Hena Ritra

1. soanja ( 14/05/2006 10:59)
Mba mitady ny fomba fandrahoana Hena ritra azafady o. Misaotra mialoha
novalian'i titis ny 02/06/2006 17:33
2. pitoussy ( 14/05/2006 11:29)
soanja : @ voalohany aloha mbola tsy asiana rano fa karokarohina foana de rehefa somary marron marron maimay iny zay vao tapohina rano; de tsy tonga de rano be fa tapotapohana tsikelikely mandra-pahalemy azy, de azonao asiana tongolo raha tianao rehefa akaiky masaka ; nahandro gasy io a! de mahazotoa homana
3. Fiffi ( 14/05/2006 11:45)
ity koa misy de mazotoa homana eh! http://ikalapiso.free.fr/Recette_malgache_19.htm
4. Fanja1 ( 14/05/2006 12:02)
merci Fiffi:)
5. Fiffi ( 14/05/2006 14:03)
http://recettes-cuisine.madanight.com/post/5/32
Fanja1: de rien akia an! :) tjrs au plaisirs :):-*:-*
6. Lalah ( 14/05/2006 22:51)
soanja> angaha ankia ndry mbola tsy mpahandro sakafo mihintsy tany dago? Hm hm hm sao dia mba tsy gasy ary njy ity? anjahoana fotsiny asiana rano de ritina ankia, dia atsovy aho hihinana refa masaka.
7. diamondra27 ( 15/05/2006 04:36)
Lalah:ka raha tsy misy trafony dia soloina inona le izy
fanja1: io ny hena ritranareo:-D:-D:-D:wink::-$
de oviana 'za no ho avy?
Sady misy nahandro tilapia koa le izy an!:wink:
8. soanja ( 15/05/2006 12:57)
pitoussy:

soanja : @ voalohany aloha mbola tsy asiana rano fa karokarohina foana de rehefa somary marron marron maimay iny zay vao tapohina rano; de tsy tonga de rano be fa tapotapohana tsikelikely mandra-pahalemy azy, de azonao asiana tongolo raha tianao rehefa akaiky masaka ; nahandro gasy io a! de mahazotoa homana

Pitoussy, Fiffi misaotra betsaka fa tena ilaiko be ireo fanazavana ireo. Rahariva ihany dia hahandro dia teneniko eto. Misaotra o.

9. soanja ( 15/05/2006 13:00)
Lalah:

soanja> angaha ankia ndry mbola tsy mpahandro sakafo mihintsy tany dago? Hm hm hm sao dia mba tsy gasy ary njy ity? anjahoana fotsiny asiana rano de ritina ankia, dia atsovy aho hihinana refa masaka.

Lalah o, Rehafa malalaka indry dia vakio anie ny Blaogiko ao amin'ny Blaogy.com fa hohitandry ao hoe nahoana aho no tsy nahay mahandro e. Mbola mety elaela anefa izay vao voateniko eo an.

10. miantra ( 15/05/2006 13:46)
Ity misy recette hafa raha mety mahasoa an'i Soanja:

Boeuf Bourgignon, dia somary alona sakamalao sy tongologasy voatoto kely mandritra ny 30 à 45 mn eo ho eo, dia rehefa avy eo dia arotsaka anaty cocotte miaraka amin'ny tongolo gasy sy sakamalao ( cocotte gasy de préférence nefa na cocotte minute tsotra aza tsy maninona) asiana rano 0,5 litatra dia asiana échalotte tehina dia madinika (azo asiana poivre raha tia) dia avela hiketriketrika tsara ka isaky ny akaiky ho ritra dia tapohina rano ary haroina mba tsy hiraikitra.
Miteramenaka ho azy io fa tsy asiana menaka akory.
Aza adino ny manisy sira.

Rehefa masaka dia azonao présenter-na miaraka amin'ny ciboulette na coriandre arakaraky ny tianao.

Ny maha-hafa ity recette ity dia noho izy manpiasa sakamalao fa tsy mampiasa voatabia.

Dia bonne appêtit e!!
11. soanja ( 15/05/2006 14:22)
miantra:

Ilay izy misy sakamalao no maha gasigasy azy kokoa e. Aleo fa jereko fa handeha hiantsena aloha izao. Misaotra.

12. diamondra27 ( 15/05/2006 17:20)
miam miam doly zany an, hummmmm manimanitra tsara ery
13. Fiffi ( 15/05/2006 19:13)
ny ahy ry zareo de tena faran'izay tsotra mihintsy ny fanaovako azy an!
Somary hendasiko kely aloha ny hena dia rehefa somary mendy kely iny de harotsako ny sakamalaho voatetika , hasiana rano sy sira de ritina @ zay fotsiny de vita ! fa tena :miam::miam::miam::miam::miam:
14. miantra ( 16/05/2006 06:06)
Fiffi: Filet sns... izay malemilemy izany ve no ampiasaina?

15. soanja ( 16/05/2006 14:04)
Fiffi:

ny ahy ry zareo de tena faran'izay tsotra mihintsy ny fanaovako azy an!
Somary hendasiko kely aloha ny hena dia rehefa somary mendy kely iny de harotsako ny sakamalaho voatetika , hasiana rano sy sira de ritina @ zay fotsiny de vita ! fa tena :miam::miam::miam::miam::miam:

Miam miam Tena natsiro be lay izy ry zareo fa misaotra betsaka amin'ny torohevitra. Tena nitady kasoka mihitsy ny ramose tato.

16. Fiffi ( 17/05/2006 05:38)
soanja: inona ary ity tendakanina be ity ? de tsy mba ni-invité akory ve ? fa de faly mitantara hoe nitady kasoka mihintsy ? :-D:-D:-D:-D:-D:-D vazi2 akia ny ahy fa tena manja akia an! tena mbola hafa hiany hoa ny sakafo gasy eh ? :miam::miam::miam::miam:
Fiffi: Filet sns... izay malemilemy izany ve no ampiasaina?
miantra: tsy filet akia fa sady lafo be ny filet no tsy afaka mijotena fa mora masaka loatra.
Fa itanareo ? ny tena hena fanaovana azy de le hena hatao hoe "bourguignon" fa zao kosa an! rehefa le mendy kely iny le hena de hariana aloha ny menaka ao satria io menaka io no tena ratsy @ fahasalamana , io no mampisy cholestérol fa aleo io hariana de solohina ny menaka an!
17. miantra ( 17/05/2006 05:59)
merci Fiffi:-*
18. Fiffi ( 17/05/2006 06:33)
miantra: :) :-*:-*
19. titis ( 25/05/2006 15:00)
voalohany indrindra aloha dia hena tsy misy taviny no fidina.Endandasina @menaka kelikely dia saromana rehefa avy narorona.Asiana rano kelikely izay fantatra fa hahamasaka azy,tsy adino ny sira an!
Asiana zava-manitra ,ohatra thyn,na tongolo gasy,araka izay itiavanao azy fa tsy asiana voatabia.
Arosonao miaraka @lasary karaoty na rougail ,asiana sakay araka izay itiavanao azy.

Bon appétit!
20. Fiffi ( 01/06/2006 03:00)
titis: fa hariana aloha le menaka nendasana azy io fa io anie tena ratsy be eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0643