Bé ny te hanao zavatra eto MADAGASIKARA be koa ny misakana..

1. xxx ( 06/05/2006 11:21)
Izay no zava-misy hatrizay ka mahatonga ny gasy retour à zéro foana mandrak'ankehitrio .Be ny te hanao zavatra nefa be koa ny misakana ny tsy hanaovana an'izany .Asa noho ny toe-tsaina mirefarera @ tany ve,ny fialonana sa dia ankasoparana fotsiny izao?
Raha taloha fony faha mpanjaka dia nisy ny nankasitraka ny fiaraha-miasa t@ vahiny tao koa ny tsy nankasitraka an'izany.
Tao koa ny resaka fivavahana kristianina maro koa ny tsy nanaiky isan'izany RANAVALONA II

Tonga in1 ny fanjanahan-tany tao ny nitàky ny fahaleovan-tena tao ny mbola nieritreritra hoe tsara raha nijanona zone franc miaraka @ frantsay isika.Nangoron'entana moa ny frantsay nody avy eo ny ankabeazany.

Tonga i TSIRANANA, 1ére république niara-niasa akaiky t@ frantsay tezitra ny mpianatra t@ 72 fa hoe ny gasy in1 ve no angataka atiny ataovy ny fanagasiana!

Tonga RATSIMANDRAVA nanisy hasiny ny rafitra ara-piarahamonina sy ny fokonolona ,tapitra mbamin'ny ainy!!

Tonga indray RATSIRAKA,2é république ,nanao ny SOCIALISME sy ny tsirairay ho an'ny daholobe natao fanagasiana ,aongàno fa be loatra ny jadona sns...

Niditra i ZAFY ALBERT,3é république tapany voalohany,démocratie no fototra malalaka ny fitenenana...lazaina fa manao MADA -RAID erak'i MADAGASIKARA @ 4*4

Niverina indray RATSIRAKA ,tapany faha2 , FANANTENANA VAOVAO aongàno indray e ...

Izao tonga indray RAVALOMANANA ,MINOA FOTSINY IHANY sy ny FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA.
Aongàno in1 hoy ny mpanohitra ...
DIA HO AIZA IHANY IZANY ISIKA ITY E?....

Ny firenena efa hita fa mihalatsaka anatin'ny fahantràna tanteraka ,asa efa 10 sisa dia isika no GISITRA!
Mila fandinihan-tena ihany angamba aloha hoe sao dia mbà misy tsy mety kosa ary ny toe-tsaina fa raha in1 mandeha na in2 no lavo mety noho ny tsy fitandremana fa raha lavo matetika ao raha!

novalian'i Fiffi ny 06/05/2006 19:48
2. Fiffi ( 06/05/2006 12:12)
iza moa anefa no tsy mahafantatra an'io tantara io ?
3. Fiffi ( 06/05/2006 12:26)
ka inona ary no azo hatao eh ?
4. fijo ( 06/05/2006 18:56)
hevitra sy vahaolana amin'izay aroso e
5. Fiffi ( 06/05/2006 19:48)
fijo: harosoa ary akia an! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3129