Inona no ambadiky ny fanonganana ?

1. 100tinl ( 09/05/2006 07:45)
Matoa misy fanonganana olona amin'ny toerana iray, ny dikan'izany dia MISY OLONA HAFA TE HANDRAY NY TOERANA BANGA, te-ho prezidà fa misy zava-mamy azo trohina ao, naongana izao ny ex-filoha Lahiniriko ( le garçon tant désiré ! ), satria efa ela ange ny sasany no te-handrombaka io toerana io , EFA ELA BE MIHITSY fa izao vao tanteraka ny faniriana, inona indray ary izao no paipaika politika hatao hahalasa prezidà ? Ilaina ve ny prezidà manao Kavin'ila ?!:°)
novalian'i xxx ny 09/05/2006 20:17
2. Fiffi ( 09/05/2006 08:17)
Misy antony tokoa ny fanonganana olona eo @ toerana iray , fa raha hoe ny cas-n'i Lahiniriko angamba dia noho ireo antony 4 ny accusations nianjera taminy ka nanalana azy.
3. jajaf401 ( 09/05/2006 08:41)
Sady mba aleo ho an'i TIM ihany reny filohan'ny institution reny eh izy efa tsy TIM.
Raha tsy mety angeh ny fitantanana de ho TIM ihany hahazo fanomezantsiny eh!
4. jeancharles ( 09/05/2006 08:49)
Marina izany é!
aleoho an'ny TIM ihany rehefa niala tsy ho TIM intsony izy:lol:
5. pika ( 09/05/2006 10:42)
na ho an'ny nahongana na ny mpanongana dia samy mifono ambadika politika daholo ireo ka aleo ny ta,tara no hanohy azy
6. naej ( 09/05/2006 11:42)
manontany angamba tsy mahadiso fa tena tsy mahara-baovao mihitsy zahay fa inona moa no antony nahatonga io fanonganana io e! fa ny voatsikaritro fotsiny dia toa maro ny depute, present rehefa hanao fanonganana (130): , fa rehefa hivory toa azo isaina ?
7. jentilisa ( 09/05/2006 12:30)
izay sitrapon'ny maro an'isa ihany io e!
8. mino18 ( 09/05/2006 15:20)
ka le tim tsy mahazaka tsikera. zavatra tsara ange raha ny ao anatiny mahalala ny zava misy no mitsikera mba hanatsarana zavatra.zay fomba tsara izay mbola tsy haintsika.ho an'ny mpitondra gasy rehefa momba azy ianao de tokony hanaraka ambokony amizay kozy miainga eo fa tsy mitsikera na manohitra. mambotry firenena io fomba fanao eto io. merci
9. xxx ( 09/05/2006 20:16)
Aza mimenomenona leitsy fa izany ny atao hoe democratie, izay maro an'isa no mitondra ny baolina fa tsy ny hafa akory.
Raha ny droite ve no maro an'isa any France dia ny hevitry ny Socialiste no arahana. Ataoka fa tsy toy izany ny fandehan-javatra any France.
10. xxx ( 09/05/2006 20:17)
Tena tsy hainao mihitsy ny atao hoe democratie ry mino18.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0418