PUB

1. marozevo ( 12/03/2006 01:24)
Ganagana, hono, tsa mba gisa,
ary ny manontany tsa mba diso.

Fa nahoana kay no manjary be PUB any amin'ny lohahevitra momba ny fivavahana sy ny finoana? Araka ny hevitro dia tsy tokony hasiana PUB any ka... Angamba tsara raha toerana hafa no hasiana ny PUB fa tsy amin'ilay fivavahana sy finoana kosa. Sa tena tsy azo ialàna ve ?

Raha diso ny teniko avereno amiko ihany...
novalian'i xxx ny 15/03/2006 21:35
2. dadabe ( 12/03/2006 02:53)
zah koa r'ise de gaga , hoe fa maninona? mety misy zavatra tsy mety indray angamba ao:roll:
3. Fiffi ( 12/03/2006 06:34)
marina aloha fa ny pub no mba ahazahoana fanampiana ara-bola ho hentina hanatsarana ny zavatra eh! fa marina tokoa ny hoe tsy ao @ fivavahana sy finohana tsy hasiana an'io nohon'ny maha-fivavahana sy finoana azy!
4. hery ( 12/03/2006 08:40)
Fa ngah any amin'ny fivavahana sy finoana fotsiny no misy PUB? :-) Nareo mariina mbola tsy tratran'ilay mpizara kapaoty any am-piangonana hiadiana amin'ny SIDA :-) sy ilay mpivarotra labozia eo amin'ny vavahadin'ny fiangonana sns...
Aleo mba ho eny ilay pub kely fa isaky ny hafatra 10 ihany io vao mitranga. kely dia kely io fa tsy lehibe akory. Sa manelingelina maso be ve ilay izy? Mba ahazoana 50 centimes isanandro mantsy io ka mba manampinampy anay amin'ny fikarakarana ny sites.
5. Fiffi ( 12/03/2006 10:42)
ilay izy aloha tsy dia hoe tena manelingelina be kosa eh! fa raha toa ka misy tombon-tsoa azo avy aminy kosa dia maninona moa ? Sady eto daholo isika afaka tsara manararaotra milaza , manampy , sns... ny namana dia mba azontsika hasiana tolérance kely kosa zany io eh! sa ahoana ry marovezo ? T@ voalohany aloha raha izaho manokana dia somary nandreraka kely ahy ny fahitana azy nefa rehefa natsapa fa fahazahoana fanampiana dia tsy nampaninona ahy intsony . Efa niditra tao @ io pub io koa aza aho koh! :)ka nahita zavatra nahaliana ahy. :)
6. fasaly ( 12/03/2006 10:53)
tsy de hitako zay manelingelina amzany anefa....:wink:
7. diamondra27 ( 12/03/2006 18:57)
hery: @ manaraka de ampiomano aloha ny namana hoe: hisy an'izao ny fiovana ka aza taitra nareo ...:wink:.
Le fiaraha-monina ho'aho tsy hita be ihany fa tsy maintsy mimenomenona kely foana. Aleo tsiky de ampy fotsiny e:-D:-D:-D:-D
8. diamondra27 ( 12/03/2006 19:00)
marozevo: ary ialahy 'ty tena mitovy hevitra amiko an! sa efa manomboka sahady le transmission de pensée? Io fa mitady tratra ny "ody" knou. Vao saika hanokatra an'io size io zà de ny anao no tonga aloha
9. hery ( 12/03/2006 19:28)
diamondra> raha ny fiovana "rehetra" (aleo atao hoe fivoarana) eto amin'ny serasera ve no ampilazana aminareo (isanandro misy foana) tsy hiteny indray rehefa avy eo hoe aza andefasana an'izany intsony izahay fa tsy izany no ataonay eto (efa nisy io :-))
Marina izany e, tsy maintsy misy mimenomenona foana... soa fa nisy tsiky :-)
10. Fiffi ( 12/03/2006 19:38)
hery sy diamondra: dia tokony hatao tahakan'ny ao @ télé ve ? dia misy sary kely aloha milaza hoe "Pub" ? :-D fa tsy ho araka kosa angamba raha ta ka hoe hampilazana isan'andro ny namana hoe hisy pub eh! :)
11. marozevo ( 13/03/2006 00:26)
Izay fanazavana avy amin'ny mpikarakara izay no nandrasana mba hahazoana ny anton'ny fisiany. Ary izany no nahatonga ahy nanontany hoe raha diso dia ny teniko no aria fa aza ny tenako. Hita izany ny hilàna azy, ka dia mirary anareo mpikarakara hahavita eto amin'ny sahan'ny serasera.
Marina ihany koa aloha fa misy mivarotra labozia any am-piangonana, na mizara kapoty (Za aloha mbola tsy nahita an'ity farany ity), fa hoy aho an'eritreritra hoe : "raha hitan'i Jesoa angamba ireny dia anaovany kotopia (fa tsy fotocopia akory) amin'ny tady madinika dia roasiny aby".
12. xxx ( 13/03/2006 00:36)
hery:

Nareo mariina mbola tsy tratran'ilay mpizara kapaoty any am-piangonana hiadiana amin'ny SIDA :-) sy ilay mpivarotra labozia eo amin'ny vavahadin'ny fiangonana sns...

:evil:synagogan'i Satana ny anaran'izany fa tsy fiangonana velively, na dia miantso ny tenany ho fiangonana aza izy.


13. pissoa ( 13/03/2006 04:29)
Siora amin'izany ve i xxx? Sao dia ny mpivavaka sasany tsy mifampitsinjo akory fa samy maka ho azy no satana maha-synagogan'i satana ny fiangonana raha synagogan'i satana ny fiangonana?

Rehefa zavatra tena ilaina dia atao rehefa tsy mihoatra ny fefy!
14. diamondra27 ( 13/03/2006 06:19)
hery: mazotoa e! de misaotra anao t@ty site 'ty fa tena OK!(misaotra ihany koa ho an'i OP"; mampazoto be satria ato no ahitàna ny TSIKY DE AMPY. Après ny vavaka vao mifoha de eto kely aloha ,de mande ho azy ny la journée sns...:-*:-* tsy misy famonoantena fa misy manome courage sy toky:-D:-D:-D
15. hery ( 13/03/2006 06:55)
diamondra> misaotra antsika isika e :-)
16. Fiffi ( 13/03/2006 07:37)
xxx zany tsy mbola nividy labozia ireny rehefa tonga ny paska sy Noely eh ?
17. xxx ( 15/03/2006 01:55)
pissoa:
Rehefa zavatra tena ilaina dia atao rehefa tsy mihoatra ny fefy!

aiza ho aiza ilay "fefy" tsy ihoarana momba an'ilay fizarana kapoty any am-"piangonana" ?

18. pissoa ( 15/03/2006 04:47)
Miankina amin'ny hevitry ny fiangonana amin'ny fampiasana ny kapaoty!
19. xxx ( 15/03/2006 04:54)
ka izay no maha synagoga an'i satana:twisted: azy ry pissoa a. raha trena fiangonana izy dia tsy ny heviny no ataony fefy fa ny Tenin'Andriamanitra. 8O
20. hery ( 15/03/2006 06:49)
XXX> Ary raha tsy misy teny hoe kapaoty ao anaty Baiboly dia ahoana? ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1504