ARAHABAINA E...

1. lemenakely ( 04/05/2006 19:34)
-Arahabaiko ho tratry ny alarobia
mbà tsy hanova fitàna na hiova fitia
fa raha ho lany ny fetran'ity tany ity
dia miara-mandova an'iry lanitra iry.

-Arahabaina ho tratry ny alakamisy
ny lainga sy ny fitaka anie tsy hisy
fa raha misy maditra ka marary nify
hilaozy dia avelao hitsako tsy misy

-Arahabaina fa tratry ny andro azomà
ho anareo tovovavy sy ireo tovolahy
izay mikàsa hanambady hahazo vazaha
tsy ho sendra an'ireo jejo sy ireo kamo lahy

-Arahabaina fa tratry ny andro asabotsy
na ny mademozely na ny efa rafotsy
mbà miara-midola sy miara-mitosy
na ny mpandeha bus na ny mitaingina posy
dia samia velon'aina ho hanin'ny haofotsy e.:-D:-D

MISAOTRA TOMPOKO!!!
novalian'i onjah ny 06/05/2006 08:11
2. cutie ( 04/05/2006 19:57)
tsy misy alahady nga :-D:-D:-D
merci na de zany aza:wink:
3. Fiffi ( 04/05/2006 20:23)
cutie: ka mety tsy mbola vita fa ho tohizany koh! ny alatsinainy , talata , koa tsy ao!
fa misaotra anao eh!
4. cutie ( 04/05/2006 20:38)
ngamba:P
5. sonwin ( 04/05/2006 20:39)
faly ery cutie sy Fiffi nahazo firarian-tsoa ho velon'aina ho hanin'ny haofotsy...dray marina:^):^)
6. cutie ( 04/05/2006 20:40)
oups ary tsy hitako io farany io :-D:-D:-D:-D
7. sonwin ( 04/05/2006 20:43)
gaigy be io farany io, sanatria ka ozona ange io e, tsy mba mirary ny olona ho tafita soa fa mirary ny olona ho.....:^):^):^)
8. cutie ( 04/05/2006 20:45)
soa ihany fa tsy mbola sabotsy ny andro:-D:-D:-D
9. sonwin ( 04/05/2006 20:49)
toi ve efa nahita haofotsy?
10. cutie ( 04/05/2006 20:50)
toi kou mampme an3
fa ahona:-D:-D:-D
efa nahita nga toi
11. sonwin ( 04/05/2006 20:55)
ka za mbola tsy nahita,ka raha ohatra ndry efa nahita dia saika hanotany za hoe sahala amin'ny ahona kou :P :-D, lemenakely zao no sur fa efa nahita kle :^):^)
12. cutie ( 04/05/2006 20:55)
de izy anontanio zany :-D:-D:-D
13. sonwin ( 04/05/2006 20:57)
ie sady leiry marina zao amin'ny sabotsy ho velon'aina ohanin'ny haofotsy :-D:-D
14. cutie ( 04/05/2006 20:57)
:-D:-D:-D:-D:-D
soa iany za tsy tia andro sabotsy kle :P
15. sonwin ( 04/05/2006 20:59)
fa maninona ny andro sabotsy? :/
16. cutie ( 04/05/2006 21:00)
tsy haiko tsy tiko fotsiny :-D:-D:-D
17. sonwin ( 04/05/2006 21:01)
zay izany ilay hoe tsy tiako tsotr'izao tsy asiana hoe nahoana an :°)
Ny ahy ny andro talata no tsy tiako:^)
18. lemenakely ( 04/05/2006 21:01)
-Arahabaina fa tratry ny andro alahady
ry mpiasa tany ampirimo aloha ny angady
raha mbola zatovo miangöna fa mety ahita vady
fadio ny lainga fa mamarina an-kady
aleo mbà hitovy ny tolotra sy ny tinady.
19. cutie ( 04/05/2006 21:02)
za koa tsy tia andro talata
larobia sy zoma ihany no tiko :-D:-D:-D
20. cutie ( 04/05/2006 21:03)
io fa nataony ny lahady:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3472