refa maty vao ramalala ny arista any amintsika!!!

1. xxx ( 10/03/2006 13:48)
Mampalahelo!ary tsy hita izay ilazàna azy fa rehefa nandinika ny tenako dia refa maty vao ramalàla ny artista any amintsika oh:I RAKOTO FRAH ,azo atao hoe ngezalahy.
Jereo anefa fa mandrak'ankehitrio tsy mbola misy artiste mpitsoka sodina fotsiny ohatra nahadimby azy.:cry:
novalian'i Fiffi ny 14/03/2006 05:32
2. sonwin ( 10/03/2006 14:17)
euhh ny mpitsoka sodina mahay sy mbola mahay noho i Rakoto Frah dia misy tokoa, mety ny anarana no tsy fantatry ny sarababem-bahoaka. Mijereva concert Jejy Music rehefa misy raha te hijery ny santionany enao.
tsy miombo-kevitra aminao aho ny amin'ny hoe maty vao ramalàla, ampio ohatra hafa hoe?
3. Fiffi ( 10/03/2006 14:24)
marina fa misy ny mpitsoka sodina mahay fa samy manana ny fahaizany koa ny tsirairay .
4. xxx ( 10/03/2006 14:33)
Aleo ny ho avy no hitsara! fa raha tena mahay izany ao @ Jejy Music izany nahoana no tsy malàza ,izaho aloha dia tsy mahalàla izany.Nefa i Rakoto Frah dia efa nitety faritra maro, ary nanaiky azy ny vahiny.Raha ohatra ka tsy nahay ve izy nahoana no mediatisé- na ny alliance française aza maka azy rehefa misy animation ohatra ny présidence de la république,refa misy festival aty ivelany tsy maintsy tête de liste izy,faha velony.
5. pissoa ( 10/03/2006 14:46)
Hmmmm - izany rehetra izany ve ry xxx dia mbola lazaina fa rehefa maty vao ramalala indray izy ah! Ka he izany izy hoe nantsoin'ny presidence, tete de list isaky ny misy festival, nantsoin'itsy sy itsy kou! Azavao kely hoe ny hevitrao fa tsy azoko tampoka.
6. Samoana ( 10/03/2006 14:56)
Efa Ramalala hatr@ izay izy ry XXX fa efa toetrany iny tsotraben'Atra tsy tia miaina anaty harem-be iny a !
7. xxx ( 10/03/2006 15:01)
an an an hiverina ny hevitro @ izay aho hoe maty vao ramalàla olona tena SAHIRANA ara- pivelomana tokoa izy iny ary narary mafy tany @ hopitaly maty tany ny mpitondra t@ izany sy ny ministére de tutelle dia tys mbà nisy niraharaha azy maty izy vao mody niatsàra ivelatsihy azy .MAMPALAHELO
8. Samoana ( 10/03/2006 15:13)
Efa ren'i XXX nitalaho taman'oul ve izy ? Tafaresaka taminay izy fony may ny tranokeliny . Nitantara ny zava-niseho izy fa tsy nitaraina .Ary mbola nanohy ny sangan'asany hatrany. Be ny artista namany efa niditra an-tsehatra hanao fampisehoana hanampiana azy raha nilaina izany ! Dia mba mivoaha avy ao @ XXX ao fa tsy maharatsy fihavanana sanatria ny tsy fitovian-kevitra e !:)
9. sonwin ( 10/03/2006 17:24)
xxx:

Aleo ny ho avy no hitsara! fa raha tena mahay izany ao @ Jejy Music izany nahoana no tsy malàza ,izaho aloha dia tsy mahalàla izany.Nefa i Rakoto Frah dia efa nitety faritra maro, ary nanaiky azy ny vahiny.Raha ohatra ka tsy nahay ve izy nahoana no mediatisé- na ny alliance française aza maka azy rehefa misy animation ohatra ny présidence de la république,refa misy festival aty ivelany tsy maintsy tête de liste izy,faha velony.


Aiza aza zany fitondranao hevitra izany ry ilay tsy sahy miseho masoandro? Fa angaha lasa fifaninana sy hifampidera fahaizana izy ty? J'ai rien contre Rakoto Frah an, aleo hazava ary tena makasitraka azy aho, fa ianao milaza fa tsy misy mahasolo azy no nahatonga ahy niteny ilay Jejy Music. Tsy fomba ny mirehareha fa tsy anjarako angamba no miteny hoe taiza avy ny tany efa notsidihan'ilay mpitsoka sodina ao amin'ny Jejy music. Indice kely fotsiny: Mbola zaza tsy ampy taona leiry no efa nanidina nitety tany niaraka tamin'ny sodina keliny.

Raha Rakoto Frah no tianao resahina dia farito mazava tsara ny resaka, tsy misy hanampiako io lazain'i Samoana io fa marina sy mitombina.
10. Veloo ( 10/03/2006 17:41)
refa maty vao ramalala ny arista any amintsika

tsy ny artista ihany ka ny olona rehetra mihitsy
11. Fiffi ( 10/03/2006 17:59)
Veloo: marina io an!
12. Veloo ( 10/03/2006 18:41)
fiffi :wink:
13. Fiffi ( 10/03/2006 19:17)
xxx : raha mijery an'ilay mpitendry "piano" tena nalaza be mihintsy fahiny aho i Stormy ohatra an! izy dia azo lazaina mihintsy hoe "le meilleur pianiste malgache" efa lasa nody any @ Ray izy aloha ary fantatro tsara ny fahaizany mitendry fa sy hilaza velively aho hoe tsy misy mpitendry nisolo azy, satria samy manana ny fahaizany ny mpitendry ary hanatra ho an'ny ankehitriny ny fijerena ny zava-bitany mba hanatsarana ny fitendriny koa , ary @ zao fotoana izao dia maro dia maro tokoa ny mpitendry tena mahay fa tsy hanaovako fampitahiana fa samy tsara eh!
14. fijo ( 10/03/2006 19:18)
korontana be le hevitra aroso sy arovana ka tsy azoko tsara.toa mifanohitra ny loahevitra sy ny fanohanna azy ka tena very aho.
15. Fiffi ( 10/03/2006 20:09)
araho mora ao ry fijo ah!
16. xxx ( 11/03/2006 05:41)
ny tsy azoko dia ny hoe te hiteny ve hianao hoe: - dRakoto Frah eo @ resambola tsy misy mahasolo anka fitsofana sodina ; sa hoe maty vao ramalala i ratompokolahy?mba omeo ohatra manaporofo hoe aho fa maty vao ramalala izy?
17. Fiffi ( 14/03/2006 05:32)
http://www.harmattan.fr/index.asp?navig=catalogue&obj=article&no=1650
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087