mbola azo atao hoe MAIZINA ny ho avin'ity tanàna ry zareo a

1. xxx ( 15/03/2006 15:40)
Hevitra moa tera-bary fa mba sendra nandalo teto @ cyber-café aho na mafy ady aza dia mbà manenjika ny fivoarana e tsy misy maharatsy an'izany angamba.
Mahita ny adi-hevitrareo ato aho dia mbà te hitafatafa ny momba ny ho avin'ny tanàna e.
Maro amiko no tena antony mahatonga ny fahantràna eto @ tanàna eto misy part de respnsabilité avy any @ mpitondra misy part de responsablité avy @ vahoaka .
70%n'ny vahoaka malagasy dia tantsaha sady mahantra isak'izao propagande izao dia tohofana lainga be tsara lahatra fa oména omby e traktera e etc....aiza nefa izany izao? ny antony fantatry ny kandidà fa raha te hahazo vato betsaka dia ny tantsaha no tsy maintsy travaillerna.

60%ny mponina dia tanora ary ny tanora no ho avin'ny firenena efa mbà nisy programa manokana ve mbà hitsinjovana anay tanora depuis 1972 no nankaty jereo fa na ny sport izao eto @ tanàna dia MAMPALAHELO! ny azo ilazàna azy .

Ny zanaky ny manana mora mahita asa fa ny ambany saranga sahirana tokoa raha hahita aza.

Mba efa hitanareo ve ny fahorian'ny ankizy miasa any @ ireny ZONE FRANCHE ireny ny tsy fanarahan'ireo vahiny ny horaire de travail fotsiny ohatra, ny harcélement sexuel mahazo ny tovovavy .Fantatry ny fanjakàna izany fa mody adàla daholo izay tonga eo.

Ny bizina moa raha avo lenta misy fa ny mpanana ihany no manana chance ny majinika dia tsy misy chance e!
ny karàma 1 volana TDL(tonga dia lany)économie =0,ny fiainana anefa mihalafo hatrany.

Santionany ireo fa lava be raha ho exposéko eto ny zava-misy eto @ tanàna eto mbola tena MAIZINA ny ho avinay tanora .
Asa ianareo any ivelany any angamba na mi- galére aza mbà misy fanatenana ihany ,fa ny anay aty aloha dia mbola MAIZINA na hiasa toy ny kisoa aza toa tsy misy akony mihintsy.
novalian'i fijo ny 29/03/2006 20:21
2. fijo ( 15/03/2006 19:18)
ka aza miandry fotsiny fa mba miezaha manao zavatra e
3. Veloo ( 15/03/2006 20:12)
4. fijo ( 16/03/2006 04:32)
ary veloo toa nanjonitra?
5. xxx ( 16/03/2006 08:46)
FA I FIJO ZANY TENA 5/5 AN ? NAHITA MAMINY TSARA @ ZAO FITONDRANA IZAO EH ?:roll::roll::roll::roll:
6. fijo ( 16/03/2006 20:29)
za aty frantsa ka tsy azoko hoe nahita maminy ahoana???????
ny zavatra hitako dia izao,niala tany mada aho tamin'ny 91 mada simba no nialako tany.nandalo tany aho tamin'ny 2004,mba nisy zavatra tsara niova no hitako tany.ka asa raha maminy ahoana no mety hoazoko amin'izany.
7. xxx ( 16/03/2006 23:21)
Maizina hoy ianao ny hoavin'ny tanàna,
kanefa aza miandry fahagagana koa fa mihezaha.
Jereo fa be dia be koa anefa ny manangana trano etsy sy eroa, manana BMW sy ny 4x4.
Izany hoe mazava indray izany ny hoavy hoan'ireny sokajin'olona ireny.
Misy ohatran'io doly ry lery erantany a!
Aty @nay aty zamerika koa dia misy ny mafy ady mitsindroka zôridira (izany hoe ny qualité an'ilay fako aloha samy hafa e!). Gaga ianao raha hilazako fa aty Jersey na NYC dia misy quartier mitovy @'Isotry !!!
La vie est un combat. Aides toi et le ciel t'aidera

8. ravatorano ( 17/03/2006 07:20)
za aloha tsy nahita izay tany ivelany fa ny eto no hitako
manao tokoa ny mpitondra aloha misy ny fiovana fa tsy mbola tena ao amin ny tena izy
9. Fiffi ( 17/03/2006 07:45)
indrisy anefa....
10. fijo ( 17/03/2006 20:58)
ravato,izay mihintsy,za dia manaiky fa mbola maro no azo sy mila fanamboarana,raha tsy hilaza hafatsy ny momba ny fitsarana aho.
ary aza hadino,fa tsy i ravalo no nilaza voalohany io hasarotry ny fepetra apetraky ny mpamatsy vola io,fa i ratsiraka dia efa nilaza an'io ko,teo isotry,saingy tsy teo ny mpamatsy vola tamin'izay,fa fitokanana tsaky pop le izy.
ary marina tsy azo lavina fa ry zareo vahiny,dia tsy mahalala izay fomba sy fisainan'ny vahoaka any akory ,fa mampitaha fotsiny izay nianarany taty ,ary manao amboletra fa izay no tena tsara.vokany eran'ny afrika maro ny "elefanta fotsy".ravatra nandaniana vola be nefa tsy misy hilana azy akory.
11. pisopiso ( 18/03/2006 20:20)
Fijo a! maninona no tsy notohizina ny tsaky pop nataon-dRatsiraka (50 na 100ar ny plat)!!mba azonao lazaina ve ny tena lafy ratsin'io tsaky pop io??? sa nataon-dRatsiraka io ka ratsy???
12. fijo ( 23/03/2006 04:22)
ny naharatsy azy dia,tsy nahazoana tombony le izy.ka raha notohizana dia vola very fotsiny
13. pisopiso ( 24/03/2006 18:55)
Ka tsy natao hakana tombony ange le izy e!! tsy aleo ve notohizina dia tsy mimenomenona sahala amizao ny vahoaka fa refa mba voky vary sy laokan'ny tsaky pop dia mangina e!! asa aloha fa hevitra adaladala hiany ny ahy iny...
14. xxx ( 24/03/2006 19:11)
de refa voky sy matanjaka izy de manendaka fotsiny:-D:-D
15. fijo ( 24/03/2006 21:05)
marina fa tsy natao hakana tombony ilay izy.nefa kosa ,aza hadino,fa misy vola mivoaka ,ka farafaharatsiny miverina io vola io.tsy izay anefa no niseho,ka dia naleo najanona.
16. pisopiso ( 25/03/2006 18:10)
Tsy te hamaly ilay XXX aho fa nahoana no hanendaka refa voky?? resaka toetsaina zany!!! fa refa matanjaka dia tokony hamokatra sns.....
17. fijo ( 29/03/2006 20:21)
ka ny an'i XXX iny teny tsy voahevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6841