Brésil sy ny fiadiana ny tompo-daka eran-tany

1. totofy ( 16/05/2006 06:58)
tamin' ny 29 jiona 1958 , no nahazo ny amboara voalohany ny ekipa bréziliana , afaka jerenareo ve hoe tamin' ireo phase finale (6) enina nataony iza ny ekipa nihaona taminy ary taiza no natao :
1998 :......... nandresy an' brésil tany......
1994 :brésil nandresy an' i ........ tany......
1970 :brésil nandresy an' i ........ tany......
1962 :brésil nandresy an' i ........ tany......
1958 :brésil nandresy an' i......... tany.......
1950 :.......nandresy an' i brésil tany .......
8)
novalian'i onjah ny 24/05/2006 12:22
2. ravatorano ( 16/05/2006 08:04)
za aza letsy vao saika hanontany an io an lah miitsy kle
tena tsy arako letsy ah
:(:(:(
3. lapino ( 16/05/2006 08:10)
1998 : France nandresy an' brésil tany France
1994 :brésil nandresy an' i ........ tany USA
izay ihany no haiko :(
4. mandrindra ( 16/05/2006 08:43)
1950 tao antanana ry zalahy no nilalao, Rio de janeiro stade maracana, fanantenana lehibe ho andry zalahy ny hahazo ny amboara voalohany antanana saingy niondrika tamin'ny isa 2-1 nanoloana an'i uruguay ry zareo.

1958 tany stockholm, suède, tao amin'ny rasunda stadion ny finale, bresil 5 suède 2.

1962 tany santiago tao amin'ny estadio nacional nandresy an'i tchecoslovaquie tamin'ny isa 3 noho 1.

1970 tany mexico nandresy an'i italie 4 sy 1

1994 tany usa nandresy an'i italie tamin'ny penalty rehefa nisaraka tsisy nitoko tao aorianan'ny fanalavampotoana.

1998 teto frantsa, niondrika nanoloana ny frantsay tamin'ny isa 3 noho ny tsy misy

2002 nandrey ny alemana 2 sy dinga tany yokohama
5. totofy ( 16/05/2006 09:45)
okay é!
mbola asiana hafa sa ?:-D:-D
6. mandrindra ( 17/05/2006 09:53)
fa angaha mbola misy bresil hafa le ??:-D :-D
7. hery ( 17/05/2006 10:30)
Ary hay ve ankamantatra koa aba ro atao eto? :-D

Iza avy no namono ny baolina tamin'ireo (oups)
8. naughtyboy ( 17/05/2006 10:41)
t@ androny gaincha sy pele 50-62 iny no tena nisy tantara ny brasiliana ,mpilalao 2 samihafa manana mahaizy azy ,najaka tkou fa zao efa mivoatra ny lalao eropeana zay vatana,teknika ,hery,speed ka maro2 ny favori ka de miova2
fa baolina boribory,aleo ho raikitra eo e..
9. mandrindra ( 17/05/2006 11:19)
hery, ireto avy ny mpilalao nahafaty tamin'ny finale natrehan'i bresil.
1958 : marihina aloha fa tsy finale toy ny mahazatra ny tamin'io taona io fa finale de groupe. ekipa 4 no nanao ny finale dia mazava ho azy izany fa i uruguay sy brésil izay nampian' espagne sy suède. rehefa samy nandresy tsirairai an'i espagne sy suède i uruguay sy brésil dia sahala amin'ny finale norma ny fihaonan'ny roa tonta. ny tamin'iny aloha tsy tsaroako izay nahafaty ny baolina.

1958 : adinon'i naughtyboy angamba ny r ka ahitsiko kely fa garrincha no izy fa tsy gaincha. nanampy azy roalahy ireo tamin'ny fanafahina i vava.
ny nahafaty ny baolina : vava 2, pélé 2, zagallo 2
marihina fa i zagallo dia lasa mpanazatra tamin'ny 1970 sy tamin'ny 1998.

