Ankizivavy kely naolana sady notapahin-doha

1. Fiffi ( 01/04/2006 08:12)
Bongatsara
Faty tsy misy loha ary niboridana, izay no hitan'ny fokonolona tao anaty kirihitra tamin'iny faritr'Anjomakely iny, ny alakamisy teo. Ankizivavy kely manodidina ny fito taona eo izy io, raha ny vaovao azo, ary zanak'olona avy amin' ireo fianakaviana mpifindra monina eny amin'ny “village Famonjena” eny Bongatsara. Raha ny voalaza, araka ny fitiliana nataon'ny mpitsabo sy ireo zandary nanao ny fanadihadiana, dia sady naolana ity zazavavy kely ity. Ary novonoina tamin'ny fomba mamohehatra nony avy teo.
Efa tamin'ny 29 marsa teo izy, raha ny fanazavana azo avy tamin'ny zandary, no tsy hita. Ny ampitso izy no hita, saingy vatana mangatsiaka sisa, ary tsy misy lohany.
Niezaka nikaroka ny lohany ireo mpanao famotorana. Omaly vao hita ity lohan'ilay zaza, tao anaty kirihitra, tsy lavitra ny toerana nahitàna ny fatiny.
Efa manao ny fanadihadiana rehetra ireo manam-pahefana any an-toerana amin'izao fotoana izao.
Nirina Rakotoson
L'express de Madagascar
novalian'i prime ny 02/06/2006 11:34
2. Fiffi ( 01/04/2006 08:14)
Mahamasina
Tao anatin’io bozaka io no hita ilay zaza.

Mirongatra mihitsy ny famonoan-jaza rano (fanalan-jaza) tato ho ato. Teo Mahamasina, omaly maraina, toerana tsy lavitra akory ny hopitaly fiterahana etsy Befelatànana, fatin-jazarano iray no hitan'ny fokonolona teo amoron'arabe. Napetraka fotsiny tamin'izao ilay razana, tsy nofonosina. Nahohoka izy ary mbola hita teny aminy ny tadim-poitrany. Vao avy nalàna mihitsy ilay zaza, raha ny fitantaran'ireo nahita, dia nariana teny an-toerana satria mbola nihoson-drà ny vatany. Saingy noho ny fotoana ela nanariana azy teo dia efa maina ilay rà tamin'ny vatany.
Tsy hita moa noho ny izy nihohoka ny fitaovam-pananahany nanavahana ny maha lahy na mahavavy azy.
Efa tonga teny an-toerana naka ny razana ny tao amin'ny BMH.
Zava-nitranga nitovy tamin'izay ihany koa no hitan'ny fokonolona teny Antaninarenina, omaly antoandro. Teo amin'ny zaridaina fipetrapetrahan'ny olona teo ihany koa no nahitàna fatin-jazarano iray. Ireo olona nipetrapetraka teo an-toerana no nahita an'ilay razana ary niantso ny mpitandro ny filaminana.
Arakaraka ny handrosoana sy hiroboroboan'ny fahalalana amin'ireny fitaovana fanabeazana aizana sy hisorohana ny fitondrana vohoka ireny no mahabe ny fanalan-jaza ! Asa, ny fanentanana ve no tsy ampy sa ny finiavana tsy te hampiasa azy ireny no antony.
L'express de Madagascar
Nirina Rakotoson
3. Fiffi ( 01/04/2006 08:24)
Vonoan’olona mahatsiravina : Ankizy voatapa-doha sy lela .
Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana an’i Natacha, zazavavy kely vao fito taona monja, teny Anjomakely kaominin’i Bongatsara, Antananarivo Atsimondrano.

