Gasy any andafy ???

1. xxx ( 29/03/2006 21:21)
Misy madama efa zokinjokiny izay nitantara zavatra tamiko fa tena tsy mampino ahy. Nisy olona 2 niantso azy @ telefaonina hono, tsy mitonona anarana an ! fa mitatitra fotsiny hoe ny vinantonao vavy madama manao zavatra tsy mety amin'ny vadiny ary mahafantatra daholo ny mpiaramiangona rehetra ka andana teneno izy fa raha toa ka mitohy izao ataony izao dia esorinay tsy ho mpandray andraikitra ao ampiangonana intsony izy (satria olona tena mafanafo ilay madamakely). Dia zany ve reto dé mbo mety ? Inn no idiran'ny olona @ fiainan'ny mpivady na dia hoe mpiangona aza ry zareo ? Hoatran'ny midikiditra @ tsy aferany le mpiray fiangonana ? Toa mifankahalala be daholo mantsy hono ny gasy any am fipetrahan'ny zanak'ity madama ity ka raha vao misy zavatra kely mitranga dia mahalala daholo ny reheta. Hoatr'izany daholo ve ny gasy any andafy e ?
novalian'i Fiffi ny 02/04/2006 05:08
2. Vaika ( 29/03/2006 21:28)
Pire !!!!!
Rehefa tsy miditra am-piangonana ianao dia sady voan'ny tondro-molotra no hialan'ny olona pà, voa-tsikera...
3. Herimiafina ( 29/03/2006 23:29)
Tsy ny gasy ihany no manao an'io fa rehefa fiaraha-monina dia ahitana foana ny atao hoe vavambahoaka.
Ny fandinihan'ny manampahaizana dia arakaraky ny maha-éduqué ilay société na fiaraha-monina no mahalefy kokoa io toe-javatra io.

Ny fandraisako azy manokana indray dia, miteny be amin'ny fiaraha-monina sasany ny atao hoe IMAGE sy REPUTATION, io dia vokatry ny zavatra niainany sy ny fototra nijoroany.
Ka ny vokany dia mikaonty be ny atao hoe ENDRIK'IVELANY

Izany hoe: Tsy te hahalala izay antony ao ambadika ny olona fa izay hitan'ny masony no hitsarany anao.

Izaho izao ohatra niaraka tamin'ny reniko nifampitantana dia nisy nahita dia efa nandeha ny resabe hoe gigolo ileiry, hehehehe:-D:-D

Matetika société manana complexe d'infériorité no manao an'io, ary misy aza mitady mihintsy information entina hitsikerana ny hafa mba hampamboniana morale satria mahatsiaro RATSY ka mitady namana, ary mifaly amin'ny fahavoazan'ny hafa.

Hoy ilay Frantsay iray izay: "En Afrique, tu épouse la femme, tu te maries avec toute la famille" (la siociété).

Ny vaha-olana dia ampiakarina ny niveau d,éducation dia mampiasa saina kokoa ny olona dia tsy mitsara ivelany fotsiny ary tsy manao préjugé foana.

"Un préjugé est difficile à desagreger qu'un atome" Albert Einstein. (l)
4. patrick2002 ( 30/03/2006 02:57)
Manana safidy 2 isika na hiaina hiaraka @ communauté na samy maka ho azy,samy manana ny lafi-tsarany sy ny lafiratsiny daholo ny endrikireo safidy 2 ireo,anisany lafiratsiny io notanisainao eo ambony io.
5. Fiffi ( 30/03/2006 03:30)
Raha ny hevitro kosa aloha dia tsotra hiany: ny honohono dia tsy afaka @ olona mihintsy , inona no mahatonga an'izany ? fialonana , raha tena marina izany , maninona anefa raha miseho masoandro koa ireo olona 2 niantso azy ireo ? marina ve aloha fa tena manao izany ilay madama kely ? ny mahagaga ahy koa dia ny hoe ny mipara-mpiangonana mahafantatra izany daholo , @ zay koa hoe olona mpandray andraikitra ao am-piangonana izy , sur ve fa raha tena marina io dia tsy ho tonga saina izy nefa mpiandraikitra izany ? ka maninona koa anefa io olona efa zokinjokiny io raha feno fahendrena izy ary samy mpivavaka no tsy manantona azy ary hilaza aminy na ohatra hoe mahafantatra an'izany izy ka maninona raha milaza @ mpiandraikitra ambony fa misy zavatra toy izao , raha mitombona ilay izy an! dia anjaran'ny eo ambony no miresaka aminy hoe tsy mety ny hataony @ maha-mpandray andraikitra azy ao @ fiangonana dia iny indray ny honohono fa mitatra dia mitatra !
6. dadabe ( 30/03/2006 03:43)
tsy azoko le resaka ery ambony
7. Ragadona ( 30/03/2006 05:02)
Tsy voaporofontsika alo hoe honohono sa tena izy nefa raha io fitantaran ny nametraka sujet io dia zavatra efa mazava be eo amin ny manodidina azy le izy, ka ra izay dia ataoko fa rariny ihany ra miditra amin ny resaka fiangonana raha toa ka tompon andraikitra ao izy nefa misy fitondran tena tsy maotina miharihary ataony. tsy hateren tsaina izany zavatra normal be, raha tsy izany ve tsy atao mpitarika na mpiandraikitra ao amin ny fiangonana ny bodo sy adala rehetra
8. Fiffi ( 30/03/2006 05:25)
Nisy olona 2 niantso azy @ telefaonina hono,
io aloha dia efa honohono kosa eh! ilay izy anie dia lasa mitatra be ilay resaka eh! nefa samy tsy misy mahafantatra hoe tena marina ve izany na tsia! Ny mahagaga ahy manko dia izao: ny olona nitantara t@ xxx dia efa zokinjokiny , raha raisiko @ maha-zokinjokiny azy ary raha mpivavaka izy maninona anefa raha nahita an'io raha tena marina izany no tsy tonga dia nanantona azy avy hatrany fa mbola lasa indray namitatra any @ i xxx ? na koa tonga dia nanantona ny mpitondra fiangonana raha tena marina izany nefa fantany tsara fa tsy mendrika ho an'ny olona manao an'izany ny fandraisana andraikitra ao @ fiangonana ?
9. Angie ( 30/03/2006 07:02)
Tsy ny gasy andafy rehetra aloha no misy an'io cas io e.

