resy COSFA

1. rasah ( 09/03/2006 09:05)
toa resy in-2 mientoana indray ny solon-tenantsika @ coupe d'afrique des clubs champions @ volley.midika izany fa mbola ambany ny "niveau"-tsika eo @ sehatra afrikana ?
novalian'i Roch ny 13/05/2006 18:46
2. jentilisa ( 09/03/2006 12:14)
ka fohy isika koa, nefa mahery amin'ny sehatra oseana indiana. Cosfa anie no tompon-daka e!
3. Ralay ( 11/03/2006 16:19)
rasah>Mety ho ambany ny niveau-tsika eo @ sehetra afrikana kanefa asa raha fantatr'ise fa ny ekipa hafa dia efa ela no niomana hanao azy io fa ny antsika dia saika tsy lasa aza raha tsy efa au dernier moment satria tsy nisy ny vola atao frais.Asa raha ampy koa ny vola natao sakafo sy hotely ka amiko dia tsy tomombana mihintsy ny preparation netin'ny COSFA hiantrehana azy io ka tsy misy hanomezana tsiny azy izany.
Jereo ny vokatra azony t@ ocean Indien teo fa mahery ny gasy raha resaka volley. Mila fanomana ny competition ohatr'izao fa tsy vitan'ny petatoko fotsiny.:lol:
4. Roch ( 08/04/2006 10:34)
Manahoana ianareo izay mpanaraka ny taranja volley ball. Ny tenako izay manoratra dia tsy mangataka atiny fa tompony. Ny marina dia mpilalao V.B tao @ ekipa COSFA ny tenako 91-96.Resy hoe? inona no mety ahagaga @izany?
Ny fanatanjahan-tena @ ankapobeny, mba tsy hilazako hoe izy rehetra, dia tsy misy raha manjary sy tsy mba misy antenaina. Ny volley ball moa no resaka ka io no tiako hidirana. Regleo aloha ny hoavin'ireo mpilalao dia handeha ny zavatra rehetra. Ra nifotota t@ V.B fotsiny angamba ny tenako taloha dia efa "katrami" ohatr'izay, tsisy avenir ny spaoro gasy, azo lazaina fa toa fialamboly ihany, ka mieritreritra handeha ho aiza?
Tsy manina na resy aza fa ny zava-dehibe dia ny hoe ni-kôntra t@ vazaha mainty tany ivelany, dia efa ampy. Fa raha ny niveau no jerena de e e e .
5. manerav ( 09/05/2006 20:50)
Roch:

Mamangy ny mpamaky aho ary koa mamaly soratry ra namana etsy ambany,ekena fa tsy nahomby ny fikazrakarana ary iaraha mahita izany,mampalahelo hatrany anefa ny tsy fahampina izay misy foana indrindra fa ny ho enti manana,mampalahelo kanefa kosa raha ny valeur n ireo malagasy ,ary hataoko fa isan izany ianao saingy kosa ny irina hatrany dia ny ho an ireo taranaka sasany ary indrindra ny hampisy tsy ho ela ireo vonona hanosika iretsy zaza misondrotra,sy misy @ izy ireny no ho lasa lavitra sy ho reharehan ny gasy,tsy hiverenako ny teninao satria @ fomba ahoana moa no ahazoana resultats raha tsy misy fanomanana,ary fanampina avy @ etats indrindra indrindra,mila fandavantena izany,sports dia sports ihany fa kosa misy ny tsy tafavoaka, koa raha tsy lasa quatre ami ianao dia satria tsy natao ho anao ny ho volleyeur pro,malgre ny firenentsika ,misy ihany anefa ireo izay tafita ka niaina taty ampita, na koa aza lasa tompon andraikitra eto gasikara saingy etsy andaniny ny hatao hoe comportement,tsy foot ihany na volley ...,matoa aho miteny tsy ho be resaka fa kosa ny ho an i retsy tanora izay mifofotra mafy ka mino aho fa tsy ho ela dia hisy ireo releve,aoka hisy faharetana,matoa aho miteny dia satria niainako izany ary vao nisokatra ny atao hoe cosfap dia nisantatra izany ny tenako t@ taranja karate izany hoe 1981 tany ho any,koa ny taranja sports gasy tsy matory fa rendremana ,ny hirina dia ny fiaraha miasan ireo mpitondra isantsokajiny,ka asa fandrimbonana io,firarintsoa hatrany ho entiko hamarana ny teny somary lava be ihany,hoe mazotoa isika tanora ianareo no fanevan ny gasikara koa aza kivy fa misy foana masoandro mibalika aza kivy,bonne reussite @ izay sporthataonao.









Manahoana ianareo izay mpanaraka ny taranja volley ball. Ny tenako izay manoratra dia tsy mangataka atiny fa tompony. Ny marina dia mpilalao V.B tao @ ekipa COSFA ny tenako 91-96.Resy hoe? inona no mety ahagaga @izany?
Ny fanatanjahan-tena @ ankapobeny, mba tsy hilazako hoe izy rehetra, dia tsy misy raha manjary sy tsy mba misy antenaina. Ny volley ball moa no resaka ka io no tiako hidirana. Regleo aloha ny hoavin'ireo mpilalao dia handeha ny zavatra rehetra. Ra nifotota t@ V.B fotsiny angamba ny tenako taloha dia efa "katrami" ohatr'izay, tsisy avenir ny spaoro gasy, azo lazaina fa toa fialamboly ihany, ka mieritreritra handeha ho aiza?
Tsy manina na resy aza fa ny zava-dehibe dia ny hoe ni-kôntra t@ vazaha mainty tany ivelany, dia efa ampy. Fa raha ny niveau no jerena de e e e .




6. Roch ( 13/05/2006 18:46)
Slt, ny namana manerav, mahafinaritra ahy ny fomba fijerinao ny @ toe-javatra. Tiako be le teny hoe "pro", asa inona no tena dikan'ny hoe pro. Ny antsika ry rahalahy manerav dia azo lazaina hoe mbola vadin'entana ihany ny sport a, tsy ho tazana misongadina ny zava-vita. Tsy niteny aho hoe tsy misy misongadina an, misy ihany hoy aho, fa saingy manify de manify no ahitana an'izany, ka izay le atao hoe chance, fa angaha chance no hanamboarana ny fiainana na sport, tokony hisy zavatra sur ry rahalahy ny zavatra atao a, ary tsarovy fa raha misy ny tsy fahombiazana na accident mandritra ny spaoro nataonao, de tsy hisy akory na de assurance aza. Mety hoe tsy natao ho Volleyeur de haut-niveau tokoa angamba ny tenako zay no tsy haiko fa ny tsapako de ny fierté fotsiny no betsaka hoe za nanao ity sns, fa raha ny hoe hahatafita de eeeeeeee. Ratsy fototra ny gasy @ lafiny REHETRA vokany tsy hiakatra avo...;
HARODANY NY FOTOTRA RATSY DE ATSANGANO NY TSARA VAOVAO NY AMIN'NY SEHATRA REHETRA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.365