Piston,tsolotra ,écolage,pitika,.....atao inona ny BIANCO?

1. joda ( 06/05/2006 10:31)
Tsy fitsikérana be fahatàny ry zareo a!fa ny zavatra hita dia varivariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso isika vahoaka @ ity resaka : piston ,tsolotra,écolage..maha lava molotra ity .

Io ary ny BIANCO natao hiadiana @ kolikoly ,nefa foana tokoa ve izany ?
Jereo ny zava-misy ao @ assemblée nationale fotsiny kolikoly tahaka ny inona no tsy niseho tao t@ ity faran'ny herin'andro ity ,nisy antony matoa nihemotra ny vote de confiance momba ny déstitution'ingahy LAHINIRIAKO .
Mbà mankanesa anie ianareo ao @ ministéran'ny fitsaràna ao ANOSY e,dia hitanareo tsara hoe misy ve izany fahamarinana sy fahamasinana izany?
Ity BIANCO ity raha amiko manokana dia fiatsaram-belatsihy fotsiny ihany ,lasa ny mamba dia misosoka ny voay.
Firifiry ireo affiches mandràra ny kolikoly etsy sy eroa erak'izao biraom-panjakàna nefa FONGANA TOKOA VE IZANY?

Nahitsin'i lanto
novalian'i heriman ny 03/07/2006 08:14
2. Fiffi ( 06/05/2006 11:20)
http://www.sobika.com/v2/interview/2006/rabaonarijaona_2006.htm
3. xxx ( 06/05/2006 11:27)
Ekena io ,fa na ny mpitondra ary anie mandoa écolage e ! ireo zana-dambo(militaire retraité)izay nandrava barrage ohatra saika zava-doza raha tsy nandoa écolage ny president ,efa nilahatra teo @ 13 mai ry zareo ireo !!!:°):°):°).

4. fijo ( 06/05/2006 18:59)
ka raha tsy izaho sy ianao no manao ezaka hialana ain'izany tsy foana hoazy izany io.tsy ny fanoloana filoha no hanala azy fa ny ataontsika tsiray ray avy
5. heriman ( 03/07/2006 08:14)
slt ; ny bianco indray dia toa tompo-trano mihonona fotsiny io ary angady tsy matapak'ahitra izany we isika madinika ihany no ataony taingim-bozona sy atao haza-lambo fa ireo atao we b hatoka toa tsy hita izay hafitsony
de aza vohany ihany re ry malagasy tsy mandohalika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8899