Notapahina nisaraka tamin’ny vatany ny lohany, ary tsy hita nanjavonana koa ny lelan’ity zaza. Tamin’ny alarobia, rehefa nirava avy nianatra i Natacha kely, dia nody nisakafo tao an-tranony tsy lavitra ny toerana fonenany. Fomban’ny ankizy moa rehefa tsy mianatra ny tolakandro, dia manararaotra milalao. Tamin’ny 4ora hariva dia tsy hita teo an-tanàna intsony izy raha nitady azy ny renibeny. Nifandrimbona ny fokonolona nitady ilay zazakely, fa samy niala maina fotsiny, avy eo nampandrenesina ny ray aman-dreniny izay mivarotra anana aty an-drenivohitra. Natao ny fikarohana ka ny alakamisy alina no hita ny vatany izay efa tsy misy loha intsony, sahabo ho dimampolo metatra atsinanan’ny trano fonenany. Ny zoma indray no hita tsy lavitra ilay nahitana ny vatany ny lohany ; rehefa nojerena akaiky indray ny razana dia tsy tao ihany koa ny lelany no sady efa miongotra ny volony. Raha naheno ny vaovao moa izahay dia nidina teny an-toerana hijery ifotony ny raharaha, ary dia nahita soamantsara ny tomponan’andraikitra mpitantana ilay « Ong Famonjena », izay miahy manokana ireo mponina rehetra mipetraka eny amin’ny manodidina. Mampalahelo anefa ny valin-teny azo tamin’ilay tale manokana miahy io fikambanana io. Tsy mbola afaka manome vaovao ny tenany, fa mbola manohy ny fanadihadiana mikasika ny nahafaty ilay zazakely. Dia lasa ihany ny saina sy ny eritreritra hoe fa angaha misy zavatra afenina amin’ny mpanao gazety, kanefa ny fianakavian’ilay zaza avy aty Antananarivo dia namela malalaka ny hamoahana ny vaovao sy ny sary. Taorian’izay moa dia nitsofana farara ny teny an-toerana, ary lasa izy ireo nijery akaiky ilay toerana nahitana ny razana. Ny mahagaga dia nomena baiko ireo olona fa aza avela miakatra manatona eo io mpanao gazety io. Efa tonga teny an-toerana moa ny zandary avy eny Amboanjobe nijery akaiky ny fandehan-javatra, koa harahintsika eto amin’ny manaraka ihany ny tohiny. Ny fanontaniana manitikitika ny olona dia hoe fanahy iniana novonoina ve sa natao sorona ilay zaza, dia avy eo naverina tsy lavitra ny tanàna ny fatiny. Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ny fianakavian’ny maty, ny hijerena manokana ny famotorana ity raharaha ity, fa toa mifono misitery lalina tsy takatry ny sain’olombelona ny zava-misy.
Alain Michel pour La Gazette de la Grande Ile
4. vale ( 01/04/2006 08:55)
:?:?:?:?:? brrrr, tena misy dia efa tsy omobelona intsony :twisted: dia na dia inona aza ve dia tapahina ny lohan'ilay zaza:( amin'izay nalaina ny lelany sy ny volon-dohany... maty olona mpanao "ody" izany mahavita HABIBIANA izany:evil:
5. vale ( 01/04/2006 08:56)
miala tsiny fa be "faute de frappe", fa "mety" no tiko tenenina an, dia koa "olombelona" sao tsy azonareo manko:wink:
6. Fiffi ( 01/04/2006 09:35)
ny tena mampalahelo aloha dia ny fibibiana tahak'izao dia toa mahazo bahana mihintsy hatraiza hatraiza . Enga nie ka ho voasazy faran'izay enjana indrindra no mpanao an'izany.
7. vale ( 01/04/2006 17:49)
izany mihintsy, efa tsy olombelona intsony:twisted:
8. Lejim ( 01/04/2006 19:35)
Mampalahelo izany!
9. Veloo ( 02/04/2006 02:41)
10. Fiffi ( 02/04/2006 05:10)
:(:(:(:( marina tokoa!
11. titis ( 30/05/2006 14:00)
:(han an an!matetika ny lehilahy foana no tena ratsy.
tsy ny lehilahy rehetra an!fa dia tena mampangotsoka mihitsy sady mampalahelo
12. prime ( 02/06/2006 11:34)
Mampalahelo tokoa...:(
toa manana endrika sorona ihany ilay izy raha tena dinihina tsara fa tsy resaka filàna tsotra fotsiny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074