Jijy

1. soanja ( 21/04/2006 23:35)
Hono hoy aho sao mba misy mahay manao Jijy eto amin'ny sehatra fa mitady an'ireny aho azafady. Jijy fanaon'ny any amin'ny Antakarana no resahiko fa jijy baolina akory an na jijy hafa. Soanja.
novalian'i soanja ny 26/04/2006 23:23
2. Fiffi ( 22/04/2006 06:05)
fa inona aloha zany jijy zany ? mba azavao eh!
3. soanja ( 22/04/2006 12:01)
Ny Jijy dia hira na poezy mifangaro avy any amin'ny faritra Sakalava sy Antakarana, ka izy io dia fanao amin'ny fety: rehefa mihira azy dia atao maika be sady efa misy teny ohatra ireny teny ohabolana ireny ananany ka miaraka amin'ny tehaka na rombo no fanaovana azy. Mampiasa an'io matetika ny Antakarana rehefa hanao sorona eny amoron-drano na hanala fady na miantso tromba sns.
4. zamabe ( 22/04/2006 16:22)
Jijy mikasiky nino mba tadiavinao zalah?ambara zaho fo zay tadiavinao fa empaka fo anao koa zaho mandefa zegny aminao aty.
5. madera2 ( 22/04/2006 17:30)
ity ary ary jijy iray momba voay:tantaraiko ny tantara momba voay , voafiko rambony torantoramasay , tainy amin' izany karaha sokay , mirafitra aminazy tsy maintsy maratra bay , melomeloka lalana bekobay , menapitsoka tsy manantaolana avay , vaivy bekibo tsy afaka milomay kikerinaloy tsy mapoaka bay , iza koa tsy mahay anakay , tsy mahay anakay diaso maraindray , zaho very anaty lay olo tsy tia zaho very ambavam-boay , baban' iada atao dadilay, olo kamo tsy havanay , faranako ny jijy malailay , fa zaho ndehody aminay . misaotra , raha mbola mila jijy anao dia manorata amiko fa mbola maro izy ato. veloma!!!!
6. cutie ( 22/04/2006 17:43)
mahay nareo ka, za mpihaino jijy taloha:P
7. soanja ( 22/04/2006 20:56)
madera2:

ity ary ary jijy iray momba voay:tantaraiko ny tantara momba voay , voafiko rambony torantoramasay , tainy amin' izany karaha sokay , mirafitra aminazy tsy maintsy maratra bay , melomeloka lalana bekobay , menapitsoka tsy manantaolana avay , vaivy bekibo tsy afaka milomay kikerinaloy tsy mapoaka bay , iza koa tsy mahay anakay , tsy mahay anakay diaso maraindray , zaho very anaty lay olo tsy tia zaho very ambavam-boay , baban' iada atao dadilay, olo kamo tsy havanay , faranako ny jijy malailay , fa zaho ndehody aminay . misaotra , raha mbola mila jijy anao dia manorata amiko fa mbola maro izy ato. veloma!!!!

Merci! Tena amin'ny ilako azy mihitsy ka. Amia maromaro any azafady izikoa mbola misy.


8. soanja ( 22/04/2006 20:59)
zamabe:

Jijy mikasiky nino mba tadiavinao zalah?ambara zaho fo zay tadiavinao fa empaka fo anao koa zaho mandefa zegny aminao aty.

Alifasa zalahy e, alifasa malaky kony azafady. Izay henao any alifasa eto na anorata aminakahy. Misaotra betsaka mialoha. Soanjamirana@yahoo.com


9. madera2 ( 24/04/2006 17:21)
efa nandefa zaho nomaly fa gaga zaho izao toy tsy voarainao angamba ? , jijy nalefako tamin' izany diatantara momba lambo , valio haigany raha tsy azonao, marihina fa nisy fahatapahana kely ny fifandraisana tamin' io. miadry valiny haingany avy aty aminao .
10. madera2 ( 24/04/2006 17:49)
andefasako iray ity aloha anao mandra- palianao ny fanontaniako iny : kadradraka sy ny kalalao , iraiky ampijijy fa iraiky mpilalao , zaho te hiaraka aminao , ka ino maresaka vaovao , zaho te ho vinanton' ny babanao , ka ambarao ny tantara momba anao , amin' izay fantako marina anao , jijy karazana kilalao izany koragna ambaranao mafinaritramikoragna aminao , ka aiza ny toerana misy anao, serasera ahitana vaovao , koragna ratsy ambilao , ............. mbola lavabe fa tena vizana be aho ka amin' ny manaraka no manohy azy raha ilaina izany ,velomeeeeeee!!!!
11. soanja ( 25/04/2006 01:14)
madera2:

efa nandefa zaho nomaly fa gaga zaho izao toy tsy voarainao angamba ? , jijy nalefako tamin' izany diatantara momba lambo , valio haigany raha tsy azonao, marihina fa nisy fahatapahana kely ny fifandraisana tamin' io. miadry valiny haingany avy aty aminao .

:DTena tsy azoko mihitsy zany Jijy nalefanao momba ny lambo izany. Taia moa nandefasanao izy io? Misaotra betsaka koa tamin'ny Jijy momba ny kadradraka sy Kalalao. Mba azavazaozvao aminay eto anie ry Madera2 hoe ahoana marina ny fomba fanaovana ity Jijy ity fa tokony hifamaly toy ny kabary ve ilay izy sa samy manao ny azy. Ny tadidiko mantsy dia samy nanao ny azy dia samy mial rehefa vita fa tsy mifamaly. Sa hafa koa jijy araiky ity. Toa miresaka amiko ianao dia mila amaly anao koa zaho par jijy? Misaotra betsaka mialoha. Valio o. Soanja:D:D:D


12. madera2 ( 26/04/2006 16:37)
ny tena marina dia tokony olona roa na maromaro ny mifamaly amin' ny jijy . ohatra momba ny kadradraka sy ny kalalao iny dia afaka mintantara hafa koa ny hafa . oh : kadradraka sy ny kalalao , ino maresaka vaovao , maromaro koragna ambara anao, manakory ny mombamomba anao , zaho andefasa sarinao , aminjay fantako ,marina anao,..... Oh foana iny fa tsy tena izy ka toy izany nny fanaovana jijy , veloma!!!
13. soanja ( 26/04/2006 23:23)
Madera2, Misaotra betsaka anao fa tena afapo mihitsy aho tamin'ny fanazavana sy ny jijy nomenao ahy. Rehefa mazotozoto iny anao dia mbola andifasa fo zahay fa tsitokony ho very io kolotsaina iray io satria tena milaza momba an'iny faritra avaratra iny mihitsy sy ny hakantony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1852