M/kara ao @ FR3

1. Tiana1 ( 14/03/2006 07:20)
Ho an'ireo nijery FR3 momban'i M/kara :

http://www.sobika.com/fich_news/v2/news_721.htm

Miandry ny hevitrareo

Mazotoa daholo
novalian'i johnny ny 01/06/2006 08:04
2. Fiffi ( 14/03/2006 08:02)
efa hita etsy an'efitra io an! nalefan'i hery ny amitson'nio reportage io mihintsy!:)
3. Fiffi ( 14/03/2006 08:16)
Tiana: jereo ao @ "Tetsy sy teroa" fa efa ao daholo ny namalian'ny namana azy :):)
4. Vaika ( 14/03/2006 17:07)
Dia tena mirindra sy ohatran'ny poésie mihintsy ny taratasin'i ngahy Ambassadeur izany, tena hita mihintsy hoe nandia fianarana ! Saingy ny indro kely dia toa ohatran'ny hadinony fa "Etat de droit" anie ny an'ny frantsay ka tsy vitan'ny betrobetrohana ny mpanao gazety ka handeha hanoratra fitarainana any amin'ny directeur. Hay ve ilay hoe "le pays le plus pauvre du monde" no nampivadim-po an'i M.l'Ambassadeur e ! Marina aloha ny azy e ! Mety mihintsy ilay tsy manaiky gisitra, saingy efa alohalika ny ranom-bary dia mbola mi-s'attarde amin'ny resaka "forme" ihany isika (sur le fond, hiharahana mahita fa mahantra i Madagascar !). Ka raha misy ny tsy rariny dia ny tribonaly no hantonina fa tsy faly ny hanao médiatisation fotsiny.
Ary kôpy koa anie ny olona hoe tsy "filazan-tsara" akory ireny émission ireny ka hinoana daholo izay lazainy rehetra. Raha misy moa vahiny kivy ka tsy te-ho any Mada intsony dia aleo izy hijanona amin'ilay camping keliny sy ny pétanques fa izay no mendrika azy.
5. Tiana1 ( 14/03/2006 19:08)
Misaotran'i Fiffi fa tena mahatsiaro somary ouainn aho zany :-D ! Vao zao ndray aho no eto ka mahita ny nosoratanareo.
Misaotra an'i Vaika nanome ny heviny na dia efa nahita ny hevitra tao @ "tetsy sy teroa" !... Fa hono aho, ilay "Etat de droit" anie neveriko @ lafiny politika fotsiny eh !
Dia mbola misaotra anareo indray ary miala tsiny raha izao vao mamaly.
6. Fiffi ( 14/03/2006 19:43)
Tiana: non kosa eh! tsy ouian zany fa mety koa anie ny nataonao raha toa ka tsy nahita an'io ianao ary tsy misy maha-diso azy eh! fa mba nilaza fotsiny aho hoe efa nisy koa tatsy ambadika tatsy ka ! ndryyyy:(
7. Vaika ( 14/03/2006 22:30)
Tiana : ny tiko lazaina dia tsy anjaran'ny pôlitika no mitady hanao didy jadona amin'iny émission iny, na dia misy tokoa aza ny mankarary fo. Inona anefa ny tombon-tsoa azo na hibaboka hiala-tsiny eo aza i Laurent Bignolas e ? I Carolis angaha afaka handroaka azy. Raha misy tokoa ny tsy rariny dia ny tribonaly no tompon'andraikitra.
Dom-bovoka sy resaka tiana hatavy ny an'i M.l'Ambassadeur, raha hampiseho izy fa manao ny asany ara-dalàna dia manaiky aho.
Fa ny tena mahatsikaiky dia rakatry ry zalahy ihany ny nafenina (ireo mafy ady kely voaraoka tao Tana) no koa ohatran'ny lasa fitarainan-jaza izany ilay izy : "tsy izahay no meloka fa ry zalahy mpitondra teo aloha no nahatonga an'Ilakaka lasa bordel be...". Mba efa firy taona kosa ry zareo no teo amin'ny fitondrana dia mbola sahy mialangalana ihany. Izany kosa ve dia fitondran-tena responsable ?
Fa izao ry zareo a ! Aza atao mampiontsona antsika ireny petite phrase kely "le pays le plus pauvre du monde" ireny fa dignité fotsiny no havaly azy, mbola hihodina ny baolina fa tsy taitra fotsiny.
8. Veloo ( 15/03/2006 02:26)
tsika kosa tsy le pays le plus pauvre kle on est parmi les ......:twisted:
9. Fiffi ( 15/03/2006 05:29)
ary ny tena mahagaga ahy dia io foana anie no heno eh!
10. Vaika ( 15/03/2006 10:02)
C'est du pareil au même ry Veloo a !
Marina fa raha jerena ny firenena hafa, Mongolie, Haïti, ....dia toa ohatran'ny mba misy hatoraka ihany isika. Rehefa mahantra dia mahantra ka ny ho avy no banjinina fa ireo firenena milaza azy ho manan-karena anie ka mialona ny taux de croissance any amintsika e ! Mampan-drevy an-dry zareo izany hoe 10% izany (d'après M. le Président !).
Ny azo illuster-na izany dia ny tenin'ireo financiers : raha nanao investissement any amin'ireo pays africains (y compris Madagascar) dia de l'ordre de 400 % ny mason-karena izay dimy taona lasa izay...
Momba ilay petite phrase kely indray "le plus pauvre ..." dia audimat ireny e !
11. adidy ( 15/03/2006 12:40)
Faly miarahaba ny rehetra! Asa ianareo raha nijery ilay reportage momba an'i Mayotte sy ny fahantrana misy ao @ quartier sasany izay vokatry ny immigration ny avy any Comores, na koa mahita ny fari-piainana en général ny mahorais, fa tsy mifankaiza lavitra ny gasy!!! Nefa frantsay! Ny mahasamy hafa azy: ry zareo rehefa filmer-na ny mahantra sasany dia tapenana ny masony fa tsy arantiranty! Sao misy mitory eo tsinona koa!!
12. Veloo ( 15/03/2006 17:46)
ie wa retsy ry adidy zany mihitsy...:wink:
13. johnny ( 01/06/2006 08:04)
io ange ny tanjony vazà mapiseho anreny te hilaza amin'ny zanany sy ny mpiray tanindrazana aminy izy hoe tena tsy ho tafavoaka ny afrikana raha tsisy azy ireo e. zany mantsy no mba ireharehany aty hoe premier partenaire économique de l'afrique ry zareo. mety tena mahatra dago sy ny gasy fa raha mandeha kely any guadeloupe sy martinique mety zavatra kely fotsiny no mampiavaka an'i dago sy ireo tany ireo.
ekena aloha fa havoretrana d mety voalohany dago fa raha fahatrana faratapony samy manana fa ny isany no mapiavaka kely angamba.
sady zany koa ange tokony tsy hatao hahatezitra fa raha hendry ny pitondra tokony hapiseho ny hambo-pony miala amindry zareo d miezaka mitady fomba hapiala (aloha vao hapandroso) an'i dago samirery tsy mila faratay sy tandrefana e. sa tsy zany ry piray tanindrazana malala!:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2885