13 Mai :

1. Fiffi ( 13/05/2006 05:15)
Tsangam-baton’ny seza

Feno 34 taona androany ny nahazoana niantso ho kianjan’ny 13 Mai ny etsy amin’ny araben’ny fahaleovan-tena Analakely noho ny tolona nataon’ny vahoaka teo niatomboka ny taona 72, ka hatramin’izao taon-jato faha-21 izao dia mbola toeram-pitolomana foana.
Kianjan’ny 13 Mai, anarana tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao maro eto Madagasikara, eny fa na hatrany ivelany aza dia saika hitodihan’ny sain’ny mpanara-baovao maro io faritra lasa natao ho mena io, mba hiarovana ny tsy hisian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Zovy no tsy mahatsapa fa toerana natao ho fandavana ny tsy rariny izany kianjan’ny 13 Mai izany, mba tsy hilazana fa toerana fanonganam-panjakana noho ireo ra mandriaka latsaka teo mba ho soron’ny tolona ahazoana ny seza hitantanana ny tany sy ny fanjakana.
Olona aman-jatony no namoy ny ainy teo, ary ratra tsy hita pesipesenina no nozakain’ny Malagasy tamin’ny tolona izay natao teny ka hatramin’izao isika miteny izao dia mbola maro ny fery tsy hay sitranina.
Tsy vitsy koa ny olona tsy nampoizina lasa filoham-pirenena tampoka teo, ary tsy ho voaisa ireo nipitihan’ny vitana tampoka ka voaantso ho ministra rehefa nahomby ny tetika maty paika teny ankalamanjana ka ireo mbola misy tavela mitantana ny fiainam-pirenena ireo ny sasany amin-dry zareo.
Taona 2006 feno 34 katroka androana io kianja tsy manan-tsahala eo amin’ny Malagasy io, satria raha tsy eo tokoa no miainga ny hetsika ho fitakiana heverina ho tsy rariny mihatra amin’ny voan’ny tsindry hazo lena dia saika mandamoka avokoa. ny vato hono raha nahitana soa hosorana tantely, saingy iza amin’ireo nahita ny mamy teo no mba nahatsiaro io toerana niaretana ny mafy nivadika ho soa io ? sa rehefa handrombaka fahefana ihany vao mahatsiaro ny anarany ?
Tsarovy fa io no tsangam-baton’ny seza ho an’ny mpitondra ankehitriny, ary loza nihatra ho an’ny mpitondra teo aloha kosa, noho izany tsy mahagaga raha vahona ho an’ireo very seza ny kianjan’ny 13 Mai, fa ireo mbola ao anatin’ny fahefana kosa moa ve mba hitodika kely na dia iray segaondra monja ny fony noho ny soa azo teo an-kianja ? Soa aloha fa mbola mba misy ireo mahatsiaro ny ratsy sy ny soa ka mba manatitra fehezam-boninkazo kely eny isaky izay mahatsiahy, mba tsy ho raraka an-tany ny rà nandriaka ho an’ny olona lasa martiora teo, kanefa aoka mba ho anatry ny aty afara sao ianao no zary ho tohatra tsy fidiny hakan’ny hafa voninahitra ka zary hadino ianao niharitra ny mafy teo rehefa tonga ilay firavahana ny vangim-pandresena ka ny tsangam-baton’ny seza dia ireo harena miavosa azon’ireo izay nandray fahefana avy eny an-kianja ho mariky ny tolona azony angaha ?

Naivo kely Madagascar Tribune



novalian'i Fiffi ny 14/05/2006 13:08
2. Fiffi ( 13/05/2006 05:17)
Dia mivavaka ho an'ireo olona namohy ny ainy teo @ io toerana io aho. Sy ny hafa koh .
3. sareraka ( 13/05/2006 07:45)
dia mbà mitodika @ ireo olona izay atao tohatra fiakarana lava ihany koa
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY ?
4. Fiffi ( 13/05/2006 12:40)
ny tsy marina amin'izany ? hajao ireo olona namohy ny ainy t@ io 13 Mai io ary hivavaho ry zareo.
5. vale ( 13/05/2006 20:03)
sareraka: :o tsy nisy "noterena" kosa fa safidn'ny tsirairay iny! ka tsy hitako izay maha-tohatra fiakarana an'reo olona ireo @ zany?
6. Optik ( 14/05/2006 11:30)
sareraka:

dia mbà mitodika @ ireo olona izay atao tohatra fiakarana lava ihany koa
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY ?



Elà anisany!
7. Fiffi ( 14/05/2006 13:08)
vale: tsy hainy akia zany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1035