy vazh vavy namanay nalefanay tany Dago dia nivantana tany amin-dry zareo satria ry zareo mampanofa trano. Nony elaela tany ilay vazah araka ny volazn-dramatoa dia toa tara taminy ilay rangahy vadiny. Ilay vazh koa moa nanoratra taty aminay momba an'io hoe tsy hitany izay ataony an'ity rangahy ity fa tena mikoty tsy menatra mihitsy. Dia nanontany hoe inona ny fomban'ny gasy resaka fanambadiana sns...
Taty afara nony nadalo tany izahay dia nitaraina be ilay ramatoa fa tena ampijalian'ny vadiny amin'ny resaka vehivavy ka anisan'izay ilay ramatoa vazah izay inoany fa tsy miaraka aminy akory fa sangy mahatara be ny vadiny.
Izahay moa izany tsy nahita hotenenina fa dia ilay ramatoa namanay no nitadiavana toerana hafa hipetrahany. Dia nifindra avy eo lasa taty US.
Taty aoriana dia nampiaraka angamba ramatoa fa nanoratra lavabe taminay ilay rangahy amin'ny mahampinamana hono sady nanoratany daholo ny namany rehetra sy nanman'ilay ramatoa noho ny hadalany fa hoe tratrany tao amin'ny computer daholo hono ny taratasy nifanaovan'ilay ramatoa sy ilay sipany ary tena mahamenatra be ilay taratsy satria na izahay aza mba nandefasany santionany. Nangataka fanampiana taminay moa izy hoe inona no tokony hataony fa tena tsy rariny ity zava-mitranga ity hoy izy (ilay lehilahy io manontany io)
Inona izany no tokony havalinay azy sao mba mahita havaly nareo fa mila fanampiana izahay satria volaohany aloha dia ilay ramatoa rehefa nitantara ny manjo azy tamin'ny vadiny dia tokony tsy supposer hoe fantatray sy ilay rangahy nikoty an'ilay sipa vazah. Kanefa io no tena tiako dradradraina aminy hoe "Nanao ianao tsy nahalala koa izao vao mimenomenona..." Nefa ny vadiko niteny hoe tsy tokony hiresaka an'izay fa vao maika miady mivady ireto ka isaraka eo nefa ny zaza efa roa be izao.
Mba ampio re fa miandry valiny ilay rangahy hoe inona hono ny torohevitra omenay. Hatram'izao dia mbola tsy manana hatolotra izahay nefa lery te hisaraka nefa ramatoa tsy mahasaraka.


Tadidio ry soanja fa ny olona rehefa mitantara aminao dai rôle avokoa, victime avokoa, tsy misy miaiky na ny fahadisoana faran'izay kely ataony akory aza.

Tsy fanao ny mihaino feondakolosy tokana sy faits misaratsaraka fa tena etude de contexte be mhatsiravina no tokony hatao hoe manao ahoana ny tantaran'ny couple-nndry zareo, manao ahoana ny fiainany ao antokantrano ao?

Tadidio koa fa ny olona be menomenona dia mbola tia. Izy manaratsy ny vadiny any aminao iny dai tena mbola tia ny vadiny izy amin'iny, raha tsy tiany tsony mantsy tsy hampimenomenona azy.

Misy information be dia be tsy mbola fantany no mahatonga azy himenomenona iny satria ao anatin'ny incertitude.

Ny valinteny tokony hatao amin'izy ireo: "asaivo mifampiresaka dia misaraha raha tsy mahatoky tsony, miaraha raha mbola mahita fa solutionabloe ilay probleme kanefa dia mila fidelité izany".

Ny vaha-olana dia tsy any aminao mpitazana fa facilitateur fotsiny ianao amin'ny fifampiresahan-dry zareo, asaivo mamoaka ny ao ampony any amiano na rangaha na ramatoa dia anontanio, toy ireny manao ateliers sy conference ireny mihintsy "recherche action" ianareo amin'izay.
9. soanja ( 27/06/2006 18:07)
Marina daholo ny teninareo fa misaotra betsaka nanome hevitra. Ny tahak'izao tokoa angamba ilay jerena fotsiny dia mihaino fa tsy manome hevitra mihitsy sao mampidi-kizo olona fotsiny. Ny hany email alefa amin-dry zareo angamba dia ny hoe hivavaka ho azy ireo mba ho afaka hiresaka ampitoniana ary afaka hitady vahaolana amin'izany ry zareo fa ny fiainana tsy maintsy misy lesoka foana tsy indraindray. Ny fampaherezana ny fifamelana angamba no hovoizinay raha hanoratra hamaly ity resaka ity.
Androany izao vao nahazo email tamin'ny ramatoa nanazava ny zava manjo azy ao an-trano ka mety tsy tantiny intsony hono. Tsy niresaka ilay fisipana tamina lehilahy hafa mihitsy izy fa dia ny toetram-badiny no resahiny.
Anyway, life is difficult.
Herimiafina a, sarotra be ilay manao conference amin'ny tel io raha aty an-dafy sy any Mada fa dia email no tena mety. Hoe samy andefasana ry zareo cc dia hita eo izay valiny.
Misaotra betsaka indrindra.
10. Herimiafina ( 28/06/2006 12:21)
Amiko indray retsy ry Soanja tsy mety ilay CC io fa manajary mi-anticiper ny strategie hiarovany tena sy hamelezany ny iray ny tsirairay.

misy resaka tsara atao an'io CC io fa misy kosa confidentiel dia ianao no intermediaire tokony hanana ny information rehetra na avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ary entinao manaraka izay information izay ny resaka.

