Toa miverin-dàlana anie isika izany e!...

1. petsambava ( 30/04/2006 08:38)
Raha ny zavatra hita sy tsapa dia toa miverin-dàlana mihintsy isika gasy na ara-pôlitika na ara-economie na toe-karena.
-Ara-pôlitika dia miverina ny jadona sy ny tsy refesi-mandidy ,raràna ny mpanohitra tsy haneho hevitra eny ankalamanjàna ,raràna ny gazety mpanohitra à bord de AIR MADAGASCAR,..Tsy izany zavatra izany ve no olana ka nahatonga ny crise t@ 1991 e? sa adino sahady ..

-Ara-toekarena moa dia hita fa mivarilavo na ireo vahiny mpandraharaha avy any ivelany aza dia hita fa tsy dia marisika loatra hampiasa vola eto MADAGASIKARA tsy stable ara-pôlitique ,na mora aza ny karàma sy ny main d'oeuvres

Ny zavatra tena tsapa aloha dia ny fahadisoan'ny mpitondra hatrizao dia mihevitra fa azy irery i MADAGASIKARA,ary ny olona koa dia toy ny saribakoly ka azo anaovana izay tiana atao ..NISY FARANY DAHOLO NY REHETRA!!!
novalian'i Fiffi ny 01/05/2006 03:42
2. Fiffi ( 30/04/2006 08:57)
Ny zavatra tena tsapa aloha dia ny fahadisoan'ny mpitondra hatrizao dia mihevitra fa azy irery i MADAGASIKARA,ary ny olona koa dia toy ny saribakoly ka azo anaovana izay tiana atao ..NISY FARANY DAHOLO NY REHETRA!!!
mihevitra fa ho azy irery i M/car ahoana izany ? hanaovana izay tiany hatao ahoana izany ?
3. dadabe ( 30/04/2006 09:39)
petsambava> tsy hoe miverindala r'ise fa maka bahana a :°) , sahala aminao le hitsambikina , somary maka bahana kely aloha de manisa 3 , izay vao lasa , fa tafa foana io e:wink: "minoa fotsiny ihany hoaa":°)
4. lapino ( 30/04/2006 09:46)
petsambava:
raràna ny mpanohitra tsy haneho hevitra eny ankalamanjàna ...
tsy stable ara-pôlitique

Fa iza anefa no manakorontana? Sao dia tokony handraisana fepetra?

Fa noraràna tsy haneho ny heviny angaha ny mpanohitra? :-w:-w:-w
5. xxx ( 30/04/2006 11:37)
Hoy i petsambava:
raràna ny mpanohitra tsy haneho hevitra eny ankalamanjàna ...
tsy stable ara-pôlitique

Ka ny mpanohitra koa anie anisany tompon'andraikitra @ tsy mampandeha ny toe-draharaha eto Madagasikara.

Eto Madagasikara de afaka maneho ny heviny tsara ny olona rehetra, Gazety sy Radio. Fa iangaviana anefa ireo mpaneho hevitra mba hitsinjo hantrany ny tombotso ny Madagasikara malala-tsika. Io no tsy ampy teo amintsika.
6. xxx ( 30/04/2006 14:23)
Ka ilay mpanohitra ange dia ny hanongana an-dRavalo à tout prix no heviny ary tsy afeniny izany. Ka tsy maintsy handray ny andraikiny izany ny mpitondra, koa inona ary?
7. vale ( 30/04/2006 15:59)
petsambava> efa manakaiky angamba lay fotoana ka tsy maintsy miaro ny rambony tsy ho tapaka izy, na izany aza mba mahagaga ihany izany? fa ny ahy rehefa samy hifidy aloha aleoko aza manao izay ny mpitondra raha matahotra ny tsy ho lany toy izay mangala-bato sns, tsy vitan'zay fa efa mba nahafa-trosan'i m/kara(na dia tsy izy rehetra aza!) kosa i ra8 na dia izany aza, ka tsy aleo ve hitohy eh?
Raha tsy afaka ny trosabe antsika moa fomba ahoana no hahafahana mandroso? na iza na iza mpitondra handimby eo? fa dia asa aloha:?::?:
8. xxx ( 30/04/2006 16:41)
VOALAZANAO!
9. fijo ( 30/04/2006 17:12)
petsambava an,jereo aloha ny zavatra misy.ny mpanohitra tany diego dia navela ary nomena toerana hanao fanehoan kevitra.ny nataony anefa dia lasa izy nanakorontana ny fetin tsekoly tary amin'ny lapan'ny tanana.
ao tana izy mitady ny hanao hetsika eo ampovoan tanana eo,nefa hanakana sy hanimba zaridaina fotsiny avy eo.
manatsikera be izy"zoany izay"fa mba inona no nataony fony izy teo????
hafaka mamoaka hevitra amin'ny radio koa izy,fa tsy mamorona kosa nefa"nanao pakta tamin'ny satana hoy ngahy pasy"??????????nisy taratasy voarakitra ve izany?nisy nahita ve izany?
izay no olana misy any.
10. xxx ( 01/05/2006 03:33)
Tsy mahagaga ary marina ny fanamarihanareo fa miverin-dalana isika.
Aiza moa ka ireo mpanao politika efa nanana andraikitra teto amin' ny firenena kanefa tsy namokatra ho hankalazaintsika tanora sy andranddraintsika hahavita fahagagana.
zarantsika aza fa mbola miverina fotsiny fa tsy latsaka ankady mihitsy.
Amin' ny maha RAR azy ireo dia tokony hajaina , fa ny fitantanana ny rahararam-pirenena kosa dia nahoana isika tsirairay avy amin' ny sehatra misy antsika no tsy sahy miteny mivantana azy ireo hoe "Aoka izay ny anareo " .
Misy amin'ireo RAR ireo anie tena mamotika ny firenena mihitsy ara-toekarena e.
11. Fiffi ( 01/05/2006 03:42)
betsaka koa ny zavatra voalaza nefa tsy mari-potitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0634