Ny ahy aloha ny halehako any ampiangonana hivavaka e dia vita izany dia mody aho.

Aleo tsy manao groupe zany intsony refa hita fa misy tsy matotra ao fa manjary mahazo devoly eo njay kou.

10. Angie ( 30/03/2006 07:02)
Momba izay ataon'ny mpiandraikitra sns dia fiainany manokana any zany, refa vitany ny asany ao ampiangonana dia ampy izay. Tsy hoe akory olomasina daholo zay mitondra fiangonana na mpanampy ao, fa miezaka ny manao ny tsara kosa. Aiza moa zay hahafantarantsika izay misy ao antokantranony? Mety efa eo ampijerena ny solution-ny ry zareo fa izany akory tsy mahasakana azy hanao ny asany, en plus tsy pasteur izy fa mpiandraikitra fotsiny.

Possible kou ange hoe ireo niantso ireo te haka ny toerany eo @ fikarakarana na koa ireo mpanao blabla fotsiny fa ny azy aza tsy hitany

Ny azo atao dia mivavaka ho azy sy ho an'ny fiangonana mba tsy ho lasa ambanin-javatra ny asan'Andriamanitra.
11. andry08 ( 30/03/2006 07:55)
Tsy hitako izay antony hidiran'ny mpiara-miangona @ fiainan'ity olona (na ny momba ny zanany na ny toka-tranony). Tsy aleo ve mijery tsara ny an'ny tena aloha vao mahita ity vata-kazo be eo ambanin'ny maso e? Sady raha hifampitsarana ny fivavahana dia tsy tokony handeha any ireo mpitsaratsara ireo.
12. fanantenana2003 ( 30/03/2006 11:39)
oh lala, izany ve ry ireto dia ihdi-kevitra an! tsy henoina fotsiny ilay vavan'olona satria ianao mivoaka io aza dia efa misy mpiresaka koa, tsy gasy tsy vazaha manao izany daholo, ihainana isan'adnro io, ary ny any ampiagonana sy ampiasana no tena matetika misy izany!
13. era ( 30/03/2006 12:22)
ilay fiaraha-monin'ny gasy aty an-dafy mihitsy no efa miboraka e! na be honohono sns koa aza any Madagasikara tsy mihitatra ohatry ny sima misioka toy ny aty. Tsy misy atao mba tena hampiaraka hifankatia azy mantsy ny olona aty fa samy variana amin'ny asa aman-draharaha ,dia rehefa misy sehatra iray mba hiaonana, na fiangonana na zavatra hafa (inona moa ankoatry ny soirées vitsivitsy) dia izao samy miseho milay izao daholo.
14. Beinjy ( 30/03/2006 15:33)
ka ny olona ny tsy misy aza foronona ka vao maika ve misy dia tena mahafaly azy sady hataony mahoraka mihitsy raha azony atao??zay le hoe tsy ny tany no fady fa ny vavambahoaka; ka raha mbola azo hialana ihany io hitany'ny vahoka io dia aleho miala ;ka raha misy vrais ary zany @ mahampivavaka tonga dia tenenina tsotra zao lay ranabavy e; fa tsy konokononina fotsiny ao
15. Herimiafina ( 30/03/2006 19:44)
Na dia izany aza tandremo ihany ny fihetsika fa sao tsy hahatanty ny fitsaran,ny tontolo manodidina.
Aleo izay mahatanty ihany no hanao, fa izay tsy mahatanty aloha aleo milamina!8)
16. Veloo ( 30/03/2006 21:00)
tena mande mihtsy anie zany telefona gasy zany e? mba loza ko zany kle:(
17. Fiffi ( 01/04/2006 07:00)
na ny rindrina ary hono misy sofina mandre.
18. Veloo ( 02/04/2006 01:12)
:wink:
19. Fiffi ( 02/04/2006 05:08)
tsy marina ve akia io ry Veloo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1085