Nama e.... mama o.....

1. sareraka ( 30/05/2006 06:03)
Nama e...mama o...
tsy rarahanay izay 5 sy 4 taona itondràny anay
fa ny vola be aferany mandritra ny 20 androm-pifidianana iny
izay ihany ny anay ny anay ny anay....e

nama o ..mama e...
tsy rarahanay izay soritr'asa sy safidy
fa ny vatonay amidy
atakàlo vola mora vidy
ny olo-maty no mibaiko anay
ny tsy mandry fotsy aloha izahay
sitrany ahay ahay ahay ahay.....
nama e ...mama e
tsy raharanay izay fanjakàna tan-dalàna
sy ny firaisampanjakàna
io ary izy fa lany fa lany fa lany
tokana ihany ny tanjona @ izany
dingana voalohany hamerina ny lany
dingana faharoa hihinana ihany
dingana farany mifikitra ihany....
ialahy no mora vidy
ka itsika jiaby no masiso malàny malàny...

nama o... mama o ....

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
novalian'i marozevo ny 07/06/2006 19:53
2. Fiffi ( 30/05/2006 06:47)

Nama e...mama o...

Rariny ve ny nataon'ny mpitondra teo aloha nandritrin'ny firy taona izay nanalentika an'i Madagasikara sy ny Malagasy ?

KA INONA NO TSY MARINA AMIN'IZANY ?
3. marozevo ( 30/05/2006 12:34)
Io tsy raharahanay io no toe-tsaina nateraky ny 1975-2001.
4. Fiffi ( 01/06/2006 03:38)
sareraka: toa tsy misy hoe: SILENCE..TAISEZ-VOUS ?
5. toovs ( 01/06/2006 14:06)
marozevo:

Io tsy raharahanay io no toe-tsaina nateraky ny 1975-2001.


ka izany no mahatonga an'i sareraka hanao esoteny an'izay olona tsy lmety hotongasaina ange e. izany no nanaovany an'io andalana maromaro io.
Tokony hotongasaina amin'izay isika izany.
6. Fiffi ( 02/06/2006 15:14)
toovs: heu.....:roll: efa tonga saina ny olona fa mba betsaka ny zava-bita nandritrin'ny 4 taona monja , ny zavatra tokony hahatonga saina ny hafa toy an'i fopla de ny zava-bita nandritrin'ny firy taona nitondran'ny mpitondra teo aloha.
7. marozevo ( 03/06/2006 21:32)
Ekena fa antso ho an'izay mbola tsy tonga saina io, nefa alohan'ny hahasahianao miantso, tokony mba hasehonao aloha fa ianao no tonga saina voalohany.
8. Fiffi ( 04/06/2006 05:54)
=D=D
9. prime ( 06/06/2006 07:34)
:-P:-D:-D:-D
10. kiadytsilaitra ( 07/06/2006 08:40)
Tsy aiko aloha na ilay tena sareraka io eto io na tsy izy an. Fa ilay tena sareraka dia sahiko lazaina eto hoe anisan'ny voalohany tonga saina satria eo anilan'ny fanaovan-kira dia olona hitako maso nadray angady sy niara-niosina tamin'ny tantsaha ary manampy azy ireo amin'ny fandrindrana ny asa-tany hatramin'ny taona maro. Izany hoe tsy hoa hoa hoa sy be resaka eto amin'ny internet fotsiny fa mandray andraikitra ampivoarana mivantana ny tantsaha (+ de 75% ny gasy) sy miaina ny zavatra tantarainy an-kira.
11. marozevo ( 07/06/2006 19:53)
Impiry averina eto fa fa "sandoka" ho'aho io. I Sareraka tena izy dia masiaka raha hiteny ny zavatra tsy mandeha amin'ny firenena, fa ny olona kosa tena hajainy marina tokoa.
Ka mino aho fa tsy i Sareraka tena izy mihitsy no hilaza hoe "an'ny anadahin-drenin'ialahy angaha io" eto amin'ny serasera.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0576