1962 : naratra i pelé dia nosoloina an'i amarildo izay namiratra tokoa.
ny nahafaty baolina : amarildo, zito ary vava

1970 : ireto aby ny nahafaty baolina : pelé, gerson, jaïrzinho,carlos alberto

1990 nisaraka tsisy nitoko na dia tao aza ny devant maromaro tsy matin'i romario sy ny coup de têten'i bebeto izay notorahn'i pagliuca ny tsoraka mahafinaritra.
tsy tsaroako daholo aloha izay nanadak penalty. ny tsaroana dia ireo italiana tsy nahafaty : baresi sy baggio.

1998 tsy nitoko ry zalahy

2002 : ronaldo no nahafaty azy roa, tamin'izany dia anisan'ny namiratra i rivaldo.
10. totofy ( 17/05/2006 11:27)
=D=D=D=D
11. dadabe ( 17/05/2006 11:54)
manaiky an\'ise zah ry mandrindra
12. mandrindra ( 17/05/2006 12:05)
aoka marina ry dadabe fa ny ela nihetezana toa anareo ve no milaza an'izany :D
13. jentilisa ( 17/05/2006 13:00)
mijery statistika any amin'ny vohikala germana 2006 no ijerena ireo ry dadabe a!
14. mandrindra ( 18/05/2006 09:44)
ireto koa misy hitako tany amin'ny statistika hafa ary ka mba ho entiko zarainaeto. ny baolina maty nahafainaritra :
1962 : teny ampelantanin'ny mpiandry tsatokazo tsekoslovaky ny baolina ry votsistra tampoka dia notsoriahan'i vava

1970 : avy any amin'ny elatra avia ny baolina makany amin'i pelé izay eo afovoany sahabo ho 20 metatra miala sy surace de réparation. mijanona tanteraka i pelé sady miblôky amin'ny tongotra havanana, izy amin'io mbola mitodika miankavia. tsy mijery akory i lery fa avy dia natosiny niankavanana ny baolina ka iny nipoitra tampoka avy any gerson ary baomba be dia maty.

1994 : tamin'ny finale moa dia nisaraka tsisy nitoko koa ny match noheveriko fa tsara indrindra no tantaraiko eto ny nahafaty ny baolina. izany dia nifandonan'i bresil sy holandy ary nifanrana tamin'ny 3 noho ireo. ny nahafaty ny baolin'i brezil dia i romario, bebeto ary branco.
pasa lava mianga avy aoriann'ny centra, latsaka ao ambadiky ny vodilahrana tonga ao amin'i bebeto eo amin'ny elatra avia. natsipiny ho an'ny romario teo ampovoany dia demi-volée ohatran'ny natosika fotsiny no nandakan'i romario ny baolina ka nifarany tany anaty arato.
ny baolina faaharoa, nanao dégagement ny mpiandry tsatokazo holanday, i de ghoy, tonga tao ariana kelin'ny centre dia nisy tety breziliana namerina ny baolina tany amin'ny tanin'ny holanday. tsy nifanakahzo ny vodilaharana roa stria tao anivon'izy roalahy ny baolina ka notsoriahin'i bebeto dia iny izy no lasa hatrany anaty harato. tamin'io no nanaovan'i bebeto an'ilay zestamitrotro zaza rehefa mahafaty baolina satria vao tera bao ny vadiny.
jentilisa, miala tsiny raha toa ka tsy dia tsara ny fandikana teny nataoko avy any vohikala germana 2006 satria tsy dia tiako nentina teto ny teny vahiny :D
15. naughtyboy ( 18/05/2006 22:41)
za alo de mbola te ahita an'iny finale taminy 98 hiverina any germany fa navesatra ihany mantsy le we 3 sy atody ..
16. onjah ( 24/05/2006 12:22)
naughtyboy< Indrisy Samy tsy misy tafiakatra izy roa tonta ireo :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2528