Mitovy fa tsy sahala

1. Fiffi ( 01/04/2006 08:36)
Sadasada manan-tsoratra ny fifandraisana amin’ny any ivelany, raha amin’izao fotoana izao. Manana masoivoho isuka, any rehetra any, saingy ny ankabeazan’izy ireo, raha ny marina dia ny 99%, angamba, dia tsy nisy manana fahalalana momba izany diplaomasia izany, satria tsy nianatra an’izany.

Ekena fa toerana pôlitika izany anendrena ny ambasadaoro izany, kanefa mba tokony hahazoana vokatra kosa, satria volabe no antohin’ny firenena ho an-dry zareo ireo, na ny karamany, na ny fampandehanana an’ireny masoivoho ireny. Ny sasany mpitsabo, ny ankoatra izay mpandraharaha ara-toe-karena, ny sisa mpampianatra, sy ny sisa ê… Tsy mampaninona izany rehetra izany, fa ny fanontaniana dia ny hoe inona moa izany ny «Nday» nentin’izy ireo ho an’ny firenena, raha mitaha amin’ny «Inday» nametrahana an-dry zareo ireo teo amin’ny toerany ?...
Tsy ahitam-bokany ny fifandraisana amin’ny any ivelany eto amintsika eto, na dia eo aza ity lazaina ho fanafoanan-trosa ity. Foana ny trosa, tsy aloa intsony izany, kanefa inona no nentin’izany teo amin’ny fiainam-bahoaka ?... Mbola fanompoam-bazaha ihany no misy hatramin’izao !
Raha ny vaovao farany dia ny hoe nahazo mpanolotsaina japôney miisa roa vaovao ny filohampirenena, amin’izao fotoana izao. Tsy misy maha ratsy azy mihitsy izany, saingy ny zavatra hita no mahalasa ny eritreritra : betsaka ny mpanolotsaina ao, fa inona no tena asan-dry zareo ao ? Na tiana na tsy tiana dia mazava fa ny mpanolotsaina vahiny dia tsy hiady ho an’ny hahasoa ny malagasy mihitsy. Ny mahatonga an-dry zareo ireo ho eto an-toerana dia ny hiaro ny tombontsoan’ny fireneny ihany. Ny zavatra hita koa anefa dia zary lasa mpiaro ny toerany sy ny tombontsoan’ny antokony ihany ireo «conseillers» gasy ao ambony ao, fa raha ny marina dia tsy masin-teny mihitsy izy ireo. Na ny mpiray antoko aminy aza, na efa mandrisika azy ireo hifaninana amin’ny fifidianana manaraka, dia odiany tsy henoina.
Mitovy ireo fa samy mpanolotsaina, saingy tsy sahala, fa ny vazaha mpiaro ny tombontsoan’ny fireneny ka maha sahirana ny malagasy, fa ny gasy mpanolotsaina kosa mpanitsy ny «teny diso tsy mba kabary» fotsiny. Aiza ho aiza ny hambom-po ?...
Lalou pour La Gazette de la Grande Ile
novalian'i fijo ny 05/04/2006 19:00
2. patrick2002 ( 02/04/2006 04:11)
tsy hitako mihintsy aloha no maharatsy ny fananana mpanolo-tsaina vahiny ,araky ny maha mpanolotsaina azy manolotra hevitra no anjarany fa ianao no tompony fanapaha-kevitra, ilaina ny fananana hevitra maro mialoha ny hangalana fanapahakevitra ,sa ahoana hoy Fiffi :wink:
3. Fiffi ( 02/04/2006 04:39)
marina ny anao , satria koa tsy ny malagasy hiany anie ny mamana sy manao an'izao eh! eran-tany dia samy manana daholo , eny ! na ny amerikanina aza ! nefa tsy dia hitako loatra inona no idiran'ny hambom-po @ zany.
4. fijo ( 05/04/2006 19:00)
ny tsy zakantsika dia ny fiheverana fa lafo kokoa ny mpanolotsaina vahiny.asa izay karamany any,za tsy mahalala,fa amiko misy "mahatsara azy ihany aloha."nataoko " "ilay hvitro satria,samy mahay sy nianatra ny gasy sy ry zareo.ny tombony hoazy "ngamba" dia izy efa manana traikefa .

momba ny resaka masohivoho aty ivelany.za dia manohana io hevitry ny gazety io.tokony hitondra vokany ny asan'ny masohivoho,fa raha tsy izay dia tokony soloina izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0577