AZA MISY MITENITENY HO AHO...

1. sareraka ( 11/05/2006 13:55)
Amin\'ny fankalazàna ny faha 34 taona ny 13 mai afaka andro vitsivitsy izao dia mbà hanao tononkalo kely e,tsy ditrako angamba aloha e fa milàza izay zava-misy depuis 72 izay fotsiny ihany ny hevitra samy manana ny azy .

AZA MISY MITENITENY HO AHO
AZA MISY MITENITENY HO AHO

-1972:voatery tsy maintsy nianjera mantsy ianao ry prezidà TSIRANANA
Noho ny ambo-pon\'ny mpianatra efa avara-pianarana
ka nanome baiko ny F.R.S(1) mbà hampiasa hery sy tànana
resa-be ny nahazo an\' i MODESTE(2) hatrany atsinanana.

-Dia natao ny fanagasiana sy ny revolisiona sosialista
maro ireo mpampianatra no hita fa tsy ao anaty lisitra
sady efa tsy alehany nefa mbola mikikitra
tsy nahagaga ireo ankizy malagasy fa mifaninana mamonjy ny gisitra.

-Tonga ny taona iraika amby sivi-folo
leony ny vahoaka fa tsy mety hiova ny tontolo
nantsoina hiverina indray ny ankizy teny @ anjery manontolo
hanaisotra ny mpitondra fa hoe voron-dolo.

-HERY velona no ady eo !ary ento miakatra ity firenena ity
Izany ny slogan nefa dia vao maika fa nankahia
Tsy nahagàga ingahy ZAFY ALBERT raha nitotongana tary
ilaozana mitsikera deputé toa andri ZACHARIE.

-eee dia naverina teo indray ilay iraika lahy taloha
mahagaga ihany satria ny aliaka no miverina amin\'ny naloa
isika vahoaka koa anie mpanao kitoatoa
dia nisy ny krizy 2002 izay tsy nanam-paharoa.

-Dia tonga indray ity ingahy RAVALOMANANA
tsy dia ampy traik\'efa ka manafangaro ny anana
dia ny kihonareo aloha fafàna ho an\'izay tsy manana
izay tsy maharaka dia misalaka tanana .

-An\'iza ny tsiny nandroaka vahiny
izao nantsoina niverina izy ankehitriny
manao izay rehetra reveny sy tiany
ka ny sipa gasy aza izao be ny manaraka aoriany

-Ny an\'ialahy efa zavatra fanahy iniana
izay zavatra vita rehetra gafiana
potehina tsy asiana hoe comment?
izay any dia any tsy misy miraharaha

-varimbarian\'ny lavitra isika ka tsy mahita ny ambany maso
maro anefa ireo mpamadika palitao androany katsaka rahampitso tsaramaso
Ialahy nefa asainy miafy... izy mankany an-dafy
Isan\'ny vy fanga depuis 72 anie ry MANANDAFY!


AZA MISY MITENITENY HO AHO
AZA MISY MITENITENY...

KA INONA NO TSY MARINA AMIN\'IZANY?

(1)F.R.S io dia Force Républicaine de Sécurité miaramila niara-niasa akaiky t@ ingahy TSIRANANA izy ireo t@ izany

(2)MODESTE dia resa-be tokoa mpianatra tena nafàna fo izy io t@ gréve 72 .
novalian'i Fiffi ny 12/05/2006 09:09
2. Fiffi ( 11/05/2006 14:26)
fa inona anefa no hamerenana an'izao rehetra izao nefa iza no tsy mahafantatra an'ireo eh ?
3. Rainikarabo ( 11/05/2006 17:33)
manoratra aingam-panahy izy ry Fiffi a, dia aza misy miteniteny:-$
4. sareraka ( 11/05/2006 18:14)
Nalàza be io AZA MISY MITENITENY IO t@ 1972 sy ny hoe OMEO OMEO
KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY
5. Fiffi ( 12/05/2006 09:09)
Rainikarabo: :-$
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3949