mitady hiran'ny Rahona

1. Andii ( 05/06/2006 05:08)
Iza ianareo no manana ny hiran'ny tarika Ny Rahona? Tarika niarakaraka t@ Railovy izy io. Efa saika henoko daholo ny hirany saingy iray ihany no fantatro ny lohateniny "Hay ve!". Misy fahatsiarovana lehibe ho ahy ny hiran'io tarika io satria ny dadako (efa maty) no nitendry ny hirany ka miezaka manangona ny hira notendreny aho. Misaotra mialoha
2. pissoa ( 05/06/2006 16:14)
Izaho aloha tena tsy mahay e.
Fa mety manampy ny ankizy hitady azy raha mba asianao teniny kely izay mba tadidinao amin'ny hirany.
3. madazikart ( 06/06/2006 00:53)
Manao ahoana i Andii!
Jereo eto fa misy ny tonon'i "Hay ve" ao http://batoto.free.fr/articles.php?lng=fr&pg=184

Izao koa dia mankafia tanteraka ny Ny Rahona saingy indrisy Hay ve sy Amorom-patanaihany no hananako en bande sonore, efa en mp3 moa izany e! Efa vitako version instrumentale koa izy ireo satria mantsy mba tia mikitikitika clavier sy manao arrangement aho.
Raha ny faniriko dia hiaraka @ olona afaka hamerina ny hiran'ny Ny Rahonaeo @ sehatran'ny zava-kanto indray.
Ho an'ireo manana exemplaires (tononkira na mp3) ny Ndao hilalao, Bodo, Baiboly... dia hiangaviko mba handefa izany aty amiko, raha tsy mahadiso.
4. Fiffi ( 07/06/2006 14:19)
Andii:

Iza ianareo no manana ny hiran'ny tarika Ny Rahona? Tarika niarakaraka t@ Railovy izy io. Efa saika henoko daholo ny hirany saingy iray ihany no fantatro ny lohateniny "Hay ve!". Misy fahatsiarovana lehibe ho ahy ny hiran'io tarika io satria ny dadako (efa maty) no nitendry ny hirany ka miezaka manangona ny hira notendreny aho. Misaotra mialoha
Nahatadidy an'ny tarika Rahona hiany zah satria nisy olona fantatro mpihira tao ary aty frantsa ohatra i Clément , i Guy , ny mpitendry tao koh de i Mamy piano , i Lalao sy Guy batterie , i Nanou ny mpihira tao eh ? Fa i Guy sy Clément aloha no fantatro fa aty frantsa an!


5. Fiffi ( 09/06/2006 19:03)
de mbola hadinoko koa fa tao koh i Willy sy Jacques.
6. Andii ( 13/06/2006 20:23)
madazikart> sao dia mba afaka omenao an'izany mp3 Hay ve sy Amorom-patana izany aho.

fiffi> nisy fotoana ny mpitendrin'ny Railovy daholo no nitendry ny hiran'i Clément Rahona, tao ry Harry, Lalaina, Jacques ...
7. Fiffi ( 14/06/2006 04:26)
Andii: heu...kanefa ange ka ny Rahona groupe tena tokana ary ny Railovy tokana koa eh! saingy nifanao am-bodin-drindrina ry zareo , nipetraka moh zany an!
Fantatro manko i Clément sy Guy , ary i Mamy sy Lalao mpirahalahy koa fantatro , nitendry taty ry zareo vao haingana.
8. Andriambelo ( 14/06/2006 06:30)
"Reko fa ...
nandalo teto hianao omaly hariva,
Niato kely aloha, dia nizotra indray
Ary tsy nierika intsony."
....
Mankasitraka tanteraka aho raha mba misy mahay ny tohin'io hira io.
Raha mba misy bande sonore, indrindra moa fa originale, dia ho tanteraka ny fifaliako.
Misaotra mialoha
9. Andii ( 18/06/2006 07:10)
Fiffi: raha afaka manontany ianao dia mba anontanio an'i Clément hoe iza avy ny mpitendry efa nandalo tao amin'ny Rahona. Mino aho fa ho voatonony aminao farafaharatsiny ny irany @ireo nolazaiko ery ambony ireo.
10. Fiffi ( 18/06/2006 09:37)
Andii: marina ny anao kah! fa le mba nolazaiko hoa de le hoe ny Rahona groupe tena nitokana de ny Railovy koh tokana. Nefa asa moh ?
11. Andriambelo ( 23/06/2006 06:32)
Toa tsy misy manohy ilay hira notadiaviko, fa hono hoa ry Andii, aiza ho aiza aty Frantsa kay no mety ahitana an-dr Clément ? (Toa Raklio moa no fiantso azy taloha)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4285