Tapitra io etapy io vao miditra amin,ny face à face na reconciliation, eo vao mifanehitra izy roa.

Ny olana mantsy raha sendra olona impulsif dia mahateny zavatra tsy ampiheverana izay mety hanenenany avy eo ka sarotra iverenana fa hanimba zavatra be, izay no ilana le confidentiel kely aloha.
11. soanja ( 28/06/2006 12:58)
hoy Herimiafina hoe : "misy resaka tsara atao an'io CC io fa misy kosa confidentiel dia ianao no intermediaire tokony hanana ny information rehetra na avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ary entinao manaraka izay information izay ny resaka."

Misaotra Herimiafina a, aleo aloha dinikiho tsara ny zavatra horesahina satria izaho aloha izao dia tena shocked be hoe fa de inona loatra no nitranga? Ilay rangahy aloha ny fahitako azy raha nanoratra sy nandefa ilay hafatra dia ho fanalana baraka ny vadiny no tiany atao satria tsy izahay irery no nadefasany fa ny daholo be ka cc tokoa no nataony tamin'izay. Nanoratra ihany moa izy taty aoriana hoe inona ny hevitray sns.
Fa ramatoa kosa dia hita hoe tena mitady fanampiana mihitsy.
Ka raha ny fahitako azy dia mety tsy hahazo valiny mahafapo amin'ity rangaha ity aho raha hanontany lalina na hanadihady. Hono hoy aho i Herimiafina hoe anontaniako ve izy raha mba nanao hadalana koa tamin'ny fiainany nandritra ny fotoana naham-pivady azy. Dia henoana eo ny valiny raha hilaza ny marina izy na tsia?
12. prime ( 29/06/2006 12:31)
soanja> "solidarité féminine" ve sa tena izany no izy??? miaro be an-dramatoa ianao an!!!:lol:
13. soanja ( 29/06/2006 22:47)
prime:

soanja> "solidarité féminine" ve sa tena izany no izy??? miaro be an-dramatoa ianao an!!!:lol:


Tsy izay ka. Zah dia miezaka foana mihaino ny andaniny roa izay vao maka fanapaha-kevitra saingy amin'ity cas ity kosa dia nahatsapa aho fa tena efa nisy tsy firaharahana mihitsy no nataon'ilay rangahy satria vadinao tianao ve de ankalazainao eran'io amin'ny resaka tahak'izany eny fa na dia lavo aza izy. Ilay ramatoa anie ka nitaraina fotsiny fa tsy hoe nampibaribary ny zavamisy amin'ny rehatra e.
Tsy mahatoky an'ilay rangaha mihitsy aho e.
Nefa raha ny fahitako azy dia toa kely ny chance hampaharitra ny azy roa satria efa tsy eo intsony ilay trust (fifampitokisan'ny samy mpivady), ary hitako efa mihena dia mihena ny fitiavan'ny iray, ary izy roa efa samy nijangajanga.
Izaho koa manko tsy mba d'accord amin'ny resaka valifaty ity. Hoe hitako nampiaraka ny vadiko dia ndeha koa aho mba hampiaraka.
Fifampiresahina sy ny fifamelana ihany no hitako vahaolana.

14. prime ( 30/06/2006 10:58)
soanja> raha tena te hanao zavatra hanampiana azy roa ianao dia eto amim-bavaka manokana dia mangataha toro-hevitra avy amin'Andriamanitra vao miditra @ izany satria raha tsy mitandrina ianao lasa mifototra any aminao sy ny tokantranonao izany...
15. soanja ( 30/06/2006 12:56)
Prime a, hatramin'ny nahalehibe ahy dia mbola tsy nisy zavatra nataoko tsy nentina ambavaka. Misy ihany anefa ny herin'ny satana mitady hanafika indraindray. Fa marina ny anao kambo fa mba resaka ny ahy. Hatramin'zao dia tsy manan-kavaly an'io olana io aho fa dia niteny tamin'izy mivady hoe apetraho amin'Atra ny olanareo ary mivavaha mafy fa izy hanome anareo ny vahaolana. (zany hoe tsy zaho mihitsy):wink:
16. prime ( 30/06/2006 12:59)
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1774