Raha hisy email @serasera.org

1. hery ( 03/04/2006 09:34)
Eo am-pieritreretana ny fikarakarana ny hananan'ny namana adiresy email @serasera.org izahay amin'izao fotoana izao.
Misy fanontaniana vitsivitsy ireto raha afaka mamaly ianareo.

1. Mety hahaliana anao ve ny hanana adiresy email eto amin'ny serasera.org? (Tsy maninona mihitsy na miteny hoe TSIA aza :-) azavao fotsiny hoe inona no mety ho olana)

2. Ahoana ny endriky ny adiresy mety ilainao? solonanarana@namana.serasera.org sa solonanarana@serasera.org ?

3. Mety hahaliana anao kokoa ve raha voarainao any amin'ny adiresy email ampiasainao ato @ namana ny hafatra voarainao @ adiresy @ serasera.org

Misaotra anareo
novalian'i Fiffi ny 04/04/2006 05:24
2. LazaRandri ( 03/04/2006 09:54)
Tsara ilay vinavina fa misaotra indrindra. Izaho manokana aloha tsy dia liana loatra na izany aza. Fa ireto mba soso-kevitra:

- Atao kelikely raha tsy aloa vola (oh: 20 Mbytes) sady asiana dokam-barotra
- Atao lehibe raha aloa vola dia tsy asiana dokam-barotra.

[size=8]Fantatrareo ve fa mafia hono no tompon'ny yahoo? Dia ny CIA tafiditra ao @ google mail?[/size]
3. Fiffi ( 03/04/2006 10:13)
Tena tsara tokoa fa raha ohatra zany ve misy mandefa mail ho ahy dia io zany dia tonga dia voaraiko @ adiresiko , nefa mety voavakin'ny mpandrindra ve izany mail zany ? mba fanontaniana aloha ny ahy an! satria @ serasera.org ilay adiresy . Raha izaho manokana aloha dia ny tsara dia solonanarana@serasera.org no tsotsotsa kokoa.:)
4. Fanja1 ( 03/04/2006 13:55)
hery otrany lava loatra ilay :solonanarana@namana.serasera.org
za manokana dia satriko aza manana compte mail ato:)
5. sipagasy ( 03/04/2006 17:33)
ilina ilay cmpte solonanarana@serasera.org kouuu raha izaho manokana aloha e! sady mifameno @ hafatra @ izay koa tsy miovaova aho rehefa mamaky hafatra fa tonga dia mba eto ihany e!, tsy dia be mpanoratra mantsy aho ka tena mety amiko ilay izy e!
6. Fiffi ( 03/04/2006 18:18)
@ izay koa tsy miovaova aho rehefa mamaky hafatra fa tonga dia mba eto ihany e!,
ahoana akia izany ry sipagasy ? tsy azoko loatra ny tena fandehany. Raha maharay afatra dia tsy eto intsony fa tonga dia any @ mail-ndry ve ?
7. vale ( 03/04/2006 19:40)
Tsara izany ka:)fa raha asiana dia ny hitako tsara izao dia ilay solonanarana@serasera.org:)
8. Fiffi ( 04/04/2006 05:24)
sa ohatra ny mail rehetra hiany , sa voatokana handraisana ny hafatra voaray ? tena tsy azoko azafady